FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • rq lesona 4 p. 8-9
  • Iza moa ny Devoly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza moa ny Devoly?
  • Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Mitovitovy Aminy
  • Miambena Satria Te Handrapaka Anao i Satana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Mitandrema tena amin’ny Devoly fahavalonareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Satana
    Mifohaza!—2013
Hijery Hafa
Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
rq lesona 4 p. 8-9

Lesona Faha-4

Iza moa ny Devoly?

Ahoana no nampisy an’i Satana Devoly? (1, 2)

Ahoana no amitahan’i Satana ny olona? (3-7)

Nahoana ianao no tokony hanohitra ny Devoly? (7)

1. Ny dikan’ny hoe “devoly” dia mpandainga sy mpanaratsy ny hafa. Ny hoe “Satana” dia fahavalo na mpanohitra. Teny ilazana ilay fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra ireo. Anjely lavorary niaraka tamin’Andriamanitra tany an-danitra izy io, tamin’ny voalohany. Nihevi-tena ho ambony be anefa izy tatỳ aoriana. Koa tiany ho izy indray no hivavahana fa tsy Andriamanitra izay manana izany zo izany.—Matio 4:8-10.

2. Nampiasa bibilava mba hiresahana tamin’i Eva io anjely io, izany hoe i Satana. Nandaingany i Eva, ka tsy nankatò an’Andriamanitra. Tamin’izay dia nokianin’i Satana mafy ilay antsoina hoe “fiandrianan’Andriamanitra”, na ny toerany maha Avo Indrindra azy. Nataon’i Satana izay tsy hatokisana fa mahay mitondra Andriamanitra ary mitady izay tena mahasoa ny olony. Nataon’i Satana koa izay tsy hatokisana fa hisy olona tsy hivadika mihitsy amin’Andriamanitra. Lasa fahavalon’Andriamanitra i Satana rehefa nanao izany. Izany no antony niantsoana azy hoe Satana Devoly.—Genesisy 3:1-5; Joba 1:8-11; Apokalypsy 12:9.

3. Tadiavin’i Satana hofitahina ny olona mba hivavaka aminy. (2 Korintiana 11:3, 14) Fomba iray amitahany olona ny fivavahan-diso. Tena manao izay tian’i Satana ny fivavahana iray raha mampianatra lainga momba an’Andriamanitra. (Jaona 8:44) Mety hino mafy ny mpiangona ao amin’ny fivavahan-diso fa mivavaka amin’ilay Andriamanitra marina izy ireo. Tena manompo an’i Satana anefa izy ireo. Izy no “andriamanitr’izao tontolo izao.”—2 Korintiana 4:4.

4. Fomba hafa ifehezan’i Satana ny olona ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy. Mety hiantso fanahy ny olona mba hiaro azy, na mba hamely olon-kafa, mba hilaza mialoha ny hoavy, na mba hanao fahagagana. I Satana no hery ratsy ao ambadik’ireo fanao rehetra ireo. Raha ta hampifaly an’Andriamanitra isika, dia tsy tokony hifandray mihitsy amin’ny fanahy ratsy.—Deoteronomia 18:10-12; Asan’ny Apostoly 19:18, 19.

5. Voafitak’i Satana koa ny olona rehefa mirehareha tafahoatra momba ny firazanany sy rehefa manindrahindra fikambanana ara-politika. Misy mihevitra fa ny fireneny na ny firazanany no tsara kokoa. Tsy marina anefa izany. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Misy miantehitra amin’ireo fikambanana ara-politika mba hamaha ny olana mahazo ny olombelona. Raha manao izany izy ireo dia mandà ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy io no hany fanafodin’ny zava-manahirana antsika.—Daniela 2:44.

6. Fomba hafa amitahan’i Satana ny olona koa ny fakam-panahy amin’ny fanirian-dratsy. Asain’i Jehovah halavirintsika ny fanao ratsy, satria fantany fa ho voa mafy amin’izany isika. (Galatiana 6:7, 8) Mety ho tian’ny olona hanao ratsy sahala aminy koa ianao. Tadidio anefa fa i Satana mihitsy no ta hampanao anao ireny zava-dratsy ireny.—1 Korintiana 6:9, 10; 15:33.

7. Mety hampiasa fanenjehana na fanoherana i Satana mba hampiala anao amin’i Jehovah. Mety ho tezitra mafy ny havan-tianao sasany, satria ianao mianatra ny Baiboly. Mety hihomehezan’ny hafa ianao. Iza anefa no nanome aina anao? Tian’i Satana hampitahorina ianao, amin’izay dia hajanonao ny fianaranao momba an’i Jehovah. Aza avela handresy i Satana! (Matio 10:34-39; 1 Petera 5:8, 9) Rehefa toherinao ny Devoly, dia afaka mampifaly an’i Jehovah ianao, ary asehonao fa momba ny fiandrianany ianao.—Ohabolana 27:11.

[Sary, pejy 9]

Mamitaka ny olona ny fivavahan-diso sy ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy ary ny fanamboniana ny firenen’ny tena

[Sary, pejy 9]

Tohero i Satana ka tohizo ny fianaranao momba an’i Jehovah

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara