FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lr toko 14 p. 77-81
  • Nahoana Isika no Tokony Hamela Heloka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Isika no Tokony Hamela Heloka?
  • Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Mpanompo Tsy Namela Heloka
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Ilaina ny Mamela Heloka
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Fianarana momba ny famelan-keloka
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Famporisihana mba hamela heloka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
lr toko 14 p. 77-81

TOKO 14

Nahoana Isika no Tokony Hamela Heloka?

EFA nisy olona nanisy ratsy anao ve?... Nampijaly anao ve izy, sa nilaza zavatra nampalahelo anao?... Tokony hanisy ratsy azy koa ve ianao?...

Maro no mamaly ny ratsy natao taminy. Nampianatra anefa i Jesosy fa tokony hamela ny helok’ireo nanisy ratsy antsika isika. (Matio 6:12) Ahoana raha manao zavatra mampalahelo antsika foana ny olona iray? Impiry isika no tokony hamela ny helony?...

Izany no tian’i Petera ho fantatra, ka hoy izy tamin’i Jesosy: ‘Tokony hamela ny helony impito ve aho?’ Tsy ampy ny mamela heloka impito, satria hoy i Jesosy: ‘Tokony hamela heloka impito amby fitopolo ianao’, raha misy manota imbetsaka aminao.

Petera manontany zavatra amin’i Jesosy

Inona no tian’i Petera ho fantatra momba ny famelan-keloka?

Betsaka izany! Tsy ho tadidintsika akory aza amin’izay ny zavatra ratsy maro natao tamintsika. Izao àry ny fianarana tian’i Jesosy homena: Tsy tokony hitadidy ny isan’ny zavatra ratsy natao tamintsika isika. Tokony havelantsika ny helok’ireo mangata-pamelana amintsika.

Tian’i Jesosy haseho tamin’ny mpianany fa tena ilaina ny mamela heloka. Nilaza tantara iray àry izy, rehefa avy namaly ny fanontanian’i Petera. Hotantaraiko aminao ve?...

Nisy, hono, mpanjaka iray tena tsara fanahy. Nampindrana vola an’ireo mpanompony izy, rehefa nila izany izy ireo. Indray andro anefa, dia nasain’ilay mpanjaka namerina ny vola nindraminy ireo mpanompony ireo. Nentina teo anatrehan’ny mpanjaka ny mpanompo iray nananany vola denaria 60 tapitrisa. Vola be izany!

Mpanompo miangavy amin’ny mpanjaka mba homeny fotoana handoavana ny trosany, avy eo manakenda ny mpanompo namany

Inona no nitranga rehefa nangataka fotoana lavalava kokoa mba handoavana ny trosany tamin’ny mpanjaka ilay mpanompo?

Lanin’ilay mpanompo daholo anefa io vola io, ka tsy afaka nandoa ilay trosa izy. Nasain’ny mpanjaka namidy àry ilay mpanompo. Nasainy namidy koa ny vady aman-janany sy ny fananany rehetra mba handoavana ny volan’ny mpanjaka. Ahoana hoy ilay mpanompo rehefa nandre izany, araka ny hevitrao?...

Nandohalika teo amin’ilay mpanjaka izy sady niangavy hoe: ‘Omeo fotoana lavalava kokoa re aho fa haloako ny trosako rehetra e!’ Inona no ho nataonao raha ianao ilay mpanjaka?... Nalahelo azy ilay mpanjaka, ka namela ny helony. Tsy nasainy naverina ilay vola, na dia kely aza. Tsy maintsy ho nahafaly an’ilay mpanompo tokoa izany!

Inona anefa no nataon’io mpanompo io avy eo? Lasa izy ary nifanena tamin’ny mpanompo hafa nananany vola denaria zato monja. Noraisiny teo amin’ny tendany io mpanompo io ary nokendainy sady hoy izy: ‘Aloavy ny volako any aminao!’ Ahoana ny hevitrao raha misy manao toy izany, indrindra fa raha olona vao nafahana tamin’ny trosa be tokony haloany ilay izy?...

Mpanompo managadra ny mpanompo namany

Inona no nataon’ilay mpanompo rehefa tsy nahaloa ny trosany ilay mpanompo namany?

Nahantra ilay mpanompo nitrosa vola denaria zato, ka tsy afaka nandoa an’io vola io teo no ho eo. Niankohoka teo an-tongotr’ilay tompon-trosa àry izy sady niangavy hoe: ‘Omeo fotoana lavalava kokoa aho fa haloako ny volanao.’ Tokony ho nanaiky ve izy?... Ahoana, raha ianao no teo amin’ny toeran’io tompon-trosa io?...

Tsy tsara fanahy tahaka an’ilay mpanjaka io mpanompo tompon-trosa io fa tonga dia nitaky ny volany. Nasainy nogadraina ilay namany satria tsy afaka nandoa ny trosany. Tsy faly ireo mpanompo hafa nahita izany zavatra izany. Nalahelo an’ilay mpanompo nogadraina izy ireo, ka lasa nitantara tany amin’ilay mpanjaka.

Tsy faly koa ilay mpanjaka. Tezitra be tamin’ilay mpanompo tsy namela heloka izy. Nantsoiny io mpanompo io ary nilazany hoe: ‘Ry mpanompo ratsy fanahy, navelako ny trosanao, sa tsy izany? Ka moa ve ianao tsy mba tokony hamela ny trosan’ny mpanompo namanao?’

Mpanjaka managadra mpanompo tsy mety mamela heloka

Inona no nataon’ilay mpanjaka tamin’ilay mpanompo tsy namela heloka?

Tsy nanahaka an’ilay mpanjaka tsara fanahy taminy, io mpanompo tsy namela heloka io. Nasain’ilay mpanjaka nogadraina àry izy mandra-pandoany ilay trosany denaria 60 tapitrisa. Mazava ho azy fa tsy hahazo an’io vola io mihitsy izy raha nigadra. Midika izany fa higadra mandra-pahafatiny izy.

Hoy i Jesosy rehefa vita ilay fitantarana: ‘Tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo ianareo.’—Matio 18:21-35.

Tokony hekentsika fa be dia be ny trosa ananan’Andriamanitra amintsika rehetra. Avy amin’Andriamanitra, na dia ny aintsika aza! Tena kely àry ny trosa ananantsika amin’ny olona, raha oharina amin’ny trosa ananan’Andriamanitra amintsika. Tahaka ilay vola denaria zato no trosa ananantsika amin’ny olona. Ny trosa ananan’Andriamanitra amintsika kosa dia tahaka ilay 60 tapitrisa, satria maro ny zavatra ratsy ataontsika.

Tena tsara fanahy anefa Andriamanitra, ka mamela antsika, na dia nanao zavatra ratsy aza isika. Tsy ny aintsika anefa no takiny ho takalon’izany, fa izao no tokony hotadidintsika: Avelan’Andriamanitra ny fahadisoantsika raha mamela ny fahadisoan’ny olona isika. Fianarana lehibe izany, sa ahoana?...

Ankizilahy mifona amin’ny namany satria nosimbany ny aeroplaniny

Inona no hataonao raha misy mangataka famelan-keloka aminao?

Raha misy nanao zavatra nampalahelo anao, nefa mifona izy, inona no hataonao? Hamela ny fahadisoany ve ianao?... Ary ahoana raha miverimberina ilay fahadisoana? Mbola hamela azy foana ve ianao?...

Ho faly isika raha avela ny helotsika, rehefa mangata-pamelana isika, sa ahoana?... Tokony hamela heloka toy izany koa àry isika. Tsy ampy ny milaza hoe: ‘Mamela anao aho’, fa tokony tena hamela azy amin’ny fontsika mihitsy isika. Amin’izay isika dia mampiseho fa manahaka an’ilay Mpampianatra Lehibe.

Mba hahitana fa tena ilaina ny mamela heloka, dia andeha hovakintsika koa ny Ohabolana 19:11; Matio 6:14, 15; Lioka 17:3, 4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara