LESONA 8
Nankatò An’Andriamanitra i Abrahama sy Saraha
Nisy tanàna atao hoe Ora teny akaikin’i Babela. Nivavaka tamin’ny andriamanitra be dia be ny olona tao, fa tsy nivavaka tamin’i Jehovah. Nisy lehilahy iray nivavaka tamin’i Jehovah irery anefa tao. Abrahama no anarany.
Hoy i Jehovah taminy: ‘Mialà eto amin’ny tranonao sy ny havanao, dia mandehana any amin’ny tany hasehoko anao.’ Nampanantena azy i Jehovah avy eo hoe: ‘Ho lasa firenena lehibe ianao. Dia hanao zavatra tsara be ho an’ny olona maro eran-tany aho, noho ianao.’
Tsy fantatr’i Abrahama hoe aiza ilay tany tian’i Jehovah halehany. Natoky an’i Jehovah anefa izy, dia nankatò. Nahorony ny entany dia lasa izy nanao an’ilay dia lavitra be, niaraka tamin’i Saraha vadiny. Nanaraka an’azy koa ny dadany sy ny zanaky ny rahalahiny. Tera sy Lota no anaran-dry zareo.
Tonga tany amin’ilay tany ihany ry Abrahama, rehefa ela ny ela. Efa 75 taona izy tamin’izay. Kanana no anaran’ilay tany. Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: ‘Hitanao ve io tany ngezabe io? Homeko ny zanakao daholo io.’ Efa antitra anefa i Abrahama sy Saraha, sady mbola tsy nanan-janaka. Dia ahoana izany no hanatanterahan’i Jehovah an’izany zavatra ampanantenainy izany?
‘Finoana no nahatonga an’i Abrahama hankatò ka hankany amin’ny toerana homena azy ho lovany. Ary nandeha izy, na dia tsy fantany aza hoe ho aiza.’—Hebreo 11:8