Lesona Faha-3
Iza moa i Jesosy Kristy?
Nahoana i Jesosy no antsoina hoe Zanaka “Lahimatoa”? (1)
Nahoana izy no antsoina hoe “ny Teny”? (1)
Nahoana i Jesosy no tonga olombelona teto an-tany? (2-4)
Nahoana izy no nanao fahagagana? (5)
Inona no hataon’i Jesosy tsy ho ela? (6)
1. Fanahy tany an-danitra i Jesosy, talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Izy no noforonin’Andriamanitra voalohany indrindra. Izany no iantsoana azy hoe Zanak’Andriamanitra “Lahimatoa.” (Kolosiana 1:15; Apokalypsy 3:14) I Jesosy no hany Zanaka noforonin’Andriamanitra mivantana. Nampiasa an’i Jesosy ho “mpità-marika” kosa anefa i Jehovah rehefa namorona ny zavatra hafa rehetra tany an-danitra sy tetỳ an-tany. Mbola tsy tonga olombelona i Jesosy tamin’izay. (Ohabolana 8:22-31; Kolosiana 1:16, 17) Nampiasain’Andriamanitra koa izy mba ho mpitondra teniny lehibe indrindra. Izany no iantsoana an’i Jesosy hoe “ny Teny.”—Jaona 1:1-3; Apokalypsy 19:13.
2. Naniraka ny Zanany hanketỳ an-tany Andriamanitra, ka nafindrany tao an-kibon’i Maria ny ain’io Zanany io. Koa tsy olombelona àry no rain’i Jesosy. Izany no antony tsy nandovany ota na kilema. Nirahin’Andriamanitra hanketỳ an-tany i Jesosy noho ireto antony telo ireto: 1) Mba hampianatra antsika ny marina momba an’Andriamanitra (Jaona 18:37), 2) mba tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy, ka ho modelintsika, (1 Petera 2:21), ary 3) mba hanao sorona ny ainy, ka hanafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Nahoana izany no nilaina?—Matio 20:28.
3. Ilay tsy fankatoavan’i Adama ny didin’Andriamanitra no antsoin’ny Baiboly hoe “ota.” Noho izany, dia nomelohin’Andriamanitra ho faty izy. (Genesisy 3:17-19) Tsy lavorary intsony izy satria tsy nahavita intsony izay rehetra notakin’Andriamanitra taminy. Nihantitra tsikelikely izy, dia maty. Namindra ota tamin’ny taranany rehetra i Adama. Izany no mahatonga antsika hihantitra sy harary ary ho faty. Ahoana no azo amonjena ny olombelona?—Romana 3:23; 5:12.
4. Olombelona lavorary nitovy tamin’i Adama, i Jesosy. Tsy nanao tahaka an’i Adama anefa i Jesosy, fa nankatò tanteraka an’Andriamanitra na dia tao anatin’ny fitsapana faran’izay mafy aza. Noho izany, dia azony natao sorona ilay ainy lavorary, mba hanonerana ny fahotan’i Adama. Io ilay antsoin’ny Baiboly hoe “avotra.” Noho izany, dia azo afahana amin’ny fanamelohana ho faty ny taranak’i Adama. Izay rehetra mino an’i Jesosy dia afaka mahazo famelan-keloka, ka hahazo fiainana mandrakizay.—1 Timoty 2:5, 6; Jaona 3:16; Romana 5:18, 19.
5. Fony teto an-tany i Jesosy, dia nanasitrana ny marary sy nanome sakafo ny noana ary nampitony rivo-mahery. Nanangana ny maty mihitsy aza izy. Nahoana izy no nanao fahagagana? Satria: 1) nalahelo sy ta hanampy ireo nijaly izy. 2) Ireo fahagagana nataony dia porofo fa Zanak’Andriamanitra izy. 3) Nasehony tamin’ireny fahagagana ireny fa mbola hanao toy izany ho an’ny olombelona mankatò izy, rehefa ho tonga Mpanjakan’ny tany.—Matio 14:14; Marka 2:10-12; Jaona 5:28, 29.
6. Maty i Jesosy, ary natsangan’Andriamanitra ho zavaboary ara-panahy izy, ka niverina tany an-danitra. (1 Petera 3:18) Notendren’Andriamanitra ho Mpanjaka izy tatỳ aoriana. Tsy ho ela dia hesorin’i Jesosy ny faharatsiana sy ny fijaliana rehetra eto amin’ity tany ity.—Salamo 37:9-11; Ohabolana 2:21, 22.
[Sary, pejy 7]
Anisan’ny fanompoan’i Jesosy ny fampianarana, ny fanaovana fahagagana, ary ny nanolorana ny ainy ho antsika mihitsy aza