FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • T-30 p. 1-4
  • Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?
  • Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?
    Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?
  • Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?
    Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona no Atao hoe Fanjakan’Andriamanitra?
  • Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?
    Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?
Hijery Hafa
Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?
T-30 p. 1-4

Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?

Aminao ve ny Baiboly...

  • tenin’olombelona?

  • angano?

  • Tenin’Andriamanitra?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.”—2 Timoty 3:16, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

INONA NO VOKATR’IZANY EO AMINAO?

Mahazo valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana manahiran-tsaina.—Ohabolana 2:1-5.

Mahazo torohevitra mahasoa eo amin’ny fiainana andavanandro.—Salamo 119:105.

Lasa manana fanantenana azo antoka.—Romanina 15:4.

Vehivavy sy lehilahy samy mamaky Baiboly; Fianakaviana mitsangantsangana

TENA AZO INOANA VE IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

Eny! Ireto misy antony telo:

  • Mirindra tsara. Olona 40 teo ho eo no nanoratra ny Baiboly, nandritra ny 1 600 taona. Tsy nifankahalala mihitsy ny ankamaroan’izy ireo. Tsy mifanipaka anefa ny zavatra nosoratany ary loha hevitra iray ihany no noresahiny.

  • Milaza ny marina. Matetika no tsy tantarain’ny mpanoratra boky ny hoe resy an’ady ny fireneny. Tsy toy izany anefa ny mpanoratra ny Baiboly. Notantarain’izy ireo daholo ny fahadisoany sy ny zavatra tsy nety nataon’ny fireneny. —2 Tantara 36:15, 16; Salamo 51:1-4.

  • Tanteraka foana izay lazainy. Roanjato taona talohan’ny haharavan’i Babylona fahiny dia efa nilaza ny Baiboly fa ho rava io tanàna io. (Isaia 13:17-22) Tsy ny fomba hitrangan’izany ihany anefa no noresahiny. Nolazainy koa ny anaran’ilay mpitari-tafika hanao izany.—Isaia 45:1-3.

    Faminaniana maro hafa koa no tanteraka tamin’ny an-tsipiriany, ary tsy mahagaga izany satria Tenin’Andriamanitra ny Baiboly.—2 Petera 1:21.

FANONTANIANA HOSAINTSAININA

Ray aman-dreny mitantana ny zanany

Nahoana ny Tenin’Andriamanitra no afaka manatsara ny fiainanao?

Mamaly izany ny Baiboly ao amin’ny ISAIA 48:17, 18 sy 2 TIMOTY 3:16, 17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara