FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 38 p. 92-p. 93 feh. 2
  • Nataon’i Jehovah Natanjaka Be i Samsona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nataon’i Jehovah Natanjaka Be i Samsona
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Lehilahy Natanjaka Indrindra
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Nandresy i Samsona Noho ny Herin’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Miantehera Amin’i Jehovah, Hoatran’i Samsona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Samsona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 38 p. 92-p. 93 feh. 2
Samsona, manosika mafy an’ireo andry ao amin’ny tempolin’i Dagona, dia mirodana ilay trano

LESONA 38

Nataon’i Jehovah Natanjaka Be i Samsona

Lasa be dia be indray ny Israelita nanompo sampy, dia navelan’i Jehovah hanjaka teo amin’ny taniny ny Filistinina. Nisy Israelita tia an’i Jehovah ihany anefa, ohatra hoe i Manoa. Tsy nanan-janaka izy sy ny vadiny. Naniraka anjely tany amin’ny vadin’i Manoa àry i Jehovah, indray andro, hiteny hoe: ‘Hanan-janakalahy ianao, dia izy no hamonjy ny Israelita amin’ny Filistinina. Ho Nazirita izy.’ Fantatrao ve izany Nazirita izany? Olona nanao fanompoana manokana ho an’i Jehovah ry zareo, ary tsy azo notapahina ny volony.

Teraka ilay zaza, tatỳ aoriana, ary natao hoe Samsona ny anarany. Nataon’i Jehovah matanjaka be izy rehefa nihalehibe. Nahavita namono liona izy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Izy irery koa no namono Filistinina 30, indray mandeha. Tsy tian’ny Filistinina mihitsy izy, dia nitady hevitra foana ry zareo mba hamonoana azy. Natory tany Gaza, ohatra, izy indray alina, dia nandrasan-dry zareo teo am-bavahadin’io tanàna io mba hovonoina rehefa maraina. Nifoha anefa i Samsona tamin’ny 12 alina, dia nongotany ilay vavahady. Nataony teo amin’ny sorony ilay izy, dia nentiny niakatra hatrany an-tampon’ny tendrombohitra iray teny akaikin’i Hebrona.

Niaraka tamin’izay vehivavy atao hoe Delila izay i Samsona. Dia hoy ny Filistinina tamin’i Delila: ‘Homenay vola madinika volafotsy an’arivony ianao raha fantatrao hoe inona no mampahatanjaka be an’i Samsona. Tianay hosamborina mantsy izy, dia hogadraina.’ Te hahazo an’ilay vola be i Delila, dia nanaiky. Nanontany an’i Samsona àry izy, fa tsy nety niteny i Samsona tamin’ny voalohany. Tsy namelan’i Delila anefa izy dia niteny ihany hoe: ‘Mbola tsy notapahina mihitsy ny voloko satria Nazirita aho. Fa raha hetezana ny voloko dia tsy hatanjaka be intsony aho.’ Tena tsy nety mihitsy ny nataon’i Samsona, sa tsy izany?

Tonga dia niteny tamin’ny Filistinina i Delila hoe: ‘Haiko amin’izay hoe inona no mampahatanjaka be an’azy.’ Dia nampatorin’i Delila teo am-pofoany i Samsona, ary nisy olona nasainy nanapaka ny volony. Niantsoantso i Delila avy eo hoe: ‘Samsona, ireo ny Filistinina!’ Dia nifoha i Samsona. Tsy natanjaka be intsony anefa izy, dia nosamborin’ny Filistinina. Nopotsirin-dry zareo ny masony, ary nogadrainy izy.

Nisy Filistinina be dia be nivory tao amin’ny trano fivavahana tamin’i Dagona andriamaniny, indray mandeha. Dia niantsoantso ry zareo hoe: ‘Nampian’i Dagona isika dia resintsika i Samsona! Avoahy i Samsona mba hihomehezantsika.’ Dia nataon-dry zareo nitsangana teo anelanelan’ny andry anankiroa izy, sady nesoesoiny. Hoy i Samsona: ‘Jehovah ô! Mba ataovy matanjaka indray re aho e!’ Efa naniry ny volony tamin’izay. Natosiny mafy be mihitsy àry ireo andry, dia nirodana ilay trano. Maty daholo ny olona tao, ary maty koa i Samsona.

“Fa manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.”​—Filipianina 4:13

Fanontaniana: Nahoana no natanjaka be i Samsona? Inona no nitranga tamin’i Samsona rehefa nolazainy tamin’i Delila ny nampahatanjaka azy?

Mpitsara 13:1–16:31

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara