Lesona Voalohany
Ahoana no Ahafantaranao Izay Takin’Andriamanitra?
Zava-dehibe inona avy no lazain’ny Baiboly amintsika? (1)
Avy amin’iza ny Baiboly? (2)
Nahoana ianao no tokony hianatra ny Baiboly? (3)
1. Fanomezana tsara indrindra avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Toy ny taratasy nalefan’ny ray be fitiavana ho an-janany izy io. Lazainy amintsika hoe iza marina moa Andriamanitra, ary inona avy ireo zavatra takiny. Hazavainy izay tokony hatao rehefa misy zava-manahirana sy ny fomba ahitana tena fahasambarana. Ny Baiboly irery no milaza amintsika izay tsy maintsy atao mba hampifaliana an’Andriamanitra.—Salamo 1:1-3; Isaia 48:17, 18.
2. Lehilahy 40 teo ho eo no nanoratra ny Baiboly, nandritra ny 1 600 taona. Tamin’ny taona 1513 al.f.i. no nanombohan’izany. Misy boky kely 66 ny Baiboly. Nahazo tsindrimandry tamin’Andriamanitra ireo nanoratra ny Baiboly. Ny hevitr’Andriamanitra no nosoratany, fa tsy ny heviny. Avy amin’Andriamanitra any an-danitra àry ny Baiboly, fa tsy avy amin’olombelona eto an-tany.—2 Timoty 3:16, 17; 2 Petera 1:20, 21.
3. Nataon’Andriamanitra azo antoka fa natao kopia marina tsara sy voatahiry tsara ny Baiboly. Betsaka kokoa noho ny boky hafa ny Baiboly efa navoaka. Tsy ny olona rehetra no ho faly mahita anao mianatra ny Baiboly, nefa aza avela hampijanona anao izany. Ilainao ny mahafantatra an’Andriamanitra sy manao ny sitrapony na dia misy fanoherana aza. Miankina amin’izany ny hoavinao mandrakizay.—Matio 5:10-12; Jaona 17:3.