FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 17
  • Zaza Kambana Tsy Nitovy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zaza Kambana Tsy Nitovy
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • I Jakoba no Nahazo An’ilay Lova
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Esao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Nihavana Indray i Jakoba sy Esao
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 17

TANTARA 17

Zaza Kambana Tsy Nitovy

TENA tsy nitovy tokoa ireto zazalahy roa ireto, sa tsy izany? Fantatrao ve ny anaran’izy ireo? I Esao ilay mpihaza, ary i Jakoba ilay zazalahy mikarakara ny ondry.

I Esao sy Jakoba no zanakalahy kambana naterak’i Isaka sy Rebeka. I Isaka rainy dia tia an’i Esao aoka izany, satria nahay nihaza izy io ary nitondra nody, sakafo mba hohanin’ny fianakaviana. Fa i Rebeka kosa tia an’i Jakoba, satria zazalahy tony sy nalefaka izy.

Mbola velona i Abrahama raiben’izy ireo tamin’izay, ary azontsika alaina sary an-tsaina fa tian’i Jakoba tokoa ny nihaino azy niresaka ny amin’i Jehovah. Farany dia maty i Abrahama rehefa 175 taona, ary 15 taona ireo zaza kambana tamin’izay.

Rehefa 40 taona i Esao dia nanambady vehivavy roa avy ao amin’ny tany Kanana. Nampalahelo tokoa an’i Isaka sy Rebeka izany, satria tsy nivavaka tamin’i Jehovah ireo vehivavy ireo.

Indray andro àry dia nisy zavatra nahatezitra mafy an’i Esao tamin’i Jakoba rahalahiny. Tonga ny fotoana tokony hanomezan’i Isaka tsodrano ho an’ny lahimatoany. Satria i Esao no zokin’i Jakoba, dia nanantena hahazo an’io tsodrano io izy. Nefa talohan’izay dia efa nivarotra ny zony hahazo ny tsodrano tamin’i Jakoba i Esao. Ary koa, tamin’ny fotoana nahaterahan’ny zaza roa lahy dia nilaza Andriamanitra fa i Jakoba no hahazo ny tsodrano. Ary izany tokoa no nitranga. Nomen’i Isaka an’i Jakoba zanany lahy ny tsodrano.

Tatỳ aoriana, rehefa fantatr’i Esao izany, dia tezitra tamin’i Jakoba izy. Tezitra loatra izy ka nilaza fa hamono an’i Jakoba. Rehefa ren-dRebeka izany, dia natahotra mafy izy. Hoy izy tamin’i Isaka vadiny: ‘Ho loza raha tahiny i Jakoba manambady koa ny iray amin’ireny vehivavy kananita ireny.’

Dia nantsoin’i Isaka àry i Jakoba zanany lahy ka nilazany hoe: ‘Aza manambady vehivavy avy eto Kanana. Fa mandehana mankany amin’ny tranon’i Betoela raibenao any Harana. Manambadia ny iray amin’ireo zanakavavin’i Labana zanany lahy.’

Nihaino ny tenin-drainy i Jakoba, ary avy hatrany dia nanomboka ny dia lavitra nankany amin’ireo havany nonina tany Harana.

Genesisy 25:5-11, 20-34; 26:34, 35; 27:1-46; 28:1-5; Hebreo 12:16, 17.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara