LESONA 27
Nikomy Tamin’i Jehovah Izy Ireo
Nikomy tamin’i Mosesy i Kora sy Datana ary Abirama, tatỳ aoriana. Nisy 250 lahy koa niaraka tamin-dry zareo. Mbola tany an-tany efitra ny Israelita tamin’izay. Hoy ry Kora tamin’i Mosesy: ‘Leo be izahay! Fa maninona no ianao foana no mpitarika anay, dia i Arona no mpisoronabe? ’Zahay rehetra koa ange mba tian’i Jehovah fa tsy ianao sy Arona irery e!’ Tezitra be tamin-dry Kora sy ny namany àry i Jehovah, satria nikomy taminy ry zareo raha ny marina.
Hoy i Mosesy tamin-dry Kora: ‘Mankanesa any amin’ny tranolay masina rahampitso, dia ento ny fitondranareo afo ary asio emboka manitra. Dia hasehon’i Jehovah hoe iza no nofidiny.’
Nankany amin’ny tranolay masina àry i Kora sy ireo 250 lahy ny ampitso. Teo koa i Mosesy. Nandoro emboka manitra ry Kora, hoatran’ireny hoe mpisorona ireny. Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: ‘Aza manakaikikaiky an’i Kora sy ny namany ianareo.’
I Datana sy Abirama ary ny fianakaviany kosa tsy nety nankany amin’ny tranolay masina. Nijoro teo ivelan’ny tranolainy ry zareo. Nasain’i Jehovah niala teo akaikin’ny tranolain’i Kora sy Datana ary Abirama àry ny Israelita, ka tonga dia niala. Nitresaka tampoka ny tany avy eo, dia latsaka tany anatiny lalina be tany i Datana sy Abirama ary ny fianakaviany. I Kora sy ireo 250 lahy kosa mbola tany amin’ny tranolay masina tamin’izay. Nisy afo avy any an-danitra nilatsaka tamin-dry zareo anefa tany, dia maty ry zareo.
Hoy indray i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Asaivo manome tehina iray avy ny lehiben’ny foko tsirairay, dia soraty eo amin’ilay izy ny anarany. Ny anaran’i Arona kosa no soraty eo amin’ny tehin’ny fokon’i Levy. Dia ataovy ao anaty tranolay masina ireo tehina ireo, fa hisy voninkazo haniry ny tehin’izay hofidiko.’
Navoakan’i Mosesy avy tao amin’ny tranolay masina ny tehina rehetra ny ampitso, dia nasehony an’ireo lehiben’ny foko. Ny tehin’i Arona irery no nisy voninkazo naniry, sady nisy voankazo efa masaka antsoina hoe amandy. Nohamafisin’i Jehovah tamin’iny àry hoe i Arona no nofidiny ho mpisoronabe.
“Ankatoavy sy ekeo ireo mitarika eo aminareo.”—Hebreo 13:17