Toko Faha-10
Nanome Voninahitra An’Andriamanitra ny Boka Iray
NANAMBOATRA sakafo tsara ho anao ve ny mamanao? — Tsara fanahy izy, sa tsy izany? — Nisaotra azy ve ianao? — Manadino ny milaza hoe “misaotra” amin’ireo izay manao zavatra tsara ho antsika isika indraindray. Fony teto an-tany ilay Mpampianatra Lehibe, dia nanadino ny nilaza taminy hoe “misaotra” ny boka sasany.
Fantatrao ve ny atao hoe boka? — Izany dia olona voan’ny habokana, aretina mety hikiky ny nofony mihitsy. Tsy maintsy natokan-toerana ny boka, tamin’ny andron’i Jesosy. Raha nisy tamin’izy ireo nahita olona nanatona azy, dia tsy maintsy nampitandrina azy izy ka nilaza hoe: ‘Boka aho, manalavira!’ Raha tsy izany dia nety ho voan’ny habokana ny olona.
Tena tsara fanahy tamin’ireo boka i Jesosy. Indray andro, raha nandeha ho any Jerosalema izy, dia nanatona tanàna kely iray. Nivoaka nitsena azy ny boka folo.
Tsy nanatona an’i Jesosy izy ireo, fa nijanona teny lavitra eny. Nandre filazana izy ireo fa hoe nahazo avy tamin’Andriamanitra, fahefana hanasitrana ny karazan’aretina rehetra, ary na dia habokana koa aza, i Jesosy. Niteny taminy àry izy ireo hoe: ‘Jesosy Mpampianatra ô, ampio izahay!’
Mampalahelo anao ve ny aretin’ny hafa? — Izany no hita tamin’i Jesosy izay nahafantatra fa mampalahelo tokoa izany hoe boka. Namaly azy ireo toy izao àry izy: ‘Mandehana miseho any amin’ireo mpisoron’Andriamanitra.’
Nahoana no nilaza izany taminy izy? — Noho ny lalàna nomen’i Jehovah ny vahoakany. Nitaky ny handinihan’ny mpisorona iray ny nofon’ny boka iray izany, mba hilazany aminy rehefa avy eo raha sitrana tanteraka izy. Raha izany no izy, dia afaka niara-niaina indray tamin’ireo olona salama izy. — Levitikosy 13:16, 17.
Mbola narary anefa ireo boka folo ireo. Ho any amin’ny mpisorona araka ny nolazain’i Jesosy taminy ve izy ireo? — Izany tokoa, lasa avy hatrany izy ireo. Tsy maintsy nino mafy ireo lehilahy ireo fa hanasitrana azy i Jesosy.
Inona no nitranga? — Afaka teny an-dalana ny habokany. Voadio ny nofony. Sitrana izy ireo. Novalian-tsoa ny finoany ny fahefan’i Jesosy. Hafaliana re izany!
Inona no tokony ho nataon’izy ireo mba hampisehoana ny fankasitrahany? Inona no ho nataonao? —
Niverina nankany amin’i Jesosy ny iray tamin’izy ireo ary nanomboka nanome voninahitra an’i Jehovah ka niresaka zavatra tsara ny amin’Andriamanitra. Fihetsika tsara izany, satria avy tamin’Andriamanitra ny fahefana hanasitrana. Niantoraka teo an-tongotr’ilay Mpampianatra Lehibe koa io lehilahy io ka nisaotra azy. Velom-pankasitrahana an’i Jesosy izy.
Ary ireo sivy hafa? Nanontany toy izao i Jesosy: ‘Boka folo no voadio, sa tsy izany? Aiza àry ny sivy hafa? Iray monja ve no niverina mba hanome voninahitra an’Andriamanitra?’
Marina izany. Iray monja no nanome voninahitra an’Andriamanitra sy nisaotra an’i Jesosy. Ambonin’izany, dia Samaritana izy io, lehilahy avy any amin’ny tany hafa iray! Tsy nisaotra an’Andriamanitra, na i Jesosy koa aza, ireo sivy hafa. — Lioka 17:11-19.
Mitovy amin’iza amin’ireo lehilahy ireo ianao? — Tiantsika, dia izaho sy ianao, ny hanahaka ilay Samaritana, sa tsy izany? — Koa raha misy manao zavatra tsara ho antsika, tsy hanadino ny hanao inona moa isika? — Ny hisaotra azy.
Matetika ny olona no manadino ny milaza hoe “misaotra”. Tsara anefa ny hanaovana toy izany, satria mahafaly an’i Jehovah sy i Jesosy Zanany izany.
Rehefa mieritreritra ianao, dia hahatsapa fa nisy zavatra be dia be natao ho anao. Tsaroanao ho efa narary ve ianao? — Angamba mbola tsy narary toy ireo boka ireo mihitsy ianao, kanefa nety ho voan’ny sery na narary ambavafo ianao. Nikarakara anao ve ireo ray aman-dreninao? — Faly ve ianao noho ny nitsaboany anao? —
Nisaotra an’i Jesosy ilay Samaritana noho ny nanasitranany azy, ka nahafaly azy izany. Heverinao ve fa faly ireo ray aman-dreninao raha milaza aminy hoe “misaotra” ianao rehefa misy zavatra ataony ho anao? — Izany dia izany tokoa.
Indraindray dia misy olona manampy antsika isan’andro na isan-kerinandro. Asany angamba izany, kanefa faly manao izany izy. Tsy tokony hanadino ny hisaotra azy ireny isika.
Miasa mafy ny mpampianatra anao mba hampianarana zavatra be dia be anao. Asany izany; ho faly dia faly anefa izy raha misaotra azy noho izay ampianariny anao ianao.
Mety hisy olona tsy hanao afa-tsy zavatra madinika ho anao. Nisy nitana ny varavarana mba hidiranao ve? — Notolorana lovia fandrosoan-tsakafo ve ianao teo amin’ny latabatra? — Tsara ny milaza hoe “misaotra”, na dia amin’ireny zavatra madinika ireny aza.
Raha mieritreritra ny hisaotra ny mpiara-belona amintsika isika, dia tena azo inoana fa tsy hanadino ny hilaza hoe “misaotra” amin’ny Raintsika any an-danitra. Be dia be ny zavatra tokony hisaorantsika azy. Nomeny antsika ny fiainana sy izay rehetra mahatonga izany hahafinaritra. Manana antony tsara tokony hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra àry isika amin’ny fanononana teny tsara momba azy isan’andro.
(Momba ny fanehoana fankasitrahana, dia vakio koa ny Salamo 92:1, NW; Efesiana 5:20.)