LESONA 10
Tadidio ny Nataon’ny Vadin’i Lota
Niara-nipetraka tamin’i Abrahama tany Kanana i Lota. Lasa nanana biby fiompy be dia be anefa izy sy io dadatoany io, ka tsy antonona an-dry zareo intsony ilay toerana nipetrahany. Hoy àry i Abrahama tamin’i Lota: ‘Efa tsy omby antsika intsony eto, fa aleo re isika misaraka e! Fidio izay toerana tianao haleha, dia izay tsy handehananao no handehanako.’ Tsy tia tena mihitsy i Abrahama e?
Nahatazana toerana tsara be teny akaikin’ny tanàna iray atao hoe Sodoma i Lota. Be rano sy bozaka maitso ilay izy. Io àry no nofidiny, dia nentiny nifindra tany ny fianakaviany. Nifindra tao Sodoma ry zareo tatỳ aoriana.
Tena ratsy toetra be ny olona tao Sodoma sy tao Gomora, tanàna teo akaiky teo. Ratsy loatra ny zavatra nataon-dry zareo, dia nanapa-kevitra i Jehovah hoe haringany ny olona ao. Te hanavotra an’i Lota sy ny fianakaviany anefa izy, ka nandefa anjely roa hiteny tamin-dry zareo hoe: ‘Mandehana haingana mitsoaka fa horavan’i Jehovah ity tanàna ity!’
Tsy tonga dia nandeha ry Lota fa mbola nitaraikiraiky. Notantanan’ireo anjely àry izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, dia nentin-dry zareo haingana nivoaka an’ilay tanàna. Hoy ry zareo: ‘Mihazakazaha! Mandosira dia aza mitoditodika mihitsy, fa raha vao mitodika ianareo dia ho faty!’
Rehefa tonga teo amin’ny tanàna antsoina hoe Zoara ry Lota, dia nandatsaka afo sy solifara tao Sodoma sy Gomora i Jehovah. Rava tanteraka ireo tanàna roa ireo! Tsy nankatò an’i Jehovah anefa ny vadin’i Lota fa nitodika, dia lasa vongan-tsira. Tsy maty kosa i Lota sy ny zanany vavy, satria nankatò an’i Jehovah. Tsy maintsy hoe nalahelo be izao ry zareo fa tsy nankatò ny maman-dry zareo. Faly koa anefa ry zareo satria nanaraka ny tenin’i Jehovah!
“Tsarovy ny vadin’i Lota.”—Lioka 17:32