FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jl lesona 19
  • Iza ny Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza ny Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina?
  • Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Mitovitovy Aminy
  • “Iza Tokoa moa Ilay Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina?”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • “Mpanompo” Mahatoky Sady Malina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • ‘Manaraka ny Zanak’ondry Foana’ Izy Ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
jl lesona 19

LESONA 19

Iza ny Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina?

Jesosy miresaka amin’ny mpianany
Vavolombelona iray mianatra boky ara-baiboly

Mandray soa avy amin’ny sakafo ara-panahy daholo isika

Vavolombelona iray mianatra boky ara-baiboly

Niresaka momba ny famantarana ny andro farany tamin’i Petera, Jakoba, Jaona, ary Andrea i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany. Hoy izy avy eo: “Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety?” (Matio 24:3, 45; Marka 13:3, 4) Nanome toky an’ireo mpanara-dia azy i Jesosy fa hisy olona hasainy hanome sakafo ara-panahy azy ireo amin’ny andro farany. Izy mantsy ilay ‘tompon’izy ireo.’ Iza àry ilay mpanompo hasainy hanao izany?

Rahalahy vitsivitsy voahosotry ny fanahy io mpanompo io. Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary manome sakafo ara-panahy ho an’ny vahoakan’i Jehovah amin’ny fotoana ilana an’izany. Tsy mahazo sakafo ara-panahy àry isika raha tsy eo izy io.—Lioka 12:42.

Mikarakara ny fiangonan’Andriamanitra ny mpanompo mendri-pitokisana. (1 Timoty 3:15) Asain’i Jesosy miandraikitra ny fandaminan’i Jehovah etỳ an-tany io mpanompo io. Andraikitra lehibe izany satria mila mikarakara ny fananan’ny fandaminana izy io, mandamina ny asa fitoriana, ary mampianatra antsika amin’ny alalan’ny fiangonana. Manome sakafo ara-panahy antsika amin’ny alalan’ny boky, gazety, fivoriana, ary fivoriambe koa izy io. Tena ilaintsika amin’izao mihitsy izany.

Mendri-pitokisana io mpanompo io, satria mampianatra izay tena lazain’ny Baiboly ary mitory ny vaovao tsara. (Asan’ny Apostoly 10:42) Malina koa izy io, satria mitandrina tsara rehefa mikarakara ny fananan’i Kristy etỳ an-tany. Tahin’i Jehovah ny mpanompo mendri-pitokisana, ka mahavita manome sakafo ara-panahy be dia be. Lasa betsaka koa ny vahoakan’i Jehovah.—Isaia 60:22; 65:13.

  • Iza no nasain’i Jesosy hanome sakafo ara-panahy ny mpianany?

  • Nahoana no mendri-pitokisana sy malina io mpanompo io?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara