FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 22 p. 58-p. 59 feh. 6
  • Ho Lasa Mpanarato Olona ny Mpianatra Efatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ho Lasa Mpanarato Olona ny Mpianatra Efatra
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Nantsoina ny mpianatra efatra
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nanasa mpianatra efatra hanaraka azy i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Aoka Isika Hanompo Amin’ny Maha-mpanarato Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Niezaka ny Tsy Hatahotra na Hisalasala Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 22 p. 58-p. 59 feh. 6
Niresaka tamin’i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy

TOKO 22

Ho Lasa Mpanarato Olona ny Mpianatra Efatra

MATIO 4:13-22 MARKA 1:16-20 LIOKA 5:1-11

  • NASAIN’I JESOSY HANARAKA AZY FOANA NY MPIANANY

  • MPANJONO LASA MPANARATO OLONA

Nankany Kapernaomy i Jesosy rehefa saika novonoin’ny mponin’i Nazareta. Teo akaiky teo ny Ranomasin’i Galilia, izay antsoina koa hoe “farihin’i Genesareta.” (Lioka 5:1) Tanteraka àry ilay faminanian’i Isaia hoe hahita hazavana lehibe ny mponin’i Galilia, eny amoron-dranomasina.—Isaia 9:1, 2.

Mbola nitory foana i Jesosy tao Galilia hoe: “Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17) Nahita ny mpianany efa-dahy izy tao. Efa niaraka taminy izy ireo, saingy niverina nanarato indray rehefa avy tany Jodia niaraka tamin’i Jesosy. (Jaona 1:35-42) Tokony hiaraka aminy foana anefa izy ireo izao mba hampiofaniny. Izy ireo mantsy no hanohy ny fitoriana rehefa tsy ho eo intsony izy.

Nankeny amoron-dranomasina i Jesosy, ary nahita an’i Simona Petera sy Andrea rahalahiny ary ny naman’izy ireo nanasa harato. Nanatona i Jesosy, niakatra tao amin’ny sambokelin’i Petera, ary nangataka azy hihataka kely amin’ny morony. Nipetraka i Jesosy avy eo ary nampianariny momba an’ilay Fanjakana ny vahoaka teo amoron-drano.

Hoy i Jesosy avy eo tamin’i Petera: “Mirosoa any amin’ny lalina, ary alatsaho ny haratonareo hahazoanareo trondro!” Hoy anefa i Petera: “Mpampianatra ô, efa niasa mafy nandritra ny alina manontolo izahay, saingy tsy nahazo mihitsy. Noho ny teninao anefa, dia halatsako ihany ny harato.”—Lioka 5:4, 5.

I Andrea sy Jakoba ary Jaona, sahirana mitarika harato mankao an-tsambokely. Mandohalika eo anoloan’i Jesosy i Petera

Nalatsak’izy ireo ny haratony ary nahazo trondro be dia be izy ireo ka rovitra ny harato. Nila mpanampy izy ireo, ka nanao fihetsika mba hiantsoana haingana ny namany teny amin’ny sambokely hafa. Vetivety dia feno trondro ireo sambokely roa ka nanomboka nilentika. Nandohalika teo anoloan’i Jesosy i Petera rehefa nahita izany ka nilaza hoe: “Tompo ô, mialà amiko fa mpanota aho.” Hoy i Jesosy: “Aza matahotra, fa manomboka izao dia olona velona no ho azonao.”—Lioka 5:8, 10.

Hoy koa izy tamin’i Petera sy Andrea: “Andao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.” (Matio 4:19) Notaominy koa ireo mpanarato hafa, dia i Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio. Tsy nisalasala izy ireo fa tonga dia nanaraka azy. Samy namela ny fanaratoana izy efa-dahy ireo. Izy ireo no voalohany niaraka tamin’i Jesosy foana.

  • Inona no asan’ireo lehilahy nantsoin’i Jesosy hanara-dia azy foana, ary iza avy izy ireo?

  • Inona no fahagagana nampahatahotra an’i Petera?

  • Ho lasa mpanarato inona indray izao izy efa-dahy mpianatr’i Jesosy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara