Ilay Tontolo Vaovao Ampanantenain’andriamanitra
MANOME fanantenana antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe: ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’—2 Petera 3:13.
Inona moa ny “lanitra vaovao”? Mifandray amin’ny fitondram-panjakana ny hoe lanitra ao amin’ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 7:49) Ny “lanitra vaovao” àry dia fanjakana vaovao hitondra ny tany. Vaovao izy io satria hisolo ireo fitondrana amin’izao fotoana izao, sady dingana vaovao eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Io ilay Fanjakana nasain’i Jesosy nataontsika antom-bavaka. (Matio 6:10) Antsoina hoe “fanjakan’ny lanitra” izy io, satria ilay Andriamanitra mipetraka any an-danitra no namorona azy.—Matio 7:21.
Inona kosa ny “tany vaovao”? Tsy planeta vaovao akory izy io, satria lazain’ny Baiboly mazava tsara fa honenana mandrakizay ny tany. Ny “tany vaovao” kosa dia vahoaka vaovao. Olom-baovao izy ireo, satria nesorina ny ratsy fanahy rehetra. (Ohabolana 2:21, 22) Izay rehetra velona amin’izany fotoana izany dia hanaja sy hankatò ny Mpamorona, sady hanaraka ireo fitsipika takiny. (Salamo 22:27) Efa asaina hianatra ireny fitsipika ireny sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany ny olona amin’ny firenena rehetra amin’izao fotoana izao. Manao izany ve ianao?
Hanaiky ny fahefan’Andriamanitra ny olona rehetra ao amin’ny tontolo vaovao. Tena tia an’Andriamanitra ve ianao, ka mankatò azy? (1 Jaona 5:3) Mankatò ny didiny ve ianao rehefa ao an-trano, na any am-piasana, na any am-pianarana, na amin’ny fomba fiainanao?
Hivavaka amin’ilay Andriamanitra marina avokoa ny olona rehetra ao amin’ny tontolo vaovao. Ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany ve no ivavahanao? Moa ve ny fivavahanao mahatonga anao ho tafaray amin’ny mpiara-mivavaka avy amin’ny firenena sy foko ary fiteny rehetra?—Salamo 86:9, 10; Isaia 2:2-4; Zefania 3:9.
[Efajoro, pejy 17]
Ilay Andriamanitra Mampanantena Izany
Izy no Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Izy ilay nolazain’i Jesosy Kristy hoe “hany Andriamanitra marina.”—Jaona 17:3.
Andriamanitra noforonin’olombelona ihany no ivavahan’ny ankamaroan’ny olona. An-tapitrisany no miankohoka amina sarivongana tsy mananaina. Ny hafa kosa manindrahindra fikambanana naorin’olombelona, na ny fitiavan-karena, na ny fanirian’ny tenany manokana. Misy amin’ireo milaza ho mino ny Baiboly aza tsy manaja ny anaran’ilay lazain’ny Tenin’Andriamanitra hoe Andriamanitra marina.—Deoteronomia 4:35.
Hoy ny Mpamorona momba ny tenany: “Izaho no Jehovah, izany no anarako.” (Isaia 42:5, 8) Miseho im-7 000 eo ho eo io anarana io ao amin’ny Baiboly, tamin’ny fiteny nanoratana azy voalohany. Nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka toy izao i Jesosy: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.”—Matio 6:9.
Manao ahoana ny toetran’ilay Andriamanitra marina? Nilaza izy fa “mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana” ny tenany, kanefa tsy manafoana mihitsy ny sazin’izay minia mandika ny lalàny. (Eksodosy 34:6, 7) Manaporofo ny fahamarinan’izany ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olombelona.
Mendrika ny hoderaina Andriamanitra, ary tokony hohamasinina ny anarany. Mila mankatò azy sy mivavaka aminy isika, satria izy no Mpamorona sy Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Manao izany ve ianao?
[Efajoro/Sary, pejy 18]
Inona no Hiova Rehefa Tonga ny “Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao”?
Hiova ho Paradisa ny tany Lioka 23:43
Hifankatia ny olona eran-tany, Jaona 13:35;
na dia samy hafa aza ny firenena Apokalypsy 7:9, 10
niaviany sy ny firazanany ary ny fiteniny
Fiadanana maneran-tany, filaminana Salamo 37:10,11;
ho an’ny rehetra Mika 4:3, 4
Asa mahafa-po, sakafo tondraka Isaia 25:6; 65:17, 21-23
Tsy hisy intsony ny aretina Isaia 25:8;
sy alahelo ary fahafatesana Apokalypsy 21:1, 4
Hanompo an’Andriamanitra Apokalypsy 15:3, 4
ny olona rehetra
[Efajoro/Sary, pejy 19]
Hahazo Izany ve Ianao?
Tsy mahay mandainga Andriamanitra!—Titosy 1:2.
Hoy i Jehovah: ‘Ny teniko tsy mba hiverina amiko, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.’—Isaia 55:11.
Efa manorina ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” i Jehovah ankehitriny. Efa miasa ilay fanjakana any an-danitra. Efa angonina koa izao ireo olona ho anisan’ny “tany vaovao.”
Rehefa avy nilaza ny zavatra hataon’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” ho an’ny olombelona ny bokin’ny Apokalypsy, dia manonona ny zavatra lazain’Andriamanitra, ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Hoy izy: “Indro, ataoko vaovao ny zava-drehetra.” Ary hoy koa izy: “Soraty fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.”—Apokalypsy 21:1, 5.
Ny fanontaniana lehibe tokony hapetratsika anefa dia hoe: Moa ve isika manao ny fiovana rehetra ilaina mba ho mendrika ny ho anisan’ilay “tany vaovao”, eo ambany fitondran’ilay “lanitra vaovao”?