FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 128 p. 292-p. 293 feh. 2
  • Hitan’i Pilato sy Heroda hoe Tsy Nanan-tsiny Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hitan’i Pilato sy Heroda hoe Tsy Nanan-tsiny Izy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy teo amin’i Pilato nankany amin’i Heroda ary tany amin’i Pilato indray
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Avy teo amin’i Pilato nankany amin’i Heroda ary niverina tany amin’i Pilato indr
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Pilato
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Iza moa i Pontio Pilato?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 128 p. 292-p. 293 feh. 2
I Heroda sy ny miaramilany mihomehy an’i Jesosy

TOKO 128

Hitan’i Pilato sy Heroda hoe Tsy Nanan-tsiny Izy

MATIO 27:12-14, 18, 19 MARKA 15:2-5 LIOKA 23:4-16 JAONA 18:36-38

  • NAMOTOPOTOTRA AN’I JESOSY I PILATO SY HERODA

Tsy nafenin’i Jesosy an’i Pilato fa tena mpanjaka izy. Tsy tokony hatahoran’ny Romanina anefa ny Fanjakany. Hoy izy: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako. Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Manana Fanjakana tokoa i Jesosy, saingy tsy eto amin’ity tontolo ity.

Tsy tapitra teo anefa ny resaka. Hoy i Pilato: “Mpanjaka àry ve ianao?” Nilaza tamin’i Pilato i Jesosy fa marina ny teniny. Hoy izy: “Voalazanao fa mpanjaka aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Ary mihaino ny feoko izay rehetra miandany amin’ny marina.”—Jaona 18:37.

Nilaza tamin’i Tomasy i Jesosy tany aloha hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.” Na i Pilato aza anefa lasa nahalala fa tonga tetỳ an-tany i Jesosy mba hanambara “ny marina”, dia ny marina momba ny Fanjakany. Tapa-kevitra i Jesosy fa tsy hiala amin’io fahamarinana io, na dia hamoizany ny ainy aza izany. Nanontany i Pilato hoe: “Inona ny marina?” Tsy niandry valiny anefa izy. Hitany fa efa ampy hitsarany an’i Jesosy ny zavatra reny.—Jaona 14:6; 18:38.

Nankeo amin’ilay vahoaka teo ivelan’ny lapa i Pilato. Toa teo akaikiny i Jesosy rehefa nilaza tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny naman’izy ireo izy hoe: “Tsy hitako izay helok’ity lehilahy ity.” Tezitra ny vahoaka ka nanizingizina hoe: “Mampirisika vahoaka hikomy izy rehefa nampianatra eran’i Jodia, nanomboka hatrany Galilia ka hatratỳ.”—Lioka 23:4, 5.

Azo antoka fa gaga i Pilato nahita an’ireo Jiosy nafana fo tafahoatra. Mbola nitabataba ihany ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy, ka hoy i Pilato tamin’i Jesosy: “Tsy renao ve ny hamaroan’ny fiampangany anao?” (Matio 27:13) Tsy namaly i Jesosy. Talanjona i Pilato satria tony tsara izy na dia tafahoatra aza ny fiampangana azy.

Nilaza ny Jiosy fa nanomboka nampianatra tany Galilia i Jesosy, ka fantatr’i Pilato fa Galilianina izy. Nahita hevitra mba tsy hitsarana an’i Jesosy àry i Pilato. Nalefany tany amin’i Heroda Antipasy (zanakalahin’i Heroda Lehibe) i Jesosy. Tao Jerosalema izy tamin’io fotoanan’ny Paska io. I Heroda no nampanapaka ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa. Reny tatỳ aoriana hoe manao fahagagana i Jesosy, ka natahotra izy sao dia i Jaona natsangana tamin’ny maty i Jesosy.—Lioka 9:7-9.

Faly àry i Heroda fa hahita an’i Jesosy. Tsy hoe te hanampy an’i Jesosy anefa izy, na hoe te hahita raha mitombina ny fiampangana azy. Te hahalala zavatra fotsiny izy, ary “nanantena hahita azy hanao famantarana.” (Lioka 23:8) Tsy nanome fahafaham-po azy anefa i Jesosy. Tsy namaly mihitsy aza izy rehefa nanadihady azy i Heroda. Diso fanantenana i Heroda sy ny miaramilany, ka “nanaraby” an’i Jesosy. (Lioka 23:11) Nampitafiany lamba mangirana izy ary nataony ho fihomehezana. Naverin’i Heroda tany amin’i Pilato izy avy eo. Mpifahavalo i Heroda sy Pilato taloha, nefa lasa mpinamana be.

Nampiantso ny lehiben’ny mpisorona sy ny lohandohany teo amin’ny Jiosy ary ny vahoaka i Pilato, rehefa tonga tany aminy indray i Jesosy. Hoy izy: “Nofotopotorako teo anatrehanareo anefa izy, ary tsy hitako izay helony ny amin’izay iampanganareo azy. Na i Heroda koa aza tsy nahita izay helony, matoa naveriny tatỳ amintsika izy. Tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy ho faty izy. Koa hofaiziko izy, ary hafahako.”—Lioka 23:14-16.

Tena te hanafaka an’i Jesosy i Pilato, satria fantany fa fialonana no nahatonga ny mpisorona hanolotra azy taminy. Nahita antony hafa hanafahana azy koa izy. Nampita izao hafatra izao taminy mantsy ny vadiny, raha mbola nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana izy: “Aza miditra amin’ny raharaha momba an’io olo-marina io ianao, fa nijaly be aho androany rehefa nanonofy azy.” (Matio 27:19) Toa nofy avy tamin’Andriamanitra ilay izy.

Tokony hanafaka an’io lehilahy tsy manan-tsiny io i Pilato. Ahoana anefa no hanaovany izany?

  • Ahoana no fomba nilazan’i Jesosy “ny marina” momba ny maha Mpanjaka azy?

  • Inona no nolazain’i Pilato momba an’i Jesosy, nefa inona no nataon’ny vahoaka? Inona no nataon’i Pilato taorian’izay?

  • Nahoana i Heroda Antipasy no faly rehefa hahita an’i Jesosy, ary inona no nataony taminy?

  • Nahoana i Pilato no te hanafaka an’i Jesosy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara