FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 19 p. 48-p. 51 feh. 4
  • Nampianatra Vehivavy Samaritanina Iray i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nampianatra Vehivavy Samaritanina Iray i Jesosy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MARO NY SAMARITANINA LASA MPINO
  • Fampianarana vehivavy samaritana iray
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nampianatra vehivavy samaritana iray Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Samaritana maro be no nino
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ilay Vehivavy teo Amin’ny Lavadrano
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 19 p. 48-p. 51 feh. 4
I Jesosy miresaka amin’ny vehivavy samaritanina iray eo am-pantsakana

TOKO 19

Nampianatra Vehivavy Samaritanina Iray i Jesosy

JAONA 4:3-43

  • NAMPIANARIN’I JESOSY NY VEHIVAVY SAMARITANINA IRAY SY NY OLON-KAFA

  • FIVAVAHANA ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA

Avy tany Jodia i Jesosy sy ny mpianany ary ho any Galilia, ka nianavaratra namakivaky ny faritr’i Samaria. Reraka izy ireo ka nijanona teo amin’ny fantsakana iray, rehefa mitataovovonana teo ho eo. Teo akaikin’ny tanànan’i Sykara ilay fantsakana, ary i Jakoba angamba no nandavaka azy io na olona nokaramainy, taonjato maro talohan’izay. Mbola hita any akaikin’ny tanànan’i Naplouse izy io.

Naka aina teo i Jesosy, fa ny mpianany kosa lasa nividy sakafo tao amin’ny tanàna tsy lavitra teo. Nisy vehivavy samaritanina tonga hantsaka tamin’izay. Hoy i Jesosy taminy: “Mba omeo rano aho hosotroiko.”—Jaona 4:7.

Miala sasatra eo amin’ny fantsakana iray i Jesosy. Lasa ny mpianany ary tonga hantsaka ny vehivavy samaritanina iray

Tsy nifandray ny Jiosy sy ny Samaritanina tamin’ny ankapobeny, satria efa hatramin’ny ela izy ireo no nifampitsaratsara. Gaga àry ilay vehivavy ka nilaza hoe: “Jiosy ianao, koa nahoana no mangataka amiko rano hosotroina, nefa izaho vehivavy samaritanina?” Hoy i Jesosy: “Raha mba fantatrao mantsy ny fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra, sy ilay milaza aminao hoe: ‘Mba omeo rano aho hosotroiko’, dia ianao no ho nangataka taminy, ka ho nomeny rano velona.” Hoy ilay vehivavy: “Tsy manana fanovozana ianao, tompoko, sady lalina ny lavadrano, koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany? Ianao angaha lehibe noho i Jakoba razanay, izay nanome anay ity lavadrano ity, sady izy sy ny zanany ary ny biby fiompiny no nisotro teto?”—Jaona 4:9-12.

Namaly i Jesosy hoe: “Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray, fa izay rehetra misotro ny rano homeko azy kosa tsy hangetaheta intsony mihitsy. Fa ilay rano homeko azy dia ho loharano ao anatiny, izay hiboiboika mba hanome fiainana mandrakizay.” (Jaona 4:13, 14) Nazoto niresaka ny fahamarinana manome fiainana tamin’ilay Samaritanina i Jesosy, na efa reraka aza.

Hoy indray ilay vehivavy: “Omeo izany rano izany aho, tompoko, mba tsy hangetaheta na hiverimberina hantsaka eto intsony.” Toa nanova resaka i Jesosy avy eo, ka nilaza hoe: “Mandehana, antsoy ny vadinao ary mankanesa atỳ.” Namaly ilay vehivavy hoe: “Tsy manambady aho.” Tsy maintsy ho talanjona izy avy eo noho ny zavatra fantatr’i Jesosy. Hoy mantsy i Jesosy: “Marina ny teninao hoe: ‘Tsy manambady aho.’ Fa efa nanana vady dimy ianao, ary tsy vadinao ilay lehilahy miara-mipetraka aminao izao.”—Jaona 4:15-18.

Azony ny tian’i Jesosy hambara ka gaga izy ary niteny hoe: “Fantatro izao fa mpaminany ianao, tompoko.” Hita hoe liana tamin’ny fivavahana izy, satria hoy izy: “Ny razanay [Samaritanina] nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity [Tendrombohitra Gerizima tsy lavitra teo], nefa ianareo [Jiosy] milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.”—Jaona 4:19, 20.

Nohazavain’i Jesosy anefa fa tsy ny toerana ivavahana no zava-dehibe. Hoy izy: “Ho avy ny fotoana, ary tonga izany ankehitriny, ka ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana. Fa olona toy izany tokoa no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy.”—Jaona 4:21, 23, 24.

Tsy ny toerana ivavahan’ireo tena mpanompony no zava-dehibe amin’ny Ray, fa ny fomba ivavahan’izy ireo. Gaga ilay vehivavy! Hoy izy: “Fantatro fa ho avy ny Mesia, izay atao hoe Kristy, ary rehefa tonga izy, dia hambarany mazava amintsika ny zava-drehetra.”—Jaona 4:25.

Hoy àry i Jesosy: “Izaho izay miresaka aminao izao no izy.” (Jaona 4:26) Eritrereto ange e! Hantsaka no nahatongavan’ilay vehivavy teo tamin’ny mitataovovonana, nefa nomen’i Jesosy tombontsoa miavaka izy. Nolazainy mazava taminy fa izy no Mesia. Toa mbola tsy nisy olon-kafa nilazany an’izany mihitsy.

MARO NY SAMARITANINA LASA MPINO

Tafaverina avy tany Sykara ny mpianatr’i Jesosy, ary nitondra sakafo. Mbola teo amin’ilay fantsakan’i Jakoba i Jesosy no hitan’izy ireo, saingy niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina iray. Navelan’ilay vehivavy teo ny sininy rehefa tonga ny mpianatra, ary nankany an-tanàna izy.

Miverina eo amin’ilay fantsakana ireo mpianatra ary lasa ilay vehivavy samaritanina

Notantarainy tamin’ny olona ny zavatra nolazain’i Jesosy taminy, rehefa tonga tao Sykara izy. Nafana fo erỳ izy niteny hoe: “Avia ange ianareo e! Atsy misy lehilahy nilaza tamiko ny zava-drehetra nataoko.” Hoy koa izy: “Izy angamba no Kristy!” (Jaona 4:29) Nety ho te hanaitra ny sain’izy ireo izy tamin’izay. Efa hatramin’ny andron’i Mosesy mantsy no nanitikitika ny sain’ny olona ny hoe iza i Kristy. (Deoteronomia 18:18) Nivoaka hijery an’i Jesosy àry ny olona tao an-tanàna.

Ilay vehivavy samaritanina mitantara amin’ny mponin’i Sykara ny zavatra nolazain’i Jesosy azy

Nandritra izany fotoana izany, dia nasain’ny mpianany hihinana ny sakafo nentin’izy ireo i Jesosy. Hoy anefa izy: “Izaho manan-kanina izay tsy fantatrareo.” Gaga ny mpianany ka nifanontany hoe: “Fa angaha nisy nitondra zavatra hohaniny teo?” Nanazava tamin-katsaram-panahy àry i Jesosy hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:32-34) Misy heviny lehibe ho an’ireo rehetra manara-dia an’i Jesosy io teniny io.

Asa fijinjana no tian’i Jesosy horesahina eo, nefa tsy fijinjana ara-bakiteny. Efa-bolana teo ho eo taorian’izay mantsy vao nanomboka ny fijinjana. Fijinjana ara-panahy no tiany horesahina, araka ny nolazainy hoe: “Atopazo ny masonareo ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra. Efa mahazo karama sahady ny mpijinja sady efa mamory ny vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay, mba hiara-miravoravo ny mpamafy sy ny mpijinja.”—Jaona 4:35, 36.

Mety ho efa fantatr’i Jesosy ny vokatry ny nihaonany tamin’ilay vehivavy samaritanina. Maro tamin’ny olona tao Sykara no nino azy noho ny fitantaran’ilay vehivavy, izay nilaza hoe: “Nolazainy tamiko daholo ny zava-drehetra nataoko.” (Jaona 4:39) Rehefa tonga teo amin’ilay fantsakana àry ny olona tao Sykara, dia nangataka an’i Jesosy mba hijanona sy hiresaka bebe kokoa tamin’izy ireo. Nanaiky i Jesosy ary nijanona roa andro tao Samaria.

Nihaino an’i Jesosy ireo Samaritanina, ka maro no nino azy. Hoy izy ireo tamin’ilay vehivavy: “Tsy noho ny filazanao intsony izao no inoanay, fa ny tenanay mihitsy no nandre, ka fantatray fa io tokoa no mpamonjy an’izao tontolo izao.” (Jaona 4:42) Afaka manahaka an’io vehivavy samaritanina io isika rehefa mitory momba an’i Kristy. Miezaka hanaitra ny sain’ny mpihaino antsika isika, mba hahatonga azy ireo ho vonona handray fanazavana bebe kokoa.

Tadidio fa efa-bolana talohan’ny fijinjana tamin’izay. Toa fijinjana orza ilay izy, ary rehefa lohataona izany no natao tany amin’io faritra io. Mety ho Novambra na Desambra àry tamin’izay. Midika izany fa nijanona valo volana teo ho eo tao Jodia i Jesosy sy ny mpianany taorian’ny Paska taona 30, ka nampianatra sy nanao batisa. Nianavaratra izy ireo taorian’izay fa hody tany Galilia. Inona no niandry azy ireo tany?

IZA IREO SAMARITANINA?

Eo anelanelan’i Jodia sy Galilia i Samaria. I Jodia no eo atsimo ary i Galilia no eo avaratra. Nisaraka tamin’ny fokon’i Joda sy Benjamina ny foko folon’ny Israely tany avaratra, rehefa maty i Solomona Mpanjaka.

Lasa nivavaka tamin’ny zanak’omby ireo foko folo. Navelan’i Jehovah hotafihin’ny Asyrianina àry i Samaria renivohiny, tamin’ny 740 T.K. Maro ny mponina nentin’ny Asyrianina ho babo, ka olona avy tany amin’ny faritra hafa nanjakany no napetrany tao Samaria. Nanompo sampy izy ireny ary nanambady an’ireo Israelita tavela tao. Tatỳ aoriana, dia narahin’ny mponin’i Samaria ny fampianarana sy fanao sasany tao amin’ny Lalàn’Andriamanitra, anisan’izany ny famorana. Tsy azo lazaina hoe fivavahana marina anefa ny narahin’izy ireo.—2 Mpanjaka 17:9-33; Isaia 9:9.

Nanaiky ny boky nosoratan’i Mosesy ny Samaritanina tamin’ny andron’i Jesosy, fa tsy nivavaka tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Efa an-taonany maro izy ireo no nivavaka tao amin’ny tempoly iray teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima, tsy lavitra an’i Sykara. Mbola nivavaka teny izy ireo na efa rava aza io tempoly io. Hita hoe nifankahala ny Samaritanina sy ny Jiosy nandritra ny fanompoan’i Jesosy.—Jaona 8:48.

  • Nahoana ilay vehivavy samaritanina no gaga hoe niresaka taminy i Jesosy?

  • Inona no nampianarin’i Jesosy an’ilay vehivavy momba ny rano velona sy ny toerana ivavahana amin’Andriamanitra?

  • Ahoana no nahafantaran’ilay vehivavy samaritanina ny momba an’i Jesosy, ary inona no nolazain’i Jesosy fa tokony hataon’ny tena mpivavaka?

  • Inona no neken’ilay vehivavy samaritanina momba an’i Jesosy, ary inona no nataony vokatr’izany?

  • Inona no nataon’i Jesosy sy ny mpianany taorian’ny Paska taona 30?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara