FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yc lesona 10
  • Nankatò Foana i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nankatò Foana i Jesosy
  • Ampianaro ny Zanakao
  • Mitovitovy Aminy
  • Nianatra Nankatò i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Inona no Ianarantsika avy Amin’i Maria?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • “Ity no Zanako”
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • ‘Nandinika Lalina tao Am-pony Izy’
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
Hijery Hafa
Ampianaro ny Zanakao
yc lesona 10
Hitan’i Josefa sy Maria tao amin’ny tempoly i Jesosy

LESONA 10

Nankatò Foana i Jesosy

Mora foana ve ny mankatò an’i Dada sy Neny?... Sarotra izany indraindray. Fantatrao ve fa nankatoavin’i Jesosy daholo na i Jehovah na ny ray aman-dreniny?... Hanampy anao hankatò an’i Dada sy Neny ny ohatr’i Jesosy. Andeha isika hiresaka momba izany.

Niaraka tamin’i Jehovah Rainy tany an-danitra i Jesosy, tamin’izy mbola tsy teto an-tany. Nanana Dada sy Neny teto an-tany koa anefa izy. Josefa sy Maria no anarany. Ahoana no nahatonga azy ireo ho ray aman-drenin’i Jesosy?...

Nafindran’i Jehovah tao an-kibon’i Maria ny ain’i Jesosy. Lasa afaka niaina teto an-tany àry izy. Fahagagana izany! Nitombo tao an-kibon’i Maria i Jesosy, hoatran’ny zazakely rehetra mitombo ao an-kibon’ny mamany. Teraka izy, sivy volana teo ho eo tatỳ aoriana. Lasa ray aman-drenin’i Jesosy teto an-tany àry i Josefa sy Maria.

Nasehon’i Jesosy, tamin’izy 12 taona, fa tena tiany i Jehovah Rainy. Nandeha lavitra be ny fianakaviany tamin’izay, mba hanompo an’i Jehovah tany Jerosalema. Tsy hitan’i Josefa sy Maria anefa i Jesosy teny an-dalana hody. Fantatrao ve hoe taiza izy?...

Nahoana i Jesosy no nankao amin’ny tempoly?

Niverina haingana tany Jerosalema i Josefa sy Maria, ary nitady an’i Jesosy. Natahotra be izy ireo satria tsy nahita azy. Hitan’izy ireo tao amin’ny tempoly anefa izy, rehefa afaka telo andro. Nahoana i Jesosy no nankao?... Satria tao izy no afaka nianatra momba an’i Jehovah Rainy. Tia an’i Jehovah izy ka te hianatra hoe ahoana no hampifaliana azy. Nankatò an’i Jehovah foana izy, na dia rehefa lasa olon-dehibe aza. Nankatò foana koa izy na tsy mora taminy aza izany, ary na dia tsy maintsy nijaly aza izy. Nankatò an’i Josefa sy Maria koa ve i Jesosy?... Ie. Milaza ny Baiboly fa nanao izany izy.

Inona no ianaranao avy amin’i Jesosy?... Mila mankatò an’i Dada sy Neny ianao, na dia tsy mora aza izany indraindray. Hanao an’izany ve ianao?...

VAKIO NY

  • Lioka 1:30-35; 2:45-52

  • Efesianina 6:1

  • Hebreo 5:8

FANONTANIANA:

  • Ahoana no nahatonga an’i Josefa sy Maria ho lasa ray aman-drenin’i Jesosy teto an-tany?

  • Taiza i Jesosy no hitan’ny ray aman-dreniny rehefa notadiaviny?

  • Inona no ianaranao avy amin’i Jesosy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara