FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 41 p. 102-p. 103 feh. 5
  • Iza no Nanome Hery An’i Jesosy mba Hanaovany Fahagagana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Nanome Hery An’i Jesosy mba Hanaovany Fahagagana?
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahatonga fiadian-kevitra Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Fototry ny fiadian-kevitra i Jesosy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nolazain’i Jesosy hoe Inona no Mahasambatra
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-41 — Marka
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 41 p. 102-p. 103 feh. 5
Vahoaka be mitangorona manodidina an’ilay trano misy an’i Jesosy

TOKO 41

Iza no Nanome Hery An’i Jesosy mba Hanaovany Fahagagana?

MATIO 12:22-32 MARKA 3:19-30 LIOKA 8:1-3

  • NITORY TAO GALILIA INDRAY I JESOSY

  • NAMOAKA DEMONIA IZY ARY NILAZA FA MISY FAHOTANA TSY AHAZOANA FAMELAN-KELOKA

Nitory tao Galilia indray i Jesosy taoriana kelin’ny niresahany momba ny famelan-keloka, tao an-tranon’ilay Fariseo atao hoe Simona. Ny taona faharoa nanaovany ny fanompoany izao. Niara-dia taminy ny apostoly 12 sy ny vehivavy sasany namoahany demonia sy nositraniny. (Lioka 8:2) Anisan’izany i Maria Magdalena sy Sosana ary Johana, izay vadin’ny manamboninahitr’i Heroda Antipasy Mpanjaka.

Nihamaro ny olona nahalala ny momba an’i Jesosy ka vao mainka nitombo ny adihevitra mahakasika ny zavatra nataony. Hita izany rehefa nositraniny ny lehilahy iray nentina teo aminy. Nisy demonia izy io ary jamba sy moana. Niala taminy ilay demonia ka nahita sy niteny izy. Talanjona ny olona ary niteny hoe: “Sao mba io àry no Zanak’i Davida?”—Matio 12:23.

Be loatra ny olona nitangorona teo amin’ilay trano nisy an’i Jesosy ka tsy afaka nisakafo akory izy sy ny mpianany. Tsy ny rehetra no nihevitra an’i Jesosy ho ilay “Zanak’i Davida” voalaza mialoha. Tonga avy any Jerosalema mihitsy ny mpanora-dalàna sy Fariseo sasany, nefa tsy hoe te hampianarin’i Jesosy na te hanohana azy. Hoy izy ireo tamin’ny olona: “I Belzeboba no ao aminy.” Te hilaza izy ireo fa miara-miasa amin’ilay “lehiben’ny demonia” i Jesosy. (Marka 3:22) Tonga hisambotra an’i Jesosy ny havany, rehefa nandre an’ilay tabataba. Nahoana?

Mbola tsy nino ny rahalahin’i Jesosy tamin’izay hoe Zanak’Andriamanitra izy. (Jaona 7:5) Toa tsy ilay Jesosy niara-lehibe tamin’izy ireo tao Nazareta ilay Jesosy noheverina fa nahatonga korontana. Nieritreritra àry izy ireo fa narary saina izy, ka hoy izy ireo: “Voa ny sainy.”—Marka 3:21.

Inona anefa no nasehon’ny zava-misy? Vao avy nanasitrana lehilahy nisy demonia i Jesosy ka nahita sy niteny ilay lehilahy. Tsy nisy afaka nanda izany. Te hanaratsy an’i Jesosy ny mpanora-dalàna sy Fariseo ka nanendrikendrika azy hoe: “Tsy misy amoahan’ilehio demonia, afa-tsy amin’ny alalan’i Belzeboba, lehiben’ny demonia.”—Matio 12:24.

Miezaka mampisaintsaina an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo i Jesosy, ary mijery azy ireo ny olona sasany miaraka amin’i Jesosy

Fantatr’i Jesosy ny tao an-tsain’izy ireo ka hoy izy: “Ho foana izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na ankohonana miady an-trano. Toy izany koa fa raha i Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy, koa ahoana no haharetan’ny fanjakany?”—Matio 12:25, 26.

Mitombina tokoa ilay fampisaintsainana. Fantatr’ireo Fariseo fa mamoaka demonia ny Jiosy sasany. (Asan’ny Apostoly 19:13) Nanontany àry i Jesosy hoe: “Raha amin’ny alalan’i Belzeboba no amoahako demonia, amin’ny alalan’iza kosa no amoahan’ny zanakareo azy?” Te hilaza izy fa i Belzeboba koa no amoahan’izy ireo demonia. Hoy ihany i Jesosy: “Fa raha amin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra kosa no amoahako demonia, dia efa eo aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy fantatrareo.”—Matio 12:27, 28.

Nilaza fanoharana i Jesosy mba hanaporofoana fa maharesy an’i Satana izy matoa mahavita mamoaka demonia. Hoy izy: “Ahoana no hidiran’ny olona ao an-tranon’ny lehilahy matanjaka iray ka hakany an-keriny ny entany, raha tsy fatorany aloha ralehilahy? Amin’izay izy vao handroba ny ao an-tranony. Koa izay tsy momba ahy dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-manangona amiko, dia manaparitaka.” (Matio 12:29, 30) Miharihary fa nanohitra an’i Jesosy ny mpanora-dalàna sy Fariseo, ka voaporofo fa solontenan’i Satana. Manaparitaka ny olona izy ireo mba tsy hanatonan’ny olona ny Zanak’Andriamanitra. Manohana an’io Zanany io anefa i Jehovah.

Nampitandrina an’ireo mpanohana an’i Satana ireo i Jesosy hoe: “Ho voavela avokoa ny zava-drehetra ataon’ny zanak’olombelona, na inona na inona fahotana sy fanevatevana zava-masina ataony. Fa na iza na iza kosa manevateva ny fanahy masina, dia tsy hahazo famelan-keloka mihitsy na rahoviana na rahoviana, fa meloka noho ny ota mandrakizay izy.” (Marka 3:28, 29) Loza tokoa no hanjo an’ireo milaza fa avy amin’i Satana ny zavatra efa hita fa asan’ny fanahin’Andriamanitra.

  • Iza no niaraka tamin’i Jesosy rehefa nitory tao Galilia indray izy?

  • Nahoana ny havan’i Jesosy no saika hisambotra azy?

  • Inona no nolazain’ny Fariseo mba hanaratsiana an’i Jesosy, ary ahoana no nanaporofoan’i Jesosy fa diso izy ireo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara