FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 34
  • Karazan-tsakafo Vaovao Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Karazan-tsakafo Vaovao Iray
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Mana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fandraisan-tsoa Amin’ny “Varin’ny Lanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 34

TANTARA 34

Karazan-tsakafo Vaovao Iray

AZONAO lazaina ve izay alain’ny olona eo amin’ny tany? Sahala amin’ny fanala izany, fotsy ary manify sy mivongambongana. Tsy fanala anefa izy io, fa zavatra fihinana.

Vao iray volana izay no nandaozan’ny Israelita an’i Ejipta. Any an’efitra izy ireny. Kely ny sakafo naniry tany, ka dia nitaraina ny olona hoe: ‘Aleonay novonoin’i Jehovah tany Ejipta. Fara faharatsiny dia nanana ny sakafo rehetra nirinay izahay tany.’

Ka dia hoy i Jehovah: ‘Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra.’ Ary izany no nataon’i Jehovah. Ny ampitso maraina, rehefa hitan’ny Israelita io zavatra fotsifotsy nilatsaka io, dia nifanontany izy ireo hoe: ‘Inona itony?’

Hoy i Mosesy: ‘Itony no mofo izay nomen’i Jehovah ho fihinanareo.’ Nantsoin’ny olona hoe MANA izany. Sahala amin’ny mofomamy natao tamin’ny tantely ny tsirony.

‘Tokony hanangona araka izay lanin’ny tsirairay ianareo’, hoy i Mosesy tamin’ny olona. Toy izany no nataony isa-maraina. Avy eo, rehefa nihanafana ny andro, dia niempo ny mana tavela teny amin’ny tany.

Hoy koa i Mosesy: ‘Tsy misy olona tokony hitahiry mana ho an’ny andro manaraka.’ Tsy nihaino anefa ny sasany tamin’ny olona. Fantatrao ve izay nitranga? Ny ampitso maraina dia feno olitra ny mana izay notehiriziny ary nanomboka namofona!

Nisy andro iray tamin’ny herinandro anefa izay nilazan’i Jehovah tamin’ny olona mba hanangona mana avo roa heny. Ny andro fahenina izany. Ary nasain’i Jehovah nitehirizana hatramin’ny andro manaraka izany, satria tsy hampilatsaka amin’izany izy amin’ny andro fahafito. Rehefa nitahiry mana hatramin’ny andro fahafito izy ireo, dia tsy niteraka olitra izany ary tsy maimbo! Fahagagana hafa iray koa izany!

Nandritra ny taona rehetra naha tany an’efitra ny Israelita, dia nofahanan’i Jehovah tamin’ny mana izy ireo.

Eksodosy 16:1-36; Nomery 11:7-9; Josoa 5:10-12.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara