Toko 24
Tanteraka Amim-boninahitra ny Fikasan’i Jehovah
1, 2. a) Inona moa no fikasan’i Jehovah ny amin’ireo zavaboariny manan-tsaina? b) Iza moa no tao anatin’ny fianakavian’Andriamanitra voaforon’ireo mpivavaka aminy tafaray? d) Momba izany, fanontaniana manokana inona moa no mendrika homarihina?
NY ZAVABOARY manan-tsaina rehetra ho tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina ka samy hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra — izany no fikasana feno fahendrena sy fitiavan’i Jehovah. Izany koa no irin’ireo rehetra maniry mafy ny rariny.
2 Nanomboka nanatanteraka io fikasana lehibe io i Jehovah fony izy nanao voalohany ny asa famoronany. Ny zavatra noforoniny voalohany dia Zanakalahy iray, zanaka izay niseho ho ny “famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra”. (Heb. 1:1-3). Tsy nanam-paharoa izy io satria noforonin’Andriamanitra irery ihany. Tamin’ny alalany, dia nanjary nisy zanaka hafa — anjely tany an-danitra aloha, avy eo dia olombelona teto an-tany. (Joba 38:7; Lioka 3:38). Nahaforona fianakaviana iray nanerana izao rehetra izao ireo zanaka rehetra ireo. Ho azy rehetra ireo, dia Andriamanitra i Jehovah, ilay hany tokony hotolorana fanompoam-pivavahana. Izy no Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao. Izy koa no Rain’izy ireo be fitiavana. Moa ve Rainao koa izy, ary moa ve ianao iray amin’ireo zanany? Afaka ny ho fifandraisana sarobidy tokoa izany!
3. a) Nahoana no tsy nisy na dia iray aza tamintsika teraka zanak’Andriamanitra? b) Fandaharana feno fitiavana inona anefa no nataon’i Jehovah ho an’ireo taranak’i Abrahama?
3 Na dia izany aza, dia tsy maintsy ekentsika fa, rehefa nomelohina ho faty ireo ray aman-drenintsika olombelona voalohany noho izy ireo mpanota an-tsitrapo, dia noroahina avy tao Edena izy ireo ka nolavin’Andriamanitra tsy ho zanany intsony. Nitsahatra tsy ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah manerana izao rehetra izao izy ireo. (Gen. 3:22-24; ampitahao amin’ny Deoteronomia 32:4, 5.) Isika rehetra, amin’ny maha-taranak’i Adama mpanota antsika, dia teraka nanana fironana hanota. Koa satria avy amina ray aman-dreny voaroaka avy tao amin’ny fianakavian’Andriamanitra isika, dia tsy afaka mihambo ho zanak’Andriamanitra satria fotsiny hoe teraka olombelona. Fantatr’i Jehovah anefa fa ny sasany amin’ireo taranak’i Adama dia ho tia fahamarinana. Nanao fandaharana tamim-pitiavana àry Izy mba hahafahan’ireo hahatratra ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. — Rom. 8:20, 21, NW.
Ny toerana feno tombontsoa nananan’ny Isiraely
4. a) Niorina tamin’inona ny naha-‘zanak’Andriamanitra’ an’ireo Isiraelita? b) Tsy nidika ho inona izany?
4 Tokony ho 2 500 taona taorian’ny namoronana an’i Adama, dia nanolotra ho an’ny olombelona sasany ny tombontsoa hanana fifandraisana aminy amin’ny maha-zanany azy indray i Jehovah. Araka ilay fanekena nataony tamin’i Abrahama, dia nifidy ny Isiraely mba ho vahoakany i Jehovah. Noho izany, rehefa niresaka tamin’i Faraon’i Egypta izy, dia niantso ny Isiraely hoe “ny zanako”. (Eks. 4:22, 23; Gen. 12:1, 2). Tatỳ aoriana, dia nanome ny Lalàny ho an’ny Isiraely teo amin’ny Tendrombohitra Sinay izy, nanao azy ho firenena ary nampiasa azy nifandray tamin’ny fikasany. Raha raisina amin’ny maha-firenena azy izy ireo, satria hoe ‘voafidy ho rakitra soa’ ho an’i Jehovah, dia resahina ho toy ny ‘zanak’Andriamanitra’. (Deot. 14:1, 2; Isaia 43:1). Ambonin’izany, noho ny fifampiraharahany tamin’ny fomba manokana tamin’ny mpikambana sasany tamin’io firenena io, dia niresaka azy ireo ho toy ny zanany i Jehovah. (1 Tant. 22:9, 10). Io toerana notanan’izy ireo io dia niorina tamin’ny fifandraisam-panekena tamin’Andriamanitra. Tsy nilaza anefa izany fa nanana ilay fahafahana be voninahitr’i Adama fony izy mbola zanak’Andriamanitra, izy ireo. Mbola teo ambanin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana ihany izy ireo.
5. Tamin’ny fomba ahoana no namoizan’ny Isiraely ny toerana manokana nananany teo anatrehan’Andriamanitra?
5 Na dia izany aza, tamin’ny naha-zanaka azy ireo, dia nanana toerana feno tombontsoa teo imason’Andriamanitra izy ireo. Nanana ny andraikitra hanaja ny Rainy sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny fikasany koa izy ireo. Nanamafy ny naha-zava-dehibe ny hanatanterahan’izy ireo izany adidy izany i Jesosy — tsy tamin’ny fihamboana ho nanana an’Andriamanitra ho Rainy fotsiny, fa tamin’ny ‘fisehoana marina’ ho zanany. (Matio 5:43-48, NW; Mal. 1:6). Tsy nanao izany anefa ireo Jiosy, tamin’ny naha-firenena azy ireo. Noho izany, nandritra ny taona farany nanaovan’i Jesosy ny fanompoany teto an-tany, rehefa nilaza ireo Jiosy nitady hamono an’i Jesosy hoe “Iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany”, dia nilaza tamin’ny fomba hentitra i Jesosy fa ny zavatra nataony sy ny toe-tsaina nasehony dia nandiso izany fihamboana izany. (Jaona 8:41, 44, 47). Tamin’ny taona 33 am.f.i., dia nofaranan’Andriamanitra ny faneken’ny Lalàna, ary nifarana koa ny fototra niorenan’ilay fifandraisana manokana nananan’ny Isiraely. Kanefa, i Jehovah dia tsy nitsahatra nanana olona izay nekeny ho zanany teo anivon’ny olombelona.
Mampiray ny vahoakany i Jehovah
6. “Fitondrana” inona no noresahin’i Paoly ao amin’ny Efesiana 1:9, 10, ary inona no zava-kendren’izy io?
6 Nanoratra ho an’ireo Kristiana tany Efesosy momba ny fandaharan’i Jehovah mba hampiraisana ny vahoakany ny apostoly Paoly — dia fandaminan-javatra ataon’Andriamanitra mba hahafahan’ireo izay maneho finoana ho tonga mpikambana maminy tokoa ao amin’ny ankohonany. Izao no nolazainy: “Nampahafantarin[’Andriamanitra] ny zava-miafina ny amin’ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany, hahatanterahany ny fitondrana [fitantanana ankohonana] hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany”. (Efes. 1:9, 10). Io “fitondrana” io dia miorina amin’i Jesosy Kristy. Amin’ny alalany, dia tarihina hanana toeram-pankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra ny olombelona — ny sasany mba ho any an-danitra; ny hafa kosa ho eto an-tany — mba hiara-manompo amim-piraisan-tsaina amin’ireo anjely zanak’Andriamanitra izay tsy nivadika tamin’i Jehovah.
7. Inona moa ireo ‘zavatra any an-danitra’, ary midika ho inona ho azy ireo ny fanangonana azy ireo?
7 Voalohany aloha, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i., dia nampifantohana tamin’ireo ‘zavatra any an-danitra’ ny saina, izany hoe ireo mpiara-mandova amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Nohamarinin’Andriamanitra izy ireo, noho ny finoany ny soron’i Jesosy. (Rom. 5:1, 2). Avy eo dia ‘nateraka indray’ izy ireo, na koa hoe nateraka ho zanak’Andriamanitra mba hanana fiainana any an-danitra. (Jaona 3:3; 1:12, 13). Tamin’ny naha-firenena ara-panahy azy ireo, dia nanao fanekena vaovao taminy Andriamanitra. Tatỳ aoriana, dia samy tafiditra tao amin’izany na ny Jiosy na ny Jentilisa, ary ho 144 000 ny tontalin’isan’izy ireo. — Gal. 3:26-29; Apok. 14:1.
8. Manao ahoana ny fifandraisan’ireo mpandova ilay Fanjakana amin’ny Ray raha ampitahaina amin’ny an’ireo Jiosy teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy?
8 Na dia mbola tsy tanteraka ao amin’ny nofo aza ny sisa amin’ireo mpandova ilay Fanjakana any an-danitra ireo, dia manana fifandraisana sarobidy sy akaiky amin’ny Rainy. Momba izany, dia hoy ny nosoratan’i Paoly: “Ary satria zanaka hianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. Ka dia tsy mpanompo intsony hianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’Andriamanitra.” (Gal. 4:6, 7). Io teny arameana hoe “Abba” io dia midika hoe “ray”, kanefa fomba fiteny mampiseho fitiavana izy io — dia ilay karazany iantsoan’ny zazakely iray ny rainy. Noho ny fahambonian’ny soron’i Jesosy sy noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory, ireo Kristiana voahosotry ny fanahy ireo dia manana fifandraisana amin’Andriamanitra izay akaiky kokoa noho izay nety ho nananan’olombelona tsy tanteraka teo ambanin’ny Lalàna. Kanefa ny miandry azy ireo dia mbola mahatalanjona kokoa noho izany aza.
9. Inona no hevitry ny hoe tanteraka amin’ny fomba feno ny maha-zanaka azy?
9 Raha miseho ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana izy ireo, dia tanteraka amin’ny fomba feno ny maha-zanaka azy amin’ny fitsanganany amin’ny maty ho amin’ny tsy fahafatesana ao amin’ny fiainana any an-danitra. Any izy ireo, dia hanana ny tombontsoa hiara-manompo amim-piraisan-tsaina eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy. Vitsy ihany amin’ireo zanak’Andriamanitra ireo no mbola eto an-tany. — Rom. 8:14, 23; 1 Jaona 3:1, 2.
Ny fanangonana ireo ‘zavatra etỳ an-tany’
10. a) Inona moa ireo ‘zavatra etỳ an-tany’, ary nanomboka oviana izy ireo no nangonina mba ho tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana? b) Inona no fifandraisan’izy ireo amin’i Jehovah?
10 Io “fitondrana” io, izay mahatonga hety ny fanangonana olombelona hiditra ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra mba hiaina any an-danitra, dia mampitodika ny sainy koa any amin’ireo ‘zavatra etỳ an-tany’. Nanomboka tamin’ny 1935 indrindra no nisy olona nanam-pinoana ny soron’i Kristy nangonina mba hanana fiainana mandrakizay eto an-tany. Miray hina amin’ny sisa amin’ny kilasin’ireo voahosotra izy ireo mba hankalaza ny anaran’i Jehovah sy hanandratra ny fanompoam-pivavahana aminy. (Zef. 3:9; Isaia 2:2, 3). Amim-panajana lalina, ireo koa dia miantso an’i Jehovah hoe “Ray”, noho ny fanekeny azy ho Loharanon’ny fiainana, ary miezaka amim-pahatsorana hanome taratry ny toetrany araka ny antenainy hataon’ny zanany. Mitana toeram-pankasitrahana eo anatrehany izy ireo, miorina amin’ny finoany ny ra nalatsak’i Jesosy. (Matio 6:9; Apok. 7:9, 14). Kanefa fantany fa mbola tsy maintsy miandry any aoriana izy vao hahatsapa ny fifaliana ny heken’Andriamanitra amin’ny fomba feno ho toy ny zanany.
11. a) Fampanantenana inona no atolotry ny Romana 8:19-21 ho an’ny olombelona? b) Inona moa ilay “fampiharihariana ny zanak’Andriamanitra” andrasan’izy ireo amim-pahadodonana?
11 Araka ny asehon’ny Romana 8:19-21 (NW ), dia miandry amim-pahadodonana ny “fampiharihariana ireo zanak’Andriamanitra” izy ireo. Ho tonga amin’izay mantsy ny fotoana ‘hamotsorana ireo zavaboary olombelona amin’ny fahandevozan’ny fahalovana’. Izany “fampiharihariana” izany dia hiseho rehefa ho hitan’ny olombelona eto an-tany ny porofo fa nanomboka nanao ny asany amin’ny maha-mpiara-miasa amin’i Jesosy Kristy, ny Tompony nomem-boninahitra, ireo zanak’Andriamanitra voahosotry ny fanahy izay nahazo ny valisoany any an-danitra. Izany dia hiseho amin’ny fandringanana ny fandehan-javatra ratsy manontolo, harahin’ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy hotarihiny miaraka amin’ireo “zanak’Andriamanitra” ireo izay ho mpanjaka sy mpisorona. — Apok. 2:26, 27; 20:6.
12. Aorian’ny fahoriana lehibe, hira fiderana inona no hiraisan’ireo zanak’Andriamanitra voahosotry ny fanahy nahazo fandresena, ary midika ho inona izany?
12 Endre izany ho haravoana rehefa ho lasa ny fahoriana lehibe ka hiray feo ireo zanak’Andriamanitra ireo izay nampiraisina tamin’i Kristy mba hidera an’Andriamanitra, ka hanambara amim-pifaliana hoe: “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, [Jehovah, NW ] ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, [Jehovah, NW ] ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao”! (Apok. 15:3, 4). Eny, ny taranak’olombelona rehetra, voaforon’olona avy amin’ny firenena taloha rehetra, dia ho tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra marina. Na dia ireo ao amin’ny fasam-pahatsiarovana aza dia hatsangana amin’ny maty ka homena ny fahafahana hampiray ny feony amin’ny an’ny hafa mba hidera an’i Jehovah.
13. Fahafahana mahatalanjona inona no ho azon’ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe avy hatrany?
13 Tsy ho “andriamanitr’izao tontolo izao” intsony i Satana Devoly. Tsy ho voatery hifanehatra amin’ny fitaomany feno haratsiam-panahy intsony ireo mpivavaka amin’i Jehovah. (2 Kor. 4:4; Apok. 20:1-3). Tsy hampiseho an’ilay Andriamanitsika be fitiavana amin’ny fomba diso na hampisaratsaraka ny olombelona intsony ny fivavahan-diso. Tsy hiharan’ny tsy rariny na ny fanararaotan’ireo manam-pahefana ao amin’ny fitondram-panjakana intsony ireo mpanompon’ilay Andriamanitra marina. Ho fahafahana hahatalanjona toy inona moa izany ho an’ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe!
14. Amin’ny alalan’inona no hanafahana azy ireo amin’ny ota sy ny vokany rehetra?
14 Amin’ny maha-“Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” azy, i Jesosy Kristy dia hampihatra ny vidin’ny sorona nataony mba hanafoanana tanteraka ireo otan’ny olombelona taloha. (Jaona 1:29). Teto an-tany, rehefa nilaza i Jesosy fa voavela ny otan’ny olona iray, dia nanasitrana niaraka tamin’izany ilay voavela heloka koa izy ho porofon’izany. (Matio 9:1-7). Mitovy amin’izany koa, avy any an-danitra izy dia hanao fahagagana ka hanasitrana ireo jamba, ireo marenina, ireo moana, ireo kilemaina ara-batana, ireo sembana ara-tsaina ary ireo hafa rehetra voan’ny aretina. Miandalana, noho ny faneken’izy ireo amim-pahatokiana hovolavolain’ireo lalana marin’Andriamanitra, dia hofoanana tanteraka ao amin’ireo rehetra maniry izany sy mankatò, ny “lalàn’ny ota”. Ho vokatr’izany, dia hankasitrahan’ny tenany sy Andriamanitra ny zavatra rehetra hataony, ny eritreriny ary ny fanirian’ny fony. (Rom. 7:21-23; ampitahao amin’ny Isaia 25:7, 8 sy Apokalypsy 21:3, 4.) Alohan’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona, dia hampiana izy ireo hahatratra ny fahatanterahan’olombelona. Ho nafahana tanteraka tamin’ny ota sy ireo vokany mampalahelo rehetra izy ireo. Hanome taratry ny ‘endrik’Andriamanitra sy ny tarehiny’ araka ny tokony ho izy eo anivon’ny Paradisa an-tany iray izay hanarona ny planeta manontolo, izy ireo. — Gen. 1:26.
15. Amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona, inona no hataon’i Kristy, ary noho ny zava-kendrena inona?
15 Rehefa ho avy nitondra ny olombelona ho amin’ny fahatanterahana i Kristy, dia haveriny amin’ny Rainy ny fahefana izay nomena azy mba hanatanterahany io asa io. Nilaza izany mialoha toy izao ny 1 Korintiana 15:28: “Rehefa nampanekena Azy [ny Zanaka] ny zavatra rehetra, dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.”
16. Handalo inona amin’izay ny olombelona tonga lavorary rehetra, ary nahoana?
16 Amin’izay ny olombelona tonga lavorary dia homena ny fahafahana hampiseho fa ny safidiny tsy azo ovana dia ny hanompo mandrakizay an’ilay hany Andriamanitra velona sy marina. Noho izany, alohan’ny handraisana azy ireo ho zanany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, dia hampandalo ireo olombelona tonga lavorary rehetra ireo amin’ny fitsapana farany amin’ny fomba feno i Jehovah. Hovahana avy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Satana sy ireo demoniany. Tsy hiteraka fahavoazana maharitra ho an’ireo izay tia marina an’i Jehovah izany. Fa izay rehetra manaiky ho voatarika tsy hankatò an’i Jehovah kosa dia horinganina mandrakizay miaraka amin’ilay mpikomy tany am-boalohany sy ireo demoniany. — Apok. 20:7-10.
17. Ho fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah, tarehin-javatra manao ahoana no ho hita indray eo amin’ny zavaboariny manan-tsaina rehetra?
17 Amin’izay i Jehovah dia handray amim-pitiavana ho toy ny zanany amin’ny alalan’i Kristy, ireo olombelona tonga lavorary rehetra izay nahatohitra io fitsapana farany ho fanapahan-javatra io. Amin’izay izy ireo dia handray anjara feno amin’ny “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. (Rom. 8:21, NW ). Rehefa ela ny ela dia ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra tafaray manerana izao rehetra izao izy ireo. Ho azy rehetra ireo, dia i Jehovah no ho hany Andriamanitra, ilay Tompom-piandrianana sady Rainy be fitiavana mandrakizay. Amin’izay ny zavaboary manan-tsainan’i Jehovah rehetra, any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ho tafaray indray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina.
Famerenana
● Talohan’ny fikomiana tany Edena, fifandraisana tamin’i Jehovah inona no nananan’ny mpivavaka taminy rehetra?
● Andraikitra inona no tokony hiantsorohan’ireo zanak’Andriamanitra rehetra?
● Iza moa no zanak’Andriamanitra amin’izao andro izao? Iza no ho tonga zanak’Andriamanitra, ary amin’ny ahoana izany no mifandray amin’ny fikasan’i Jehovah ny amin’ny firaisan-tsaina ao amin’ny fanompoam-pivavahana?