FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 137 p. 310-p. 311 feh. 2
  • Olona An-jatony no Nahita Azy Talohan’ny Pentekosta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Olona An-jatony no Nahita Azy Talohan’ny Pentekosta
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo fisehoana farany, sy ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir.
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ireo fisehoana farany, sy ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir.
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • “Ho Vavolombeloko ... Ianareo”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Jehovah no mpanapaka antsika!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 137 p. 310-p. 311 feh. 2
I Jesosy miakatra any an-danitra

TOKO 137

Olona An-jatony no Nahita Azy Talohan’ny Pentekosta

MATIO 28:16-20 LIOKA 24:50-52 ASAN’NY APOSTOLY 1:1-12; 2:1-4

  • NISEHO TAMIN’NY OLONA MARO I JESOSY

  • NIAKATRA TANY AN-DANITRA IZY

  • NANDROTSAKA NY FANAHY MASINA TAMIN’NY MPIANATRA 120 TEO HO EO IZY

Novorin’i Jesosy teo amin’ny tendrombohitra iray tany Galilia ny apostoly 11, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Teo koa ny mpianatra 500 teo ho eo. Nisalasala ny sasany tamin’ny voalohany raha tena natsangana tamin’ny maty i Jesosy. (Matio 28:17; 1 Korintianina 15:6) Resy lahatra anefa izy ireo noho izay nolazain’i Jesosy.

Nilaza i Jesosy fa nomen’Andriamanitra azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Hoy àry izy: ‘Koa mandehana, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.’ (Matio 28:18-20) Tsy velona fotsiny i Jesosy fa mbola tiany hotorina ny vaovao tsara.

Nirahina hanao mpianatra ireo rehetra mpanara-dia an’i Jesosy, na lehilahy na vehivavy na ankizy. Mety hanandrana hisakana azy ireo tsy hitory sy hampianatra ny mpanohitra, nefa nanome toky i Jesosy hoe: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” Inona no dikan’izany? Hoy i Jesosy: “Homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Tsy nilaza izy hoe hahavita fahagagana ireo rehetra mitory ny vaovao tsara. Hanampy azy ireo anefa ny fanahy masina.

Niseho tamin’ny mpianany “nandritra ny efapolo andro” i Jesosy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Nitafy vatana samihafa izy ary “porofo maro tsy azo lavina no nentiny naneho tamin’ireo hoe velona izy.” Nampianatra azy ireo “momba ny fanjakan’Andriamanitra” koa izy.—Asan’ny Apostoly 1:3; 1 Korintianina 15:7.

Toa mbola tany Galilia ny apostoly rehefa nasain’i Jesosy niverina tany Jerosalema. Hoy izy rehefa nihaona tamin’izy ireo: “Aza miala eto Jerosalema, fa andraso foana ilay nampanantenain’ny Ray sady efa renareo tamiko. I Jaona mantsy nanao batisa tamin’ny rano, fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny fanahy masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.”—Asan’ny Apostoly 1:4, 5.

Nihaona tamin’ny apostoly indray i Jesosy tatỳ aoriana, ary “nentiny hatrany Betania izy ireo”, teo amin’ny ilany atsinanan’ny Tendrombohitra Oliva. (Lioka 24:50) Mbola nino izy ireo fa ho etỳ an-tany ilay Fanjakana, nefa efa imbetsaka i Jesosy no nilaza fa handeha.—Lioka 22:16, 18, 30; Jaona 14:2, 3.

Nanontany ny apostoly hoe: “Tompo ô, izao ve no ampodianao ny fanjakana ho amin’ny Israely?” Hoy fotsiny i Jesosy: “Tsy mila mamantatra ny fotoana na ny vanim-potoana ianareo, fa ny Ray irery ihany no manam-pahefana amin’izany.” Nasongadiny indray ilay asa tsy maintsy hataon’izy ireo ka hoy izy: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’—Asan’ny Apostoly 1:6-8.

I Jesosy miakatra any an-danitra, ary mijery azy ny apostoliny tsy mivadika

Niaraka tamin’i Jesosy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny apostoly, rehefa nanomboka niakatra tany an-danitra izy. Takon’ny rahona izy ka tsy tazana intsony. Niverina ho anjely izy tamin’izay, na dia nitafy nofo aza rehefa avy natsangana tamin’ny maty. (1 Korintianina 15:44, 50; 1 Petera 3:18) “Nisy roa lahy niakanjo fotsy” niseho teo anilan’ireo apostoly tsy mivadika, raha mbola nibanjina ny lanitra izy ireo. Anjely nitafy nofo ireo. Hoy izy ireo: “Ry lehilahy galilianina, nahoana ianareo no mijoro eto mijery ny lanitra? Iny Jesosy nakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia ho avy amin’iny fomba iny ihany, toy ilay nahitanareo azy niakatra tany an-danitra.”—Asan’ny Apostoly 1:10, 11.

Tsy nankalazaina be ny fialan’i Jesosy teto an-tany. Ny mpanara-dia azy tsy mivadika ihany no nahita izany. Tsy hankalazaina be koa ny fiverenany, ary ny mpanara-dia azy tsy mivadika ihany no hahalala fa lasa Mpanjaka izy.

Niverina tany Jerosalema ny apostoly ary nivory niaraka tamin’ny mpianatra hafa, nandritra ny andro vitsivitsy taorian’izay. Anisan’izy ireo i ‘Maria renin’i Jesosy sy ny rahalahiny.’ (Asan’ny Apostoly 1:14) Naharitra nivavaka izy ireo. Anisan’ny nataony antom-bavaka ny fifidianana mpianatra hisolo an’i Jodasy Iskariota, mba ho feno 12 indray ny apostoly. (Matio 19:28) Mpianatra nahita ny asa nataon’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty no notadiavin’izy ireo. Nanao antsapaka izy ireo hahalalana ny sitrapon’Andriamanitra. Eo no miresaka farany momba ny antsapaka ny Baiboly. (Salamo 109:8; Ohabolana 16:33) I Matia no “voafidy hanampy isa an’ireo apostoly iraika ambin’ny folo.” (Asan’ny Apostoly 1:26) Anisan’ireo 70 lahy nirahin’i Jesosy angamba izy.

Tonga ny Pentekosta taona 33, folo andro taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra. Nivory tao amin’ny efitra iray ambony rihana tao Jerosalema ny mpianatra 120 teo ho eo tamin’io fety jiosy io. Tampoka teo dia nisy feo mafy toy ny rivotra mahery nifofofofo nameno ilay trano. Nisy lela maro toy ny afo niseho teo ambonin’ny tsirairay. Nanomboka niteny tamin’ny fiteny samihafa ireo mpianatra rehetra. Nilatsaka ilay fanahy masina nampanantenain’i Jesosy.—Jaona 14:26.

  • Iza avy no teo rehefa nanome toromarika teo amin’ny tendrombohitra iray tany Galilia i Jesosy, ary inona no nolazainy?

  • Firy andro i Jesosy no niseho tamin’ny mpianany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ary inona no nataony tamin’izany?

  • Hanao ahoana ny fomba hiverenan’i Jesosy, rehefa jerena ny fomba niakarany tany an-danitra?

  • Inona no nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara