FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yc lesona 5
  • Nanao ny Tsara Foana i Samoela

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanao ny Tsara Foana i Samoela
  • Ampianaro ny Zanakao
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanao ny Tsara Foana i Samoela
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Manompo An’andriamanitra ny Zazalahy Kely Iray
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Nanompo An’i Jehovah Foana Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • “Nihalehibe teo Anatrehan’i Jehovah” Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ampianaro ny Zanakao
yc lesona 5

LESONA 5

Nanao ny Tsara Foana i Samoela

Mbola kely i Samoela dia efa niasa sy nipetraka tao amin’ny tranolay masina, izay toerana nanompoana an’i Jehovah. Fantatrao ve hoe ahoana no nahatonga azy tao? Andeha aloha isika hiresaka momba an’i Hana, maman’i Samoela.

Tsy niteraka i Hana nefa efa ela izy no te hanan-janaka. Nivavaka tamin’i Jehovah àry izy. Nilaza izy fa halefany hipetraka sy hiasa any amin’ny tranolay masina ny zanany, raha mahazo zazalahy izy. Namaly vavaka i Jehovah, ka niteraka zazalahy izy. Nataony hoe Samoela ny anarany. Nentiny tany amin’ny tranolay masina i Samoela, tamin’izy telo na efa-taona teo ho eo, mba hanompo an’i Jehovah.

I Ely no mpisoronabe tao amin’ny tranolay, tamin’izany. Izy no nisolo tena ny vahoaka teo anatrehan’i Jehovah. Mpisorona tao amin’ny tranolay koa ny zanany roa lahy. Tadidio fa toerana nanompoana an’i Jehovah ny tranolay, ka zavatra tsara no tokony hatao ao. Hitan’i Samoela nanao ratsy anefa ny zanak’i Ely. Nanao hoatr’azy ireo koa ve i Samoela?... Tsia. Nanao ny tsara foana izy, satria izany no nampianarin’ny ray aman-dreniny.

Inona no tokony ho nataon’i Ely tamin’ny zanany?... Tokony ho nosaziny izy ireo ary tsy tokony ho navelany hiasa tao an-tranon’i Jehovah intsony. Tsy izany anefa no nataony. Tezitra tamin’i Ely sy ny zanany àry i Jehovah, ka nanapa-kevitra ny hanasazy azy ireo.

Samoela kely miresaka amin’i Ely Mpisoronabe

Nolazain’i Samoela tamin’i Ely ny tenin’i Jehovah

Nisy niantso i Samoela, indray alina. Nihazakazaka nankany amin’i Ely izy, nefa hoy i Ely: ‘Tsy niantso anao aho.’ Rehefa niverina fanintelony izany, dia hoy i Ely tamin’i Samoela: ‘Raha mbola henonao ilay feo, dia izao lazaina: “Mitenena Jehovah ô, fa mihaino anao aho.”’ Izany tokoa no nataon’i Samoela, ka hoy i Jehovah taminy: ‘Teneno i Ely hoe hosaziko ny fianakaviany satria nanao ratsy.’ Mora tamin’i Samoela ve ny nilaza an’izany tamin’i Ely?... Tsia. Nankatò an’i Jehovah anefa izy na dia natahotra aza. Tanteraka ny tenin’i Jehovah rehefa nisy namono ny zanak’i Ely roa lahy, ary maty koa i Ely.

Ohatra tsara ho antsika i Samoela, satria nanao ny tsara foana izy na dia nahita olona nanao ratsy aza. Ary ianao? Hanao ny tsara foana hoatran’i Samoela ve ianao? Raha manao izany ianao dia ho faly i Dada sy Neny ary Jehovah.

VAKIO NY

  • 1 Samoela 2:22-26; 3:1-21

FANONTANIANA:

  • Inona no nolazain’i Hana tamin’i Jehovah?

  • Hitan’i Samoela nanao inona ny zanak’i Ely, tao amin’ny tranolay masina?

  • Inona no notenenin’i Jehovah tamin’i Samoela?

  • Nahoana i Samoela no ohatra tsara ho antsika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara