Toko 23
Loza Faharoa: Miaramila Mitaingin-tsoavaly
1. Inona no nitranga, na dia niezaka namono an’ireo valala aza ny mpitondra fivavahana, ary midika ho inona ny fahatongavan’ny loza roa hafa?
NAMPAHORY ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana ny fanafihan’ireo valala an’ohatra, nanomboka tamin’ny 1919. Nandraman’izy ireo novonoina ireo valala, nefa vao mainka natanjaka. (Apokalypsy 9:7) Tsy izay ihany anefa! Hoy i Jaona: “Lasa ny loza iray. Indro, misy loza roa hafa koa ho avy aorian’izany.” (Apokalypsy 9:12) Hisy loza hafa mampijaly kokoa miandry ny Kristianisma Anarana.
2. a) Inona no nitranga, rehefa nitsoka ny trompetrany ilay anjely fahenina? b) Inona ilay “feo avy teo amin’ny tandroky ny alitara volamena”? d) Nahoana no anjely efatra no resahina eo?
2 Avy aiza ilay loza faharoa? Hoy i Jaona: “Ary nitsoka ny trompetrany ny anjely fahenina, dia nahare feo avy teo amin’ny tandroky ny alitara volamena izay teo anatrehan’Andriamanitra aho. Hoy ilay feo tamin’ilay anjely fahenina nanana ny trompetra: ‘Mba vahao ny anjely efatra mifatotra eo amin’i Eofrata, ilay renirano lehibe.’ ” (Apokalypsy 9:13, 14) Nafahana ireo anjely, noho ilay feo avy teo amin’ny tandrok’ilay alitara volamena. Ilay alitara volamena fandoroana emboka manitra io. Efa indroa no voalaza fa mifandray amin’ny vavaky ny olona masina ny emboka manitra ao anatin’ireo vilia volamena teo amin’io alitara io. (Apokalypsy 5:8; 8:3, 4) Tsy inona àry ilay feo fa ny vavak’ireo olona masina eto an-tany. Miangavy izy ireo mba havela hiasa mafy ho mpitondra hafatr’i Jehovah. Izany no antony iantsoana azy ireo hoe “anjely”, na “mpitondra hafatra”, araka ny teny grika tany am-boalohany. Nahoana no anjely efatra no resahina eo? Io isa io dia toa milaza fa hotorina eran’ny tany manontolo ilay hafatra, satria ho voalamina tsara ny asa fitoriana.—Apokalypsy 7:1; 20:8.
3. Nahoana no lazaina fa “mifatotra eo amin’i Eofrata, ilay renirano lehibe” ireo anjely efatra?
3 Nahoana no lazaina fa “mifatotra eo amin’i Eofrata, ilay renirano lehibe” ireo anjely? Ny Reniranon’i Eofrata fahiny no teo amin’ny sisiny avaratratsinanan’ny tany nampanantenain’i Jehovah an’i Abrahama. (Genesisy 15:18; Deoteronomia 11:24) Toy ny hoe voafatotra teo amin’ny sisin’ny tany, na faritra nomen’Andriamanitra iasany àry ireo anjely, ka tsy afaka nanao tamin’ny fomba feno ilay fitoriana nasain’i Jehovah nataony. Namakivaky ny tanànan’i Babylona koa ny ony Eofrata. Toy ny hoe ‘nifatotra teo amin’ny Eofrata, ilay renirano lehibe’ àry ny Israelita fahiny, rehefa babo nandritra ny 70 taona tany Babylona, taorian’ny naharavan’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. (Salamo 137:1) Babo toy izany koa ny Israely ara-panahy tamin’ny 1919, sady kivy ka nangataka ny fitarihan’i Jehovah.
4. Nirahina hanao inona ireo anjely efatra, ary ahoana no nahatanteraka izany?
4 Soa ihany fa nilaza i Jaona hoe: “Ary novahana ireo anjely efatra, izay efa voaomana ho amin’izany ora sy andro sy volana sy taona izany, mba hamono hahafaty ny ampahatelon’ny olona.” (Apokalypsy 9:15) Mpametra Fotoana hentitra i Jehovah. Manana fandaharam-potoana izy, ary manaraka izany tsara. Nafahana ara-potoana tsara àry ireo mpitondra hafatra, mba hanatanteraka ny asany. Alao sary an-tsaina ny fifalian’izy ireo, rehefa afaka tamin’ny fahababoana ara-panahy tamin’ny 1919, ary vonona hiasa! Nirahina hampijaly sy “hamono hahafaty ny ampahatelon’ny olona” mihitsy izy ireo. Izany dia mifandray amin’ireo loza nambaran’ny trompetra efatra voalohany, izay namely ny ampahatelon’ny tany, ny ranomasina, ny zavaboary any an-dranomasina, ny loharano sy renirano, ary ny fahazavana eny amin’ny lanitra. (Apokalypsy 8:7-12) Tsy izay ihany anefa no nataon’ireo anjely efatra. ‘Namono ho faty’ izy ireo, izany hoe nampiharihary tanteraka fa maty ara-panahy ny Kristianisma Anarana. Nahatanteraka izany ireo fanambarana toy ny feona trompetra, nanomboka tamin’ny 1922 ka hatramin’izao.
5. Inona no vokatry ny fitsofana ilay trompetra fahenina tamin’ny 1927, mahakasika ny Kristianisma Anarana?
5 Tadidio fa vao avy nampaneno ny trompetra fahenina ilay anjely tany an-danitra. Vokatr’izany, dia nisy fivoriambe iraisam-pirenena fahenina, nataon’ny Mpianatra ny Baiboly, tany Toronto, any Kanada. Nalefa nivantana tamin’ny radio 53 ny fandaharana ny alahady 24 Jolay 1927. Mbola tsy nisy radio be dia be niara-nandefa fandaharana toy io mihitsy taloha. An-tapitrisany no azo inoana fa nandre ilay hafatra. Nisy fanapahan-kevitra lehibe aloha nampiharihariana fa maty ara-panahy ny Kristianisma Anarana. Avy eo dia natao izao fanasana izao: ‘Asain’i Jehovah Andriamanitra ny olona, amin’izao fotoana mahavery hevitra izao, mba hanadino sy hiala tanteraka amin’ny Kristianisma Anarana. Manasa azy ireo kosa izy mba ho tia tanteraka sy hanaja an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Mpanjakany ary ny fanjakany.’ Nanao lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Fahafahana ho An’ny Vahoaka” i J. Rutherford taorian’io. Ny hafanam-pony tamin’izany dia mifanitsy amin’ny “afo sy ny setroka ary ny solifara” hitan’i Jaona nanaraka, tao amin’ny fahitana.
6. Inona no nolazain’i Jaona momba an’ireo miaramila mitaingin-tsoavaly?
6 ‘Ary roa alina ampitomboina iray alina no isan’ny miaramila mitaingin-tsoavaly: Reko ny isany. Ary toy izao no nahitako ireo soavaly tao amin’ilay fahitana sy izay nitaingina azy: Nanana fiarovan-tratra mena toy ny afo sy manga toy ny safira ary mavo toy ny solifara ireo nitaingina azy, ary ny lohan’ny soavaly dia tahaka ny lohan’ny liona, ary nisy afo sy setroka sy solifara nivoaka avy tamin’ny vavany. Ireto loza telo ireto no namonoana ho faty ny ampahatelon’ny olona, dia avy tamin’ny afo sy ny setroka ary ny solifara nivoaka avy tamin’ny vavan’ny soavaly.’—Apokalypsy 9:16-18.
7, 8. a) Miriotra eo ambany fitarihan’iza ireo mpitaingin-tsoavaly? b) Inona no itovizan’ireo mpitaingin-tsoavaly amin’ireo valala teo alohany?
7 Miriotra eo ambany fitarihan’ireo anjely efatra, ireo mpitaingin-tsoavaly ireo. Mampahatahotra tokoa izany! Ahoana no hataonao, raha ianao no hotafihin’izy ireo? Mampahatahotra, na dia ny endrik’izy ireo fotsiny aza. Voamarikao ve anefa fa misy itovizana ireo soavaly sy ireo valala teo alohany? Toy ny soavaly ireo valala, fa tena soavaly kosa no itaingenan’ireo miaramila. Samy manao ady ho an’i Jehovah àry izy ireo. (Ohabolana 21:31) Manana nify toy ny an’ny liona ireo valala, fa manan-doha toy ny an’ny liona kosa ireo soavaly. Samy mifandray amin’ilay Liona be herim-po avy amin’ny fokon’i Joda, dia i Jesosy Kristy àry izy ireo, satria izy no Mpitarika sy Modely ary Lehiben’izy ireo.—Apokalypsy 5:5; Ohabolana 28:1.
8 Samy mandray anjara amin’ny fitsaran’i Jehovah ireo valala sy ireo soavaly. Avy ao anaty setroka ireo valala, ka midika izany fa hiharan-doza sy haringana amin’ny afo ny Kristianisma Anarana. Nisy afo sy setroka ary solifara kosa avy teo am-bavan’ireo soavaly. Nanao fiarovan-tratra vy ireo valala, ka midika izany hoe miaro ny fon’izy ireo ny fifikirany mafy amin’ny fahitsiana. Manao fiarovan-tratra miloko mena sy manga ary mavo kosa ireo mpitaingin-tsoavaly, ka izany dia mifanitsy amin’ny afo sy setroka ary solifara, na ny hafatra momba ny fandringanana lazain’ny vavan’izy ireo. (Ampitahao amin’ny Genesisy 19:24, 28; Lioka 17:29, 30.) Nanana rambo toy ny maingoka ireo valala, mba hampijaliana, fa nanana rambo toy ny bibilava kosa ireo soavaly mba hamonoana ho faty! Toa ny asa natombok’ireo valala no hohamafisin’ireo mpitaingin-tsoavaly sy hovitainy.
9. Iza ireo miaramila mitaingin-tsoavaly?
9 Iza àry ireo miaramila mitaingin-tsoavaly ireo? Nanomboka nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny Kristianisma Anarana ireo voahosotra toa an’i Jaona, sady nomena fahefana ‘hanindrona sy hampanaintaina.’ Izy ireo koa àry no azo inoana fa hampiasaina ‘hamono ho faty’, izany hoe hanambara fa maty ara-panahy tanteraka ny Kristianisma Anarana sy ny mpitondra fivavahany, sady nolavin’i Jehovah, ka mendrika horinganina mandrakizay ao amin’ny “lafaoro mirehitra.” Tsy maintsy ho ringana tokoa i Babylona Lehibe manontolo. (Apokalypsy 9:5, 10; 18:2, 8; Matio 13:41-43) Mampiasa ny “sabatry ny fanahy, izany hoe ny Tenin’Andriamanitra” anefa ireo voahosotra, alohan’ilay fandringanana, mba hampiharihariana fa maty ara-panahy ny Kristianisma Anarana. Ireo anjely efatra sy ireo mpitaingin-tsoavaly no mitarika an’izany famonoana ho faty ny “ampahatelon’ny tany” izany. (Efesianina 6:17; Apokalypsy 9:15, 18) Midika izany fa voalamina tsara sy manaraka toromarika ireo mpitory ilay Fanjakana vonona ho amin’ny ady, eo ambany fahefan’i Jesosy Kristy Tompo.
Roa alina ampitomboina iray alina
10. Nahoana no lazaina hoe nisy roa alina ampitomboina iray alina ireo miaramila mitaingin-tsoavaly?
10 Nahoana no lazaina fa roa alina ampitomboina iray alina ireo miaramila mitaingin-tsoavaly? Misy 200 tapitrisa izy ireo, raha izay no jerena.a Marina fa an-tapitrisany izao ny mpitory ilay Fanjakana. Tsy 200 tapitrisa izy ireo, na izany aza! Tadidio anefa ny tenin’i Mosesy ao amin’ny Nomery 10:36, hoe: “Miverena, Jehovah ô, ho amin’ny Isiraely tsy omby alinalina.” (Ampitahao amin’ny Genesisy 24:60.) Raha adika ara-bakiteny izany dia hoe ‘Miverena ho amin’ny Israely am-polony tapitrisa.’ Roa na telo tapitrisa monja anefa ny Israely tamin’ny andron’i Mosesy. Inona àry no tian’i Mosesy nolazaina tamin’ny hoe “alinalina”? Tsaroany angamba fa tsy ho hita isa ny Israely, sahala amin’ny “kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina.” (Genesisy 22:17; 1 Tantara 27:23) Nampiasa ilay teny hoe “alinalina” àry izy mba hanondroana isa maro, nefa tsy voafetra. Izany no antony andikan’ny Baiboly Anglisy Vaovao an’io andininy io hoe: “Mijanòna, TOMPO, amin’ireo an’arivony tsy hita isa eo amin’ny Israely.” Mitovy amin’izany ny famaritana omen’ny diksionera grika sy hebreo an’ilay teny nadika hoe “alinalina” eto, dia ny hoe “vahoaka tsy hita isa”, na “vahoaka maro be.”—Diksionera Grika-Anglisy Momba ny Testamenta Vaovao Nataon’i Thayer; Diksionera Hebreo-Anglisy Momba ny Testamenta Vaovao, nataon’i Gesenius, ary nadikan’i Edward Robinson.
11. Inona no ilaina mba hahatonga an’ireo voahosotra toa an’i Jaona hahafeno an’ilay isa ao amin’ny Apokalypsy, na dia tsy ara-bakiteny aza io isa io?
11 Latsaka ny iray alina anefa ireo voahosotra toa an’i Jaona mbola eto an-tany, izany hoe vitsy lavitra noho ilay isa ao amin’ny Apokalypsy. Nahoana àry izy ireo no ampitahaina amin’ny mpitaingin-tsoavaly tsy hita isa? Mbola mila olona fanampiny ihany izy ireo na tsy raisina ara-bakiteny aza ilay isa. Tena tsara fanahy tamin’izy ireo i Jehovah, ka nanome olona fanampiny. Iza anefa izany?
12, 13. Inona no nitranga tamin’ny 1918 hatramin’ny 1935, ka manondro an’ireo olona fanampin’ireo voahosotra?
12 Noresahin’ny voahosotra tamin’ny 1918 hatramin’ny 1922 ilay fanantenana ho an’ny olona mijaly, hoe “olona an-tapitrisany velona ankehitriny no tsy ho faty mihitsy.” Nampahafantarina tamin’ny 1923 koa fa hiaina eto an-tany eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo ondry ao amin’ny Matio 25:31-34. Niresaka momba izany fanantenana izany koa ny bokikely Fahafahana ho An’ny Vahoaka, navoaka tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1927. Nolazaina taoriana kelin’ny 1930 fa ireo ondry hiaina eto an-tany ihany no Jonadaba olo-marina, sy ireo ‘olona misento sy mitaraina’ noho ny aretina ara-panahin’ny Kristianisma Anarana. (Ezekiela 9:4; 2 Mpanjaka 10:15, 16) Natoro azy ireny fa ny fandaminan’Andriamanitra no toy ny “tanàna fandosirana” ankehitriny. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1934 momba izany: “Nandre ny trompetran’Andriamanitra ireo Jonadaba, ary nanaraka ilay fampitandremana, ka nandositra ho ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra miaraka amin’ny vahoakany, ary tsy maintsy mijanona ao.”—Nomery 35:6.
13 Nasaina manokana ireo Jonadaba, tamin’ny 1935 mba hanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Washington, any Etazonia. Nanao ilay lahateny nalaza hoe “Ny Vahoaka Be” i Rutherford, ny zoma 31 Mey. Nolazainy mazava fa ireo ondry ao amin’ny Matio 25:33 ihany io antokon’olona resahin’ny Apokalypsy 7:9 io, dia ireo olona vita fanoloran-tena, hiaina eto an-tany. Nisy 840 ny Vavolombelona natao batisa tamin’io, ka anisan’ny vahoaka be ny ankamaroany.b Santatry ny fitomboana ho avy izany.
14. Nandray anjara tamin’ny fanafihan’ireo miaramila mitaingin-tsoavaly ve ny vahoaka be, ary inona no fanapahan-kevitra nambara tamin’ny 1963?
14 Nanomboka nanafika ireo miaramila mitaingin-tsoavaly tamin’ny 1922, ary nanamafy izany ilay fivoriambe tany Toronto tamin’ny 1927. Nandray anjara tamin’io fanafihana io ve ny vahoaka be? Izany tokoa, teo ambany fitarihan’ireo anjely efatra na ireo voahosotra toa an’i Jaona, izy ireo! Niara-nandany fanapahan-kevitra iray lehibe tamin’ireo voahosotra izy ireo, tamin’ny fivoriambe “Vaovao Tsara Mandrakizay”, natao tamin’ny faritra maro eran-tany tamin’ny 1963. Nolazaina tamin’io fa izao tontolo izao dia “hiatrika horohoron-tany lehibe mbola tsy nisy hatrizay, ka ho rava tanteraka ny rafitra ara-politika rehetra sy Babylona na ny fivavahan-diso ankehitriny.” Izao no fanapahan-kevitra tamin’izay: “Hambarantsika amin’ny olona tsy an-kanavaka foana ny ‘vaovao tsara mandrakizay’ momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny didim-pitsarany. Ho loza ho an’ny fahavalony izany, fa hanafaka an’ireo rehetra te hivavaka amin’ny mpamorona araka fanahy sy ny fahamarinana kosa.” Nanaiky tamin-kafanam-po an’io fanapahan-kevitra io ny mpanatrika ireo fivoriambe 24 eran-tany. Nisy 454 977 ny tontalin’izy ireo, ka anisan’ny vahoaka be ny 95 isan-jatony.
15. a) Firy isan-jaton’ny mpitory nampiasain’i Jehovah teny amin’ny saha ny vahoaka be, tamin’ny 2005? b) Ahoana no ilazan’ny vavak’i Jesosy ao amin’ny Jaona 17:20, 21 ny firaisan-tsain’ny vahoaka be sy ny voahosotra?
15 Miaraka tanteraka amin’ny voahosotra foana ny vahoaka be, ka manambara ireo loza ho an’ny Kristianisma Anarana. Anisan’io vahoaka be io ny 99,8 isan-jaton’ireo mpitory nampiasain’i Jehovah teny amin’ny saha, tamin’ny 2005. Miray saina tanteraka amin’ny voahosotra izy ireo, araka ny vavaka nataon’i Jesosy ao amin’ny Jaona 17:20, 21 manao hoe: “Tsy ho an’ireto ihany anefa no angatahako fa ho an’izay mino ahy noho ny teniny, mba ho iray izy rehetra, tahaka anao Ray izay tafaray amiko, ary izaho tafaray aminao, mba ho tafaray amintsika koa izy ireo, ka hinoan’izao tontolo izao fa ianao no naniraka ahy.” Ny voahosotra no mitarika eo ambany fiahian’i Jesosy, ary mazoto manaraka azy ireo ny vahoaka be, amin’ilay fanafihana lehibe indrindra ataon’ny miaramila mitaingin-tsoavaly!c
16. a) Ahoana no ilazan’i Jaona ny vava sy ny rambon’ireo soavaly? b) Ahoana no nanomanan’i Jehovah ny vahoakany mba hananan’izy ireo ny “lelan’ny efa mahay”? d) Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘rambo toy ny bibilava’?
16 Mila fitaovam-piadiana ireo mpitaingin-tsoavaly ireo. Nanome izany tokoa i Jehovah! Hoy i Jaona: “Fa teo amin’ny vavany sy ny rambony no nisy ny fahefany, satria ny rambony dia toy ny bibilava sady nanan-doha, ary nentiny nampahory izany.” (Apokalypsy 9:19) Notendren’i Jehovah hanao io fanompoana io ny mpanompony vita fanoloran-tena sy batisa. Nampianariny azy ireo tamin’ny alalan’ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny fivoriana hafa ny fomba fitoriana, mba hananan’izy ireo ny “lelan’ny efa mahay”, ka hitenenany toy izay manana fahefana. Nataony teo am-bavan’izy ireo ny teniny, ary nirahiny izy ireo hampahafantatra ny didim-pitsarany “ampahibemaso sy isan-trano.” (2 Timoty 4:2; Isaia 50:4; 61:2; Jeremia 1:9, 10; Asan’ny Apostoly 20:20) Nametraka Baiboly, boky, bokikely, ary gazety an’arivony tapitrisa ny voahosotra sy ny vahoaka be, nandritra ny taona maro. Nirakitra hafatra manindrona izy ireny, ka izany no mifanitsy amin’ilay ‘rambo toy ny bibilava.’ Toa roa alina ampitomboina iray alina tokoa ireo miaramila mitaingin-tsoavaly ireo, ho an’ny fahavalo izay ampahafantarina momba ilay ‘fahoriana’ avy amin’i Jehovah.—Ampitahao amin’ny Joela 2:4-6.
17. Tsy afaka mizara boky ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany andrarana ny asa. Mandray anjara amin’ilay fanafihana ve izy ireo? Hazavao.
17 Anisan’ny miaramila mazoto indrindra ireo Kristianina any amin’ny tany andrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Toy ny ondry eo afovoan’ny amboadia izy ireo, ka tsy maintsy “malina tahaka ny bibilava, nefa tsy hanan-tsiny tahaka ny voromailala.” Mankatò an’i Jehovah izy ireo, ka tsy azony atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitany sy reny. (Matio 10:16; Asan’ny Apostoly 4:19, 20; 5:28, 29, 32) Tsy mandray anjara amin’ilay fanafihana ve izy ireo, satria vitsy na tsy misy mihitsy ny boky zarainy? Tsy izany velively! Manana vava izy ireo, sady nomen’i Jehovah fahefana hanambara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Manao izany tsy ara-potoana izy ireo, ary mahay mandresy lahatra olona mba hianatra ny Baiboly, ka “mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana.” (Daniela 12:3) Tsy manindrona amin’ny rambony izy ireo, izany hoe tsy mametraka boky misy hafatra manindrona. Mitory ny andro famalian’i Jehovah anefa izy ireo, na malina sy mandanjalanja aza, ka toy ny hoe misy afo sy setroka ary solifara avy amin’ny vavany.
18. Boky firy, tamin’ny fiteny firy, no namoahan’ireo miaramila mitaingin-tsoavaly an’ilay hafatra milaza loza?
18 Any amin’ny tany tsy misy fandrarana kosa, dia ahariharin’ireo boky ara-baiboly fa mendrika ‘hampahorina’ ny Kristianisma Anarana, satria avy any Babylona ny foto-pinoany sy ny fanaony. Nampiasa fanontam-pirinty maoderina ireo miaramila mitaingin-tsoavaly, ka namoaka Baiboly, boky, gazety, ary bokikely, tamin’ny fiteny 450 mahery, nandritra ireo 68 taona talohan’ny 2005. Nizara an’arivony tapitrisa tamin’izany izy ireo, izany hoe nihoatra lavitra ny roa alina ampitomboina iray alina. Toy ny rambo manindrona mafy tokoa izany!
19, 20. a) Ny Kristianisma Anarana no tena nasian’ireo hafatra mitondra loza. Ahoana anefa no fihetsiky ny olona sasany tany amin’ireo tany tsy fehezin’izy io? b) Ahoana no ilazan’i Jaona ny fihetsiky ny olona amin’ny ankapobeny?
19 Nokendren’i Jehovah “hamono hahafaty ny ampahatelon’ny olona” ilay loza. Ny Kristianisma Anarana àry no tena nasian’izy io. Tonga hatrany an-tany hafa koa anefa ilay hafatra, ka ren’ireo olona mahalala tsara ny fihatsarambelatsihin’ny Kristianisma Anarana. Nanatona an’i Jehovah ve ireny olona ireny, rehefa nahita ny loza nihatra tamin’io fivavahan-diso io? Maro no nanao izany! Nanaiky avy hatrany ireo olona manetry tena sy tso-po tany amin’ny tany tsy voafehin’ny Kristianisma Anarana mivantana. Izao anefa no fihetsiky ny olona amin’ny ankapobeny, araka ny hitan’i Jaona: “Ny sisa tamin’ny olona tsy matin’ireo loza ireo anefa dia tsy nibebaka tamin’izay nataon’ny tanany, fa mbola nivavaka ihany tamin’ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy afaka mahita na mandre na mandeha. Ary tsy nibebaka tamin’ny vonoan’olona sy ny filalaovany ody sy ny fijangajangana ary ny halatra nataony izy.” (Apokalypsy 9:20, 21) Tsy hiara-mibebaka daholo akory ireo olona ireo. Tsy maintsy homelohin’i Jehovah ireo mikiry manao ratsy, amin’ilay andro famaliany. “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah [kosa] no hovonjena.”—Joela 3:5; Salamo 145:20; Asan’ny Apostoly 2:20, 21.
20 Ampahany amin’ilay loza faharoa no noresahintsika teo. Mbola hisy zavatra hitranga, alohan’ny faran’io loza io, araka ny ho hitantsika ao amin’ireo toko manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hoy ny boky Fanazavana ny Apokalypsy (anglisy), nataon’i Henry Barclay, momba ilay isa hoe “roa alina ampitomboina iray alina”: “Be loatra ilay isa, ka tsy azo inoana hoe isa ara-bakiteny. Manamarina izany koa ny teny manodidina.”
b Jereo ny pejy 119-126. Jereo koa ny boky Fanamarinana, Boky Fahatelo, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1932, pejy 83-84.
c Tsy nanao “toa satroboninahitra toy ny volamena” sahala amin’ireo valala, ireo miaramila mitaingin-tsoavaly hitan’i Jaona. (Apokalypsy 9:7) Mety izany satria ny ankamaroan’izy ireo dia anisan’ny vahoaka be, izay tsy manantena ny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra.
[Sary, pejy 149]
Mitranga ny loza faharoa rehefa tsofina ny trompetra fahenina
[Sary, pejy 150, 151]
Mitarika ny fanafihana lehibe indrindra ataon’ny miaramila mitaingin-tsoavaly ireo anjely efatra
[Sary, pejy 153]
Nizara boky ara-baiboly an-tapitrisany maro ireo mpitaingin-tsoavaly maro be
[Sary, pejy 154]
Tsy nibebaka ny sisa tamin’ny olona