FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • rk fizarana 6 p. 15-17
  • Nahoana Andriamanitra no Namorona ny Tany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Andriamanitra no Namorona ny Tany?
  • Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
  • Mitovitovy Aminy
  • Edena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tian’Andriamanitra ny hiainan’ny olombelona amim-pahasambarana ao amin’ny paradi
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Inona no Tian’Andriamanitra Hatao Amin’ny Tany?
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Aiza no Misy ny Paradisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
rk fizarana 6 p. 15-17

FIZARANA 6

Nahoana Andriamanitra no Namorona ny Tany?

NAMORONA ny tany Andriamanitra mba ho fonenana tonga lafatra ho an’ny olona. Hoy ny Teniny: “Ny lanitra dia an’i Jehovah, fa ny tany kosa nomeny ho an’ny zanak’olombelona.”—Salamo 115:16.

Nifidy faritra kely teto an-tany Andriamanitra talohan’ny namoronany an’i Adama, ilay lehilahy voalohany. Nantsoiny hoe Edena io faritra io, ary nasiany zaridaina tsara tarehy tao. Milaza ny Soratra Masina fa avy tao Edena no nipoiran’ny reniranon’i Eofrata sy Tigra (Hidekela).a Toa tany amin’ny faritra atsinanan’i Torkia no nisy an’i Edena. Tena nisy teto an-tany tokoa izy io!

Noforonin’Andriamanitra i Adama, ary napetrany tao amin’ny zaridainan’i Edena “mba hiasa sy hikarakara” azy io. (Genesisy 2:15) Namorona an’i Eva Andriamanitra tatỳ aoriana, mba ho vadin’i Adama. Hoy izy tamin’izy mivady: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” (Genesisy 1:28) “Tsy hoe tsy misy antony” tokoa ny namoronany ny tany, fa “nataony honenana.”—Isaia 45:18.

Nikomy tamin’Andriamanitra anefa i Adama sy Eva, satria ninia nandika ny lalàny. Noroahin’Andriamanitra avy tao Edena àry izy ireo. Nafoy ilay Paradisa. Tsy izay ihany anefa no vokatry ny fahotan’i Adama. Hoy ny Soratra Masina: “Avy tamin’ny olona iray ... no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”—Romanina 5:12.

Vita hatreo ve ilay fikasan’i Jehovah hoe ho paradisa honenan’ny olona sambatra ny tany? Tsia! Hoy mantsy izy: ‘Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teny aloaky ny vavako, fa hanatanteraka izay sitrako ary hahomby amin’izay andefasako azy.’ (Isaia 55:11) Tsy maintsy ho lasa paradisa àry ny tany!

Hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa? Diniho ireo fampanantenan’ny Soratra Masina, ao amin’ny pejy roa manaraka.

a Hoy ny Genesisy 2:10-14: “Nisy renirano nivoaka avy tao Edena mba hanondraka ilay zaridaina, ary avy teo izy io no nizara ka nisampana efatra. Pisona no anaran’ny voalohany ... Gihona no anaran’ny renirano faharoa ... Hidekela [na Tigra] no anaran’ny renirano fahatelo: Izy io no mankany atsinanan’i Asyria. Ary i Eofrata no renirano fahefatra.” Tsy fantatra ny toerana nisy ireo renirano roa voalohany sy ny momba azy.

Ahoana no Havalinao?

  • Nahoana Andriamanitra no namorona ny tany sy ny olombelona?

  • Ahoana no ahafantarantsika fa hotanterahin’Andriamanitra izany fikasany izany?

Olona ao amin’ny Paradisa

Ho Lasa Paradisa ny Tany

Hatsangana ny maty: ‘Handre ny feony izay rehetra any am-pasana, dia hivoaka.’—Jaona 5:28, 29.

Tsy hisy ho antitra na ho kilemaina na ho faty intsony: “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ” (Isaia 33:24) Hofafan’Andriamanitra “ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”—Apokalypsy 21:4.

Sakafo tsara be dia be: “Hahavokatra tokoa ny tany. Hitahy antsika Andriamanitra, eny, ilay Andriamanitsika.”—Salamo 67:6.

Trano tsara sy asa mahafa-po: ‘Hanao trano ny olona ka honina ao. Hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.’—Isaia 65:21, 22.

Tsy hisy ady na heloka bevava na herisetra intsony: “Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany” i Jehovah. (Salamo 46:9) ‘Ny ratsy fanahy ho ringana tsy ho amin’ny tany.’—Ohabolana 2:22.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara