FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • te toko 4 p. 19-22
  • Manana Anarana Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manana Anarana Andriamanitra
  • Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Mitovitovy Aminy
  • Manana Anarana Andriamanitra
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Tian’Andriamanitra ho fantatra ny anarany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Omeo Voninahitra ny Anaran’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra
    Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
Hijery Hafa
Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
te toko 4 p. 19-22

Toko Faha-4

Manana Anarana Andriamanitra

IZA no anaranao? — Manana anarana ianao; izaho koa. Nanana anarana ny lehilahy voalohany. Nantsoin’Andriamanitra hoe Adama izy io, ary ilay vehivavy voalohany nantsoiny hoe Eva. Manana anarana daholo ny olona rehetra.

Jereo ireo kintana tsy hita isa mamirapiratra ao anatin’ny alina. Manana anarana ve izy ireny? — Izany tokoa, nanome anarana ho an’ny kintana tsirairay eny amin’ny lanitra Andriamanitra. Milaza toy izao amintsika ny Baiboly: “Milaza ny isan’ny kintana Izy; samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny.” — Salamo 147:⁠4.

Manana anarana ny olona sy ny kintana. Noho izany, heverinao ve fa manana anarana Andriamanitra? — Nanantitrantitra izany ilay Mpampianatra Lehibe. Nilaza tamin’Andriamanitra toy izao izy, tao amin’ny vavaka iray: ‘Nampahafantariko ny mpianatro ny anaranao’. — Jaona 17:26.

Fantatrao ve ny anaran’Andriamanitra? — Ny tenany mihitsy no manambara izany amintsika toy izao: “Izaho no Jehovah, izany no anarako”. JEHOVAH àry no anaran’Andriamanitra. — Isaia 42:⁠8.

Tianao ve ny hahatsiarovana ny anaranao? — Tia ny hantsoina amin’ny anarany ny olona. Maniry ny hahalalana ny anarany koa i Jehovah. Noho izany antony izany, dia tokony hampiasa ny anarana hoe Jehovah isika rehefa miresaka ny amin’Andriamanitra.

Nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ilay Mpampianatra Lehibe rehefa niteny tamin’ny olona. Nanambara toy izao izy, indray andro: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra.” — Marka 12:30.

Fantatr’i Jesosy fa anarana lehibe tokoa ny hoe “Jehovah”. Izany no antony nampianarany an’ireo mpianany mba hampiasa an’io anarana io. Nilaza tamin’izy ireo mihitsy aza izy mba hampiasa izany tao amin’ireo vavaka nataony.

Efa ela be tokoa izay, dia nasehon’Andriamanitra tamin’i Mosesy ny maha-zava-dehibe ny anarany. Iray tamin’ireo zanak’Isiraely i Mosesy. Nonina tany Egypta ireo. Nataon’ny Egyptiana andevony sy nampijaliny izy ireo. Rehefa tonga olon-dehibe i Mosesy dia nanandrana nanampy iray tamin’ny mpiray firenena taminy. Nampisafoaka ny mpanjakan’i Egypta izay nitady hampamono azy izany. Nandositra niala tany Egypta àry izy.

Nankany amin’ny tany hafa iray, tany Midiana, izy. Mpiandry ondry izy tany. Indray andro, dia nahita zavatra hafahafa izy. Nirehitra ny kirihitr’ala iray, nefa tsy levona. Nanatona mba hijery azy io tsara kokoa i Mosesy.

Fantatrao ve izay nitranga? — Nandre feo avy ao afovoan’ilay kirihitr’ala niredareda i Mosesy. Niantso azy ilay feo hoe: “Ry Mosesy, ry Mosesy!”

Iza no niteny toy izany? — Andriamanitra. Nanana asa lehibe hankinina tamin’i Mosesy izy. Hoy izy taminy: “Avia ankehitriny hianao hirahiko ho any amin’i Farao [ny mpanjakan’i Egypta] hitondra ny zanak’Isiraely oloko hivoaka.” Nampanantena ny hanampy an’i Mosesy Andriamanitra.

Namaly an’Andriamanitra toy izao anefa i Mosesy: ‘Rehefa hanatona ny zanak’Isiraely aho ka hilaza aminy fa naniraka ahy Andriamanitra, raha manontany ahy izy ireo hoe iza no anarany, ahoana no havaliko azy?’ Nilaza tamin’i Mosesy Andriamanitra mba hamaly toy izao ny zanak’Isiraely: ‘Jehovah naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay’. — Eksodosy 3:1-15.

Nasehon’Andriamanitra tamin’izany fa hitana ny anarana hoe Jehovah izy. Niriny ny ho fantatra mandrakizay amin’ny anarany hoe Jehovah.

Niverina nankany Egypta i Mosesy. Tsy tena nahalala an’i Jehovah ny Egyptiana. Noheveriny fa andriamanitra kelin’ny zanak’Isiraely fotsiny izy io. Tsy nino izy fa hoe Andriamanitry ny tany manontolo i Jehovah. Izany no antony nanambaran’i Jehovah tamin’ny mpanjakan’i Egypta hoe: ‘Hambarako any amin’ny tany rehetra ny anarako.’ — Eksodosy 9:⁠16.

Nampahafantatra ny anarany tany amin’ny tany manontolo i Jehovah. Nataony izay hitarihan’i Mosesy ny zanak’Isiraely ho any ivelan’i Egypta. Tsy ela dia nahare firesahana ny amin’i Jehovah ireo firenena rehetra tamin’ny tany manontolo.

Amin’izao andro izao, dia olona be dia be no mitovy amin’ny Egyptiana. Tsy mino izy ireny fa hoe Andriamanitry ny tany mano­ntolo i Jehovah. Izany no antony anirian’i Jehovah ny hiresahan’ny ­vahoakany ny momba azy amin’ny olona hafa. Izany no nataon’i Jesosy.

Irinao ve ny ho sahala amin’i Jesosy? — Raha izany no izy, dia lazao amin’ny hafa fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. Ho tsapanao fa olona be dia be no tsy mahalala izany. Angamba ianao ho afaka hampiseho amin’izy ireny ilay andinin-tenin’ny Baiboly ao amin’ny Salamo 83:18. Hojerentsika izay lazainy: “Aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.”

Ny hoe “Jehovah” no anarana lehibe indrindra, anaran’ilay nanao ny zavatra rehetra. Tsarovy anefa fa nanambara i Jesosy hoe tokony ho tia an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra isika. Tia an’i Jehovah ve ianao? —

Ahoana no azontsika ampisehoana fa tia azy isika? — Amin’ny fampahafantarana ny anarany amin’ny olon-kafa. Azontsika atao koa ny miresaka amin’izy ireny ny amin’ny zavatra mahatalanjona nataony. Hahafaly an’i Jehovah izany, satria fantany fa tokony hahalala azy ny olona. Afaka mandray anjara amin’ny fampahafantarana azy isika, sa tsy izany? —

Tsy hihaino antsika daholo akory ny olona rehetra rehefa hiresaka momba an’i Jehovah isika. Olona maro be no tsy nihaino an’i Jesosy akory aza. Tsy nisakana azy tsy hiresaka ny amin’i Jehovah anefa izany.

Aoka àry isika hanahaka an’i Jesosy. Aoka isika tsy hitsahatra ny hiresaka ny amin’i Jehovah. Hahafaly azy isika, satria hampiseho fa tia ny anarany.

(Miaraha mamaky ireto andinin-teny hafa ao amin’ny Baiboly ireto, izay mampiseho ny maha-zava-dehibe ny anaran’Andriamanitra: Jaona 17:26; Isaia 12:4, 5; Romana 10:13.)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara