FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jl lesona 20
  • Inona no Ataon’ny Filan-kevi-pitantanana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Ataon’ny Filan-kevi-pitantanana?
  • Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no Mitarika ny Vahoakan’​Andriamanitra Ankehitriny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Aoka isika hiara-hiasa amin’ny Kolejy foibe ankehitriny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Iza “Ilay Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina” ary Inona no Ataony?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
jl lesona 20

LESONA 20

20 Inona no Ataon’ny Filan-kevi-pitantanana?

Ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany

Filan-kevi-pitantanana, taonjato voalohany

Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, mamaky taratasy avy amin’ny filan-kevi-pitantanana

Mamaky taratasy avy amin’ny filan-kevi-pitantanana

Ny “apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema” no filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany. Rehefa nisy fanapahan-kevitra lehibe tokony horaisina, dia izy ireo no nanao izany satria nisolo tena ny Kristianina voahosotra rehetra izy ireo. (Asan’ny Apostoly 15:2) Nandinika ny Soratra Masina sy nangataka ny fanahy masina anefa aloha ry zareo, vao niara-nanapa-kevitra. (Asan’ny Apostoly 15:25) Izany koa no ataon’ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny.

Ampiasain’Andriamanitra hanao ny sitrapony izy ireo. Lehilahy voahosotra vitsivitsy ny Filan-kevi-pitantanana. Tena liana amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, ary mahay mandamina ny asa fitoriana sy mamaly fanontaniana ara-baiboly. Mivory isan-kerinandro izy ireo handinihana izay ilain’ny vahoakan’i Jehovah eran-tany. Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia manome toromarika avy ao amin’ny Baiboly izy ireo. Ampitainy amin’ny alalan’ny taratasy na mpiandraikitra mpitety faritany, ohatra, ilay izy, ka lasa miray saina sy mitovy zavatra atao ny mpanompon’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 16:4, 5) Ny Filan-kevi-pitantanana no miandraikitra ny sakafo ara-panahy, mampirisika ny olona hazoto hitory, ary manapa-kevitra raha azo omena andraikitra ny olona iray na tsia.

Manaraka ny tari-dalan’ny fanahy masina izy ireo. Eken’ny Filan-kevi-pitantanana fa i Jehovah no Mpanjakan’izao Rehetra Izao ary i Jesosy no Lohan’ny fiangonana. (1 Korintianina 11:3; Efesianina 5:23) Mitady torohevitra avy amin’i Jehovah sy Jesosy àry izy ireo. Tsy mihevitra ny tenany ho mpitarika ny vahoakan’Andriamanitra izy ireo. ‘Manaraka foana an’i Jesosy’ izy sy ny voahosotra hafa. (Apokalypsy 14:4) Faly ny Filan-kevi-pitantanana raha mivavaka ho azy ireo isika.

  • Iza no filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany?

  • Mitady foana ny tari-dalan’Andriamanitra ny Filan-kevi-pitantanana. Ahoana no ataony?

IEZAHO ATAO IZAO

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:1-35. Ho hitanao ao fa nanampy ny filan-kevi-pitantanana hamaha olana iray ny Soratra Masina sy ny fanahy masina. Jereo hoe ahoana no nataon’ny filan-kevi-pitantanana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara