FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yc lesona 3
  • Nino An’i Jehovah i Rahaba

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nino An’i Jehovah i Rahaba
  • Ampianaro ny Zanakao
  • Mitovitovy Aminy
  • Nihaino Tsara i Rahaba Rehefa Nisy Vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Nafenin’i Rahaba Ireo Mpitsikilo
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • ‘Nambara ho Marina Izy Noho Izay Nataony’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Rahaba — Nambara fa Marina Noho Ireo Asam-pinoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ampianaro ny Zanakao
yc lesona 3
Miakatra any amin’ilay tafontrano iafenan’ireo mpitsikilo i Rahaba

LESONA 3

Nino An’i Jehovah i Rahaba

Nipetraka tao Jeriko i Rahaba. Tanàna iray tao Kanana izy io, ary tsy nino an’i Jehovah ny mponina tao.

Nisy tantara henon’i Rahaba tamin’izy mbola kely. Nosarahin’i Mosesy, hono, ny Ranomasina Mena, ary nentiny niala tany Ejipta ny Israelita. Nampian’i Jehovah koa, hono, izy ireo, ka resiny ny fahavalony. Henony anefa izao hoe mijanona eo akaikin’i Jeriko ny Israelita.

Niaro an’ireo mpitsikilo i Rahaba satria nino an’i Jehovah

Nisy Israelita roa tonga tao Jeriko, indray hariva, mba hitsikilo an’ilay tanàna. Nankany an-tranon’i Rahaba izy ireo, ary nampandrosoiny. Rehefa alina ny andro, dia henon’ny mpanjakan’i Jeriko fa nisy mpitsikilo tonga tao an-tanàna, ary nankao amin’i Rahaba. Naniraka olona àry ny mpanjaka, mba hisambotra azy ireo. Nafenin’i Rahaba tao an-tampon-tranony ireo mpitsikilo, ary hoy izy tamin’ireo iraky ny mpanjaka: ‘Teto tokoa ireo mpitsikilo, saingy efa lasa. Ho tratranareo ry zareo, raha mandeha izao dia izao ianareo!’ Fantatrao ve hoe nahoana i Rahaba no niaro an’ireo mpitsikilo?... Satria nino an’i Jehovah izy, ary fantany fa homeny an’ireo Israelita ny tany Kanana.

Nampanantena ireo mpitsikilo, talohan’ny nandehanany, fa tsy ho faty i Rahaba sy ny fianakaviany rehefa horavana i Jeriko. Fantatrao ve hoe inona no nasainy nataon’i Rahaba?... Hoy izy ireo: ‘Afatory eo amin’ny varavarankelinao ity tady menamena ity, dia ho voavonjy izay rehetra ao an-tranonao.’ Narahin’i Rahaba ny tenin’izy ireo. Fantatrao ve izay nitranga taorian’izay?...

Mihantona eo amin’ny varavarankelin’i Rahaba eo amin’ny mandan’i Jeriko ilay tady mena

Novonjen’i Jehovah i Rahaba sy ny fianakaviany

Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nandeha nanodidina an’i Jeriko ny Israelita ary tsy nitabataba. Nanodidina an’ilay tanàna indray mandeha isan’andro izy ireo nandritra ny enina andro. Nanodidina impito anefa izy ireo tamin’ny andro fahafito. Nihorakoraka izy ireo avy eo, ary nataon’i Jehovah nianjera ny tambohon’ilay tanàna. Tsy nianjera anefa ilay trano nisy tady menamena. Hitanao eo amin’ny sary ve izany?... Tsy maty i Rahaba sy ny fianakaviany!

Inona no ianaranao avy amin’i Rahaba?... Nino an’i Jehovah izy satria nandre an’ireo zavatra mahafinaritra nataony. Be dia be koa ny zavatra henonao momba an’i Jehovah. Mino azy koa ve ianao?... Fantatray fa mino azy ianao!

VAKIO NY

  • Josoa 2:1-24; 6:1-5, 14, 15, 20-25

  • Hebreo 11:31

FANONTANIANA:

  • Inona ny tantara henon’i Rahaba, tamin’izy mbola kely?

  • Ahoana no nanampian’i Rahaba an’ireo mpitsikilo? Nahoana izy no nanao an’izany?

  • Inona no nampanantenain’ireo mpitsikilo an’i Rahaba?

  • Inona no ianaranao avy amin’i Rahaba?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara