FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yp toko 38 p. 305-310
  • Inona no Ampanantenain’ny Hoavy Ahy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Ampanantenain’ny Hoavy Ahy?
  • Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany — Sy ny hoavinao
  • ‘Tsapao’ ireo fampanantenan’Andriamanitra
  • Hamarino ho an’ny tenanao fa marina ny Baiboly
  • Ny Finoana sy ny Hoavinao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Hanao ahoana ny tany?
    Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray
  • “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”
    “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra!”
  • Mbola Hihatsara ve ny Fiainana Amin’ny Hoavy?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
yp toko 38 p. 305-310

Toko Faha-38

Inona no Ampanantenain’ny Hoavy Ahy?

“MATAHOTRA ny hoavy aho, dia hoavy ao amin’ny tontolo iray feno fandrahonana niokleary.” Izany no nolazain’ny tanora alemanina iray tamin’ilay olona mitana ny toerana ambony indrindra ao amin’ny taniny.

Angamba ny fomba fahitanao ny hoavy dia simban’ny eritreri-dratsy ny ho faty ao amin’ny ady niokleary toy izany koa. “Nahoana aho no hisahirana hahazo naoty tsara?”, hoy ny tanora iray. “Ho potika ihany tsinona izao tontolo izao indray andro any.” Tao amin’ny fandinihana iray natao tamin’ankizy mpianatra tokoa, ireo ankizilahy kely dia nanonona ny ady niokleary ho ny zavatra nampahatahotra azy ireo indrindra. Ireo ankizivavy kely kosa dia nametraka azy io ho eo amin’ny toerana faharoa, aorian’ny tahotra ny “hahafatesan’ny ray aman-dreniko”.

Tsy ny fipoahana niokleary ihany anefa no hany rahona mainty mandrahona eny am-paravodilanitra. Ny fandrahonana avy amin’ny “fihoaran’ny isan’ny mponina, ny fahalanian’ny harena an-kibon’ny tany, ny fandotoana ny tontolo iainana” ary ny loza mananontanona hafa dia nitarika ilay mpandinika ny toe-tsaina malaza atao hoe B. F. Skinner hanatsoaka izao hevitra izao: “Toa hita fa rahonan’ny fahafoanana ny taranak’olombelona.” Nitsotra toy izao izy tatỳ aoriana: “Tena manampo ny fiafarana ratsy indrindra aho. Tsy hahavita handamina ny zava-manahirana antsika isika, ary marina mihitsy izany.”

Koa satria na dia ireo manam-pahaizana aza mahita ny hoavy amim-panahiana be, dia tsy mahagaga loatra raha toa ny tanora maro ka maneho izao toe-tsaina izao: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (1 Korintiana 15:32). Raha miankina amin’ny fahaizan’ireo mpanao politika sy mpahay siansa tokoa ny hoavinao, dia tena ho maizina marina. Hoy tokoa mantsy ny Jeremia 10:23: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.”

Tsy hoe tsy manana ny fahaizana hanapa-tena fotsiny akory ny olombelona. Mariho kosa fa tsy “an’ny olombelona” ny manao izany — tsy manana ny zo hitantana ny hoavin’ny tany izy. Noho izany dia azo antoka fa tsy hahomby ireo ezaka ataony. Noho izany antony izany, dia nivavaka toy izao mba handraisan’Andriamanitra anjara i Jeremia: “Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany”. (Jeremia 10:24). Milaza izany fa ny Mpamorona antsika no hanapaka ny amin’ny hoavintsika. Hanao ahoana anefa izany hoavy izany?

Ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany — Sy ny hoavinao

Tsy ela taorian’ny namoronany ny olombelona, dia hoy Andriamanitra tamin’ny mpivady olombelona voalohany: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28). Notolorana araka izany ny fahatsinjovana hiaina ao amin’ny paradisa maneran-tany àry ny olombelona.

Nikomy tamin’ny fanapahan’Andriamanitra anefa ilay mpivady voalohany. Araka ny filazan’i Solomona azy tatỳ aoriana, “nataon’Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy”. (Mpitoriteny 7:29). Ireo volavolan-kevitra nataon’ny olombelona dia hita fa nitondra loza, namela fahoriana sy ny fahatsinjovan-javatra manjombona indrindra ny amin’ny hoavy, ho lovan’ny taranaka ankehitriny.

Midika ve izany fa nafoin’Andriamanitra ny tany mba ho toerana voaloto, feno radioactivité — ary angamba tsy hisy aina? Tsy hety izany! Izy no “namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana)”. Io fikasany ny amin’ny tany nambarany io àry dia azo antoka fa ho tanteraka! — Isaia 45:18; 55:10, 11.

Rahoviana anefa — ary amin’ny fomba ahoana? Vakio ho an’ny tenanao manokana ny Lioka toko faha-21. Ao i Jesosy dia nilaza mialoha ny amin’ireo zava-manahirana izay namely antsika tamin’ity taonjato ity indrindra: ady iraisam-pirenena, horohoron-tany, aretina, tsy fahampian-tsakafo, heloka bevava miely patrana. Inona no hevitr’ireo fisehoan-javatra ireo? Manazava izany toy izao ny tenan’i Jesosy: “Raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo. (...) Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” — Lioka 21:10, 11, 28, 31.

Io Fanjakana io no fanalahidin’ny hoavintsika. Raha lazaina amin’ny teny tsotra, dia fitondram-panjakana izy io, dia ny fomba nofidin’Andriamanitra mba hanapahana ny tany. Ny fitondran’io Fanjakana io dia handroritra amin-kery ny fifehezana ny tany avy eny am-pelatanan’ny olombelona. (Daniela 2:44). Ireo “izay manimba ny tany” dia hiharan’ny fanimbana avy amin’Andriamanitra kosa, ka izany dia hamonjy ny tany — sy ny taranak’olombelona — amin’ny fampiasana ratsy ampiharin’ny olombelona aminy. — Apokalypsy 11:18; Mpitoriteny 1:4.

Handry feizay eo ambany fitantanan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny tany manontolo ka ho tonga paradisa tsikelikely. (Lioka 23:43, NW ). Ho tafaverina amin’izay àry ny fifandanjana tsara eo amin’ny zavaboary sy ny tontolo iainany. Hisy fifanarahana tsara na dia eo amin’ny olombelona sy ny biby aza. (Isaia 11:6-9). Hanjavona ny ady sy ny fitaovam-piadiana. (Salamo 46:8, 9). Ny heloka bevava, ny hanoanana, ny tsy fahampian’ny trano ipetrahana, ny aretina — ny fahafatesana mihitsy aza — dia hofoanana. Ireo mponin’ny tany dia “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”. — Salamo 37:10, 11; 72:16; Isaia 65:21, 22; Apokalypsy 21:3, 4.

‘Tsapao’ ireo fampanantenan’Andriamanitra

Fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa — izany no mety ho hoavinao! Kanefa, na dia mety ho toa hanintona aza izany hevitra izany, dia mety ho sarotra aminao angamba ny hanadino ilay finoana fa ho any an-danitra avokoa ny tsara fanahy rehetra, na koa mety hisalasala ny amin’ny Baiboly mihitsy ianao. Na dia ny tanora sasany eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah aza dia nahita fa mihozongozona mampanahy ny finoany indraindray. I Michelle, ohatra, dia notezain-dray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fanekena ny Baiboly ho marina dia nandeha ho azy toy ny fanekena fa misy andro sy alina. Indray andro anefa, dia tonga tampoka tao an-tsainy fa hoe tsy fantany akory ny antony ninoany ny Baiboly. “Angamba aho nino azy io hatramin’izay fotoana izay satria nino azy ny raiko sy ny reniko”, hoy izy.

“Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka [amin’Andriamanitra]”, hoy ny Baiboly. (Hebreo 11:6). Kanefa, ny finoana akory tsy zavatra anananao satria hoe manana azy io ny rainao sy ny reninao. Raha tianao ho azo antoka ny hoavinao, dia tsy maintsy mampiorina ny finoanao amin’ny porofo marim-pototra ianao — mba ho “fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina” izy io. (Hebreo 11:1). Araka ny ilazan’ny Baiboly azy, dia tsy maintsy ‘ataonao azo antoka ny zavatra rehetra’, na koa hoe ‘tsapainao ny zavatra voalaza rehetra mba hahazoana antoka fa marina’, araka ny fandikan-tenin’ny The Living Bible. — 1 Tesaloniana 5:21, NW.

Hamarino ho an’ny tenanao fa marina ny Baiboly

Mety hila ny hitsapa aloha ianao raha “nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra” marina ny Baiboly. (2 Timoty 3:16). Ahoana no ahafahanao manao izany? Andriamanitra Tsitoha ihany no afaka “manambara ny farany hatramin’ny voalohany”. (Isaia 43:9; 46:10). Ary manao izany imbetsaka izy ao amin’ny Baiboly. Vakio ireo faminaniana voarakitra ao amin’ny Lioka 19:41-44 sy 21:20, 21 momba ny fianjeran’i Jerosalema; na koa ireo faminaniana ao amin’ny Isaia 44:27, 28 sy 45:1-4 momba ny fianjeran’i Babylona. Ny tantara ivelan’ny fivavahana dia manaporofo fa nilaza mialoha tsy nisy diso ny amin’ireo fisehoan-javatra ireo ny Baiboly! “Rehefa avy nandinika ny sasany tamin’ireo faminaniana ireo aho”, hoy i Janine, 14 taona, “dia talanjona tsotra izao nahita fa afaka nilaza mialoha izany rehetra izany ny Baiboly.”

Ny fahamarinan’ny Baiboly ara-tantara, ny filazany ny marina, ny fahatsorany ary ny tsy fisian’ny teny mifanipaka dia antony fanampiny tokony hinoana azy io.a Ahoana anefa no ahafantaranao fa araka ny tokony ho izy ny fomba andraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Baiboly? Ireo mponin’i Beria fahizay dia tsy nanaiky befahatany ny fanazavan’ny apostoly Paoly momba ny Baiboly. ‘Nandinika ny Soratra Masina isan’andro kosa izy ireo mba hahitana raha marina izany na tsia.’ — Asan’ny Apostoly 17:11, NW.

Mampirisika anao izahay mba hanao fianarana lalina momba ireo fampianaran’ny Baiboly toy izany koa. Ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? (navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah) dia mamelabelatra ireo fampianarana ireo amin’ny fomba mazava. Raha Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreninao, dia tsy isalasalana fa ho afaka hanampy anao amin’izay mety ho fanontanianao. “Milazà ny marina amin’ny ray aman-dreninao raha manan-java-manahirana amin’io lafiny io ianao”, hoy ny fanoloran-kevitry ny zatovovavy iray antsoina hoe Janel. “Anontanio rehefa misy zavatra hitanao fa sarotra inoana.” (Ohabolana 15:22). Amin’ny farany, dia tsy isalasalana fa ho takatrao fa tena nitahy ny Vavolombelony tamin’ny fanomezana azy ireo fahatakarana mahatalanjona ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly tokoa i Jehovah!

Hoy ny tanora iray antsoina hoe Prentice: “Indraindray aho dia manjary ketraka noho ny zava-mitranga eo amin’izao tontolo izao. Amin’izay aho dia mijery andinin-teny toy ny Apokalypsy 21:4, ary dia manome ahy zavatra azoko antenaina izany.” Eny tokoa, ny fananana finoana mafy orina an’ireo fampanantenan’Andriamanitra dia azo antoka fa hisy fiantraikany eo amin’ny fomba fijerinao zavatra. Mahita ny hoavy amim-panantenana feno hafaliana ianao, fa tsy amin’alahelo. Ny fiainanao ankehitriny dia manjary, tsy ady tsy misy antony akory, fa fomba iray kosa ‘hiharianao fanorenana tsara ho an’ny tenanao ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonanao ny tena fiainana’. — 1 Timoty 6:19.

Misy zavatra hafa koa ve anefa hahazoana ny “tena fiainana” ankoatra ny fianarana sy ny finoana ireo fampianaran’ny Baiboly fotsiny?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny pejy faha-77-87 ao amin’ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina (navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah) mba hahazoana fanazavana amin’ny an-tsipiriany bebe kokoa momba ny fahamarinan’ny Baiboly.

Fanontaniana Hiaraha-midinika

◻ Tahotra inona avy no mahazo ny tanora maro momba ny hoaviny?

◻ Inona no fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny tany? Nahoana isika no afaka matoky fa tsy niova ny fikasan’Andriamanitra?

◻ Inona no anjara asan’ilay Fanjakana eo amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany?

◻ Nahoana no tena ilaina ny hitsapanao ny maha-marina ireo fampianaran’ny Baiboly, ary ahoana no ahafahanao manao izany?

◻ Ahoana no ahafahanao manaporofo ho an’ny tenanao fa avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly?

[Teny notsongaina, pejy 306]

“Tena manampo ny fiafarana ratsy indrindra aho. Tsy hahavita handamina ny zava-manahirana antsika isika, ary marina mihitsy izany.” — B. F. Skinner, mpandinika ny toe-tsaina

[Sary, pejy 307]

Ny Mpamorona ny tany dia tsy hamela ny olombelona hanimba ny planetantsika

[Sary, pejy 309]

Moa ve ianao nampiaiky ny tenanao ny amin’ny maha-marina ny Baiboly?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara