FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • rk fizarana 10 p. 24-25
  • Ilay Fahavalon’ny Finoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Fahavalon’ny Finoana
  • Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Niely ny finoana sandoka
  • Tsy foana tanteraka ny tena finoana
  • Momba An’ireo Anjely
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Fanoharana Momba ny Vary sy ny Tsimparifary
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • ‘Hamirapiratra Tahaka ny Masoandro ny Olo-marina’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Inona no Hiafaran’ny Fivavahana Kristianina?
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
rk fizarana 10 p. 24-25

FIZARANA 10

Ilay Fahavalon’ny Finoana

NAMORONA anjely tany an-danitra i Jehovah Andriamanitra, ela be talohan’ny namoronany ny tany. Naniry hotompoina ny anjely iray, tatỳ aoriana, nefa Andriamanitra ihany no tokony hotompoina. Notanterahiny io faniriany io, ka izy ihany no nahatonga ny tenany ho Satana, izay midika hoe “Mpanohitra”, izany hoe manohitra an’Andriamanitra. Ahoana no nataony?

Eva mandinika an’ilay voankazo asain’ilay bibilava hohaniny

Nampiasa menarana i Satana mba hamitahana an’i Eva

Nofitahin’i Satana i Eva mba tsy hankatò an’Andriamanitra. Fetsy i Satana ka nilaza fa misy zavatra tsara tsy nomen’Andriamanitra an’i Eva, matoa izy nandrara azy tsy hihinana tamin’ny hazo iray. Sahy nilaza an’Andriamanitra ho mpandainga i Satana, ka nampirisika an-kolaka an’i Eva mba tsy hanaraka an’izay nolazain’Andriamanitra. Hoy izy: “Fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:5) Nino befahatany ny laingan’i Satana i Eva. Nandika ny lalàn’Andriamanitra izy, ary notaominy koa i Adama. Lasa fahavalon’izay rehetra manana ny tena finoana àry i Satana. Mbola mamitaka ny olona izy hatramin’izao. Inona no ataony?

Niely ny finoana sandoka

Olona mihira sy mandihy manodidina zanak’omby volamena iray

Nitarika ny olona hanompo sampy sy hanaraka lovantsofina i Satana mba hamitahana azy ireo

Nitarika ny zanak’Israely hanompo sampy sy hanaraka lovantsofina i Satana mba hanimbana ny finoan’izy ireo. Nilaza tamin’ireo mpitondra fivavahana teo amin’izy ireo i Jesosy hoe very maina ny ivavahan’izy ireny, satria “didin’olombelona” no nampianariny. (Matio 15:9) Nanda an’ilay Mesia ny firenen’Israely ka nolavin’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.” (Matio 21:43) Ny mpanara-dia an’i Jesosy àry no lasa vahoakan’Andriamanitra.

Niezaka hanimba ny finoan’ny mpanara-dia an’i Jesosy i Satana avy eo. Nahomby ve izy? Nilaza mialoha izay hitranga i Jesosy ka nampiasa izao fanoharana izao: Namafy vary teny an-tanimbary ny lehilahy iray, nefa namafy tsimparifary teny amin’ny vary ny fahavalo avy eo. Navela hiara-maniry ireo mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana. Tamin’izay ny tsimparifary vao navahana tamin’ny vary, ary nodorana. Nangonina kosa ny vary ka natao tao an-trano fitehirizam-bokatra.

Nohazavain’i Jesosy tamin’ny mpianany ny hevitr’ilay fanoharana: Izy no Mpamafy, ary “ny voa tsara dia ny zanak’ilay fanjakana, fa ny tsimparifary kosa dia ny zanak’ilay ratsy, ary ny fahavalo namafy izany dia ny Devoly. Ny fotoam-pijinjana dia ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity, ary ny mpijinja dia anjely.” (Matio 13:38, 39) Oharin’i Jesosy amin’ny vary ny tena mpianany. I Satana kosa namafy tsimparifary, izany hoe mpianatra sandoka, teo amin’ireo tena mpanara-dia an’i Jesosy. Nanjary nisy mpianatra sandoka àry taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, araka ny efa nolazainy. Nampiely fampianaran’ny mpivadi-pinoana izy ireny, anisan’izany ny Andriamanitra telo izay iray. Nanomboka nanompo sampy sy niditra tamin’ny politika koa ireo mpianatra sandoka. Vitsy ihany no nitana ny fampianaran’i Jesosy.

Tsy foana tanteraka ny tena finoana

Hisy fiovana ihany anefa, araka ny efa nolazain’i Jesosy. Hanavaka an’ireo tsy manana ny tena finoana ny anjelin’Andriamanitra, ka handringana an’ireny. Ho mora fantatra àry ireo manana ny tena finoana. Horinganina koa amin’ny farany, i Satana Devoly, ilay fahavalon’ny finoana. Handresy ny tena finoana!

Ahoana no hamantaranao an’ireo manana ny tena finoana ankehitriny? Hodinihintsika ny valin’izany.

Olona samy hafa taona sy fiaviana

Mitady olona te hanana ny tena finoana ny anjely ankehitriny

Ahoana no Havalinao?

  • Ahoana no nampisy an’i Satana?

  • Ahoana no niezahan’i Satana nanimba ny finoan’ny olona?

  • Hazavao ilay fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara