FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 2 p. 10-p. 11 feh. 1
  • Nanao Lehilahy sy Vehivavy Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanao Lehilahy sy Vehivavy Andriamanitra
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Lehilahy sy ny Vehivavy Voalohany
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Nahoana Isika no Mihantitra sy Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
  • Hofoanana ny Fahafatesana, Izay Fahavalo Farany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Nahoana i Jesosy no Maty sy Natsangana Tamin’ny Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 2 p. 10-p. 11 feh. 1
Adama sy Eva, ao amin’ny zaridainan’i Edena

LESONA 2

Nanao Lehilahy sy Vehivavy Andriamanitra

Nanao zaridaina tany amin’ny faritra iray nantsoina hoe Edena i Jehovah. Nisy voninkazo sy hazo ary biby be dia be tao. Nanamboatra an’i Adama i Jehovah avy eo, ary izy no lehilahy voalohany teto an-tany. Vovoka no nanamboarany azy, dia nampidirany fofonaina avy eo teo amin’ny orony. Dia inona no nitranga taorian’izay? Velona izy! Nasain’i Jehovah nikarakara an’ilay zaridaina sy nanome anarana ny biby rehetra i Adama.

Nisy didy notenenin’i Jehovah an’i Adama avy eo, sady tena zava-dehibe ilay izy. Hoy izy taminy: ‘Azonao hanina daholo ny voankazo rehetra, afa-tsy ny voan’ny hazo iray ihany. Fa raha mihinana an’ilay izy ianao, dia ho faty.’

Hoy i Jehovah tatỳ aoriana: ‘Andeha aho hanamboatra olona hanampy an’i Adama.’ Nataony natory be mihitsy àry i Adama. Naka taolana iray teo amin’ny tratrany izy avy eo, dia nanamboarany vady ho an’i Adama ilay izy. Eva no anaran’ilay vehivavy. I Adama sy Eva no fianakaviana voalohany teto an-tany. Dia ahoana hoy i Adama tamin’izay? Faly be izy dia niteny hoe: ‘Jereo ’nge ny zavatra vitan’i Jehovah tamin’ny taolan-tratrako e! ’Zay vao mba misy mitovy amiko!’

Nasain’i Jehovah niteraka i Adama sy Eva, amin’izay ho feno olona ny tany. Tiany hiara-hanamboatra ny tany manontolo ho lasa paradisa ry zareo. Zaridaina tsara tarehy izany paradisa izany, hoatran’ny zaridainan’i Edena. Tsy lasa paradisa anefa ny tany izao. Fa inona no nitranga? Ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka izany.

“Ilay namorona ny olona tany am-piandohana, dia nanao azy ho lahy sy vavy.”​—Matio 19:4

Fanontaniana: Inona no nasain’i Jehovah nataon’i Adama? Inona no hanjo an’i Adama sy Eva raha mihinana amin’ny voan’ilay hazo notenenin’i Jehovah hoe tsy azo hanina?

Genesisy 1:27-31; 2:7-9, 15-23; Salamo 115:16; Matio 19:4-6

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara