FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 25 p. 64-p. 65 feh. 3
  • Toerana Nivavahana Tamin’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Toerana Nivavahana Tamin’i Jehovah
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Tranolay Misy ny Tenin’ny Vavolombelona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tombontsoa ny Manompo ao Amin’ilay Tempoly Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Tranolay Fihaonana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tranolay Masina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 25 p. 64-p. 65 feh. 3
Ilay tranolay masina sy ny eo an-tokotaniny

LESONA 25

Toerana Nivavahana Tamin’i Jehovah

Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy, tamin’izy mbola teny amin’ny Tendrombohitra Sinay: ‘Manamboara tranolay masina.’ Toerana hivavahana amin’i Jehovah ilay izy, ary ho azo batabataina rehefa mifindrafindra ny Israelita.

Hoy i Jehovah: ‘Asaivo manome izay foiny ny vahoaka, mba hanamboarana an’ilay tranolay masina.’ Dia nanome volamena, volafotsy, varahina, vatosoa, ary firavaka ry zareo, sady nanome volonondry, lamba rongony, hodi-biby, ary zavatra hafa be dia be. Tena nazoto nanome ry zareo, dia tsy maintsy niteny an-dry zareo i Mosesy hoe: ‘Efa ampy izay fa aza manome intsony!’

Ny Israelita, mitondra fanomezana hanamboarana an’ilay tranolay masina

Be dia be ny lehilahy sy vehivavy nanao an’ilay tranolay masina. Nahay be ry zareo satria nampian’i Jehovah. Nisy nanamboatra kofehy na ravin-damba, na nanao peta-kofehy. Nisy indray nanamboatra zavatra tamin’ny vato, volamena, na hazo.

Nataon’ny Israelita hoatran’izay notenenin’i Jehovah mihitsy ilay tranolay masina. Nizara roa ilay izy, ary ridao tsara tarehy no teo afovoany. Nantsoina hoe Masina ny iray, ary Masina Indrindra ny iray. Nisy fitoeran-jiro volamena sy latabatra ary alitara fandoroana emboka manitra tao amin’ny Masina. Teo an-tokotany indray nisy kovetabe varahina sy alitara ngezabe. Tao amin’ny Masina Indrindra kosa ilay Vata misy ny fifanekena. Vita tamin’ny hazo akasia sy volamena ilay izy. Io Vata io no nanampy ny Israelita hitadidy an’ilay voady nataony hoe hankatò an’i Jehovah foana. Ary fantatrao ve ny dikan’ilay hoe fifanekena? Mitovy amin’ny hoe voady ihany izany.

I Arona sy ny zanany lahy no nofidin’i Jehovah ho mpisorona tao amin’ny tranolay masina. Tsy maintsy nikarakara an’ilay tranolay ry zareo, dia nanao fanatitra ho an’i Jehovah tao. I Arona ihany anefa no nahazo niditra tao amin’ny Masina Indrindra, satria izy no mpisoronabe. Indray mandeha isan-taona izy no nankao, dia nanao sorona mba ho voavela ny fahadisoany sy ny an’ny fianakaviany ary ny an’ny Israelita rehetra.

Vita ilay tranolay masina, herintaona taorian’ny nialana tany Ejipta. Lasa nanana toerana hivavahana amin’i Jehovah amin’izay ny Israelita.

Tena faly i Jehovah, ka nasiany rahona teo ambonin’ilay tranolay masina. Rehefa tsy nihetsika teo ambonin’izy io ilay rahona, dia nijanona tsy nifindra toerana ny Israelita. Rehefa niala teo indray ilay rahona, dia lasa ry zareo nifindra nanaraka an’ilay izy. Noravany koa ilay tranolay masina, dia nentiny.

“Tamin’izay dia naheno feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana aho, nanao hoe: ‘Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ka ho eo amin’izy ireo izy, dia ho vahoakany ireo. Ary Andriamanitra mihitsy no hiaraka aminy.’”​—Apokalypsy 21:3

Fanontaniana: Inona no nasain’i Jehovah namboarin’i Mosesy? Nofidin’i Jehovah hanao inona i Arona sy ny zanany lahy?

Eksodosy 25:1-9; 31:1-11; 40:33-38; Hebreo 9:1-7

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara