FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • rk fizarana 12 p. 28-29
  • Porofoy fa Manana ny Tena Finoana Ianao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Porofoy fa Manana ny Tena Finoana Ianao!
  • Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Atao hoe Tena Finoana?
    Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
  • Tena Mino ny Vaovao Tsara ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • “Ampitomboy ny Finoanay”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Asehoy hoe Tena Mino ny Fampanantenan’i Jehovah Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
rk fizarana 12 p. 28-29

FIZARANA 12

Porofoy fa Manana ny Tena Finoana Ianao!

NAMPIOMANA ny mpanompony Andriamanitra fa hisy fitsapam-pinoana. Hoy ny Teniny: ‘Aoka ianareo hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.’ (1 Petera 5:8) Inona no mety hataon’i Satana mba handravana ny finoanao?

Lehilahy iray mamaky ny Soratra Masina, ary misy lehilahy iray hafa tsy tia an’ilay zavatra ataony

Efa nisy nanohitra toy izao ve ianao?

Mety hampiasa olona i Satana, angamba havanao na namanao, mba hisakanana anao tsy handinika ny Soratra Masina. Hoy i Jesosy: “Ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.” (Matio 10:36) Tsy hoe ratsy saina ny havantsika na ny namantsika, fa mety ho tsy fantany fotsiny ireo fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, na koa mety hatahotra ny vavam-bahoaka izy ireo. Hoy anefa ny Soratra Masina: “Fandrika ny tahotra olona, fa izay matoky an’i Jehovah no ho voaro.” (Ohabolana 29:25) Ho faly ve Andriamanitra raha tsy mianatra ny Soratra Masina intsony ianao mba hahazoana sitraka amin’olona? Tsy izany mihitsy! Manampy antsika kosa Izy raha porofointsika fa manana ny tena finoana isika. “Tsy anisan’izay mihemotra ho ringana isika, fa anisan’ireo manam-pinoana mba ho voatsimbina ny aintsika.”—Hebreo 10:39.

Tadidinao ve i Dumas, ilay noresahina tany aloha? Nanesoeso azy noho ny finoany ny vadiny, nefa niara-nianatra ny Tenin’Andriamanitra taminy ihany tatỳ aoriana. Mety ho voataonanao koa ny havanao na ny namanao, raha miezaka hanao ny tsara foana ianao. Matetika no misy havana ‘voataona tsy amin’ny teny’, fa amin’ny “fitondran-tena madio” sy ny “fanajana lalina” asehon’ilay manana ny tena finoana.—1 Petera 3:1, 2.

Ataon’i Satana koa izay hieritreretan’ny olona hoe tsy manam-potoana hianarana ny Soratra Masina izy. Tiany ‘hangeja’ an’ilay teny masina nampianarina anao ny olana eo amin’ny fiainana na ny fahasahiranana ara-bola, ka ‘hanjary tsy hamoa’ ny finoanao. (Marka 4:19) Tsara anefa ny mitsinjo lavitra! Hoy mantsy ny Soratra Masina: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa àry ianao, raha tsy mitsahatra mianatra momba an’Andriamanitra sy Jesosy, ilay Mesia!

Lehilahy iray mivavaka

Mivavaha mba hanampian’Andriamanitra anao

Eritrereto i Mosesy! Afaka nikatsaka harena sy laza ary fahefana izy, satria anisan’ny ankohonan’ny mpanjakan’i Ejipta. Naleony anefa “nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, toy izay hifaly vetivety tamin’ny fahotana.” “Tsy azo nohozongozonina” mantsy izy, “toy ny mahita an’Ilay tsy hita.” (Hebreo 11:24, 25, 27) Tena nino an’Andriamanitra i Mosesy. Ny sitrapon’Andriamanitra no zava-dehibe kokoa taminy, fa tsy ny hahasoa ny tenany, ka tena notahin’Andriamanitra izy. Hotahiny koa ianao raha manao toy izany.

Mety hampiasa fomba maro i Satana hahazoana anao. Tsy voatery ho azony anefa ianao. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: ‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’ (Jakoba 4:7) Inona no azonao atao hanoherana azy?

Ianaro foana ny Soratra Masina. Vakio isan’andro ny Tenin’Andriamanitra. Diniho izay ampianarina ao. Ampiharo ny torohevitra ao. Handray “ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra” ianao amin’izay, ary ireny no hahafahanao hanohitra ny fanafihan’i Satana.—Efesianina 6:13.

Miaraha amin’ny olona manana ny tena finoana. Tadiavo ny olona mamaky sy mianatra ary mampihatra ny Soratra Masina. ‘Mifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara’ izy ireny, ary ‘mifampahery.’ Hanampy anao hanana finoana matanjaka koa izy ireny.—Hebreo 10:24, 25.

Olona samy hafa taona miara-mikorana

Miaraha amin’ireo manana ny tena finoana

Manatòna an’i Jehovah. Mivavaha mba hanampian’Andriamanitra anao, ary matokia azy. Aza hadinoina mihitsy fa te hanampy anao izy. ‘Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anao, satria miahy anao izy.’ (1 Petera 5:6, 7) ‘Tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra, ka tsy hamela anao halaim-panahy mihoatra noho izay zakanao, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanao izany.’—1 Korintianina 10:13.

Manaratsy an’Andriamanitra i Satana ka milaza hoe tsy hisy olona hanompo an’Andriamanitra rehefa tojo olana. Afaka manaporofo anefa ianao hoe mpandainga i Satana. “Hendre”, hoy Andriamanitra, “ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.” (Ohabolana 27:11) Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hanaporofo fa manana ny tena finoana!

Ahoana no Havalinao?

  • Inona no mety hataon’i Satana mba hampihozongozona ny finoanao?

  • Ahoana no nanaporofoan’i Mosesy fa nanana ny tena finoana izy?

  • Inona no azonao atao rehefa misy fitsapam-pinoana?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara