LESONA 39
Ny Mpanjaka Voalohany teo Amin’ny Israely
Efa nomen’i Jehovah mpitsara ny Israelita mba hitarika an-dry zareo, nefa mpanjaka no tiany. Hoy ry zareo tamin’i Samoela: ‘Manana mpanjaka daholo ny firenena rehetra, dia izahay koa te hanana.’ Tsy tian’i Samoela izany, ka nivavaka tamin’i Jehovah izy. Dia hoy i Jehovah: ‘Tsy ianao ange no tsy tian-dry zareo amin’izany fa izaho e! Teneno ry zareo hoe hahazo mpanjaka izy, saingy haka zavatra be dia be amin-dry zareo, hono, hoe ilay mpanjaka.’ Hoy anefa ny olona: ‘Tsy raharahianay izany fa mila mpanjaka fotsiny izahay!’
Lehilahy anankiray atao hoe Saoly no nasain’i Jehovah nofidin’i Samoela. Nankany amin’i Samoela tany Rama i Saoly, dia tamin’izay i Samoela no nanosotra menaka ny lohany mba ho lasa mpanjaka izy.
Novorin’i Samoela ny Israelita taorian’izay, fa hasehony an-dry zareo ilay mpanjaka vaovao. Tsy hitan-dry zareo anefa izay nalehan’i Saoly. Fa naninona? Satria niafina tao anaty entana izy. Rehefa hitan-dry zareo izy tamin’ny farany, dia nasainy nitsangana teo afovoan’ny vahoaka. Izy no lava indrindra tamin’ny olona rehetra, sady tsara tarehy be. Hoy i Samoela: ‘Io ilay nofidin’i Jehovah.’ Dia nihorakoraka ny vahoaka hoe: ‘Ho ela velona anie ny mpanjaka!’
Nihaino an’i Samoela sy nankatò an’i Jehovah foana i Saoly Mpanjaka. Niova anefa izy tatỳ aoriana. Nanao sorona teo amin’ny alitara, ohatra, izy indray mandeha, nefa tsy tokony hanao an’izany satria mpanjaka. Efa notenenin’i Samoela izy hoe: ‘Andraso fa ho avy aho hanao an’ilay izy.’ Nataony ihany anefa ilay sorona, satria elaela i Samoela vao tonga. Dia hoy i Samoela: ‘Tena adala mihitsy ianao tsy nankatò an’i Jehovah.’ Nandray lesona avy amin’izany zavatra tsy nety nataony izany ve i Saoly?
Nandeha niady tamin’ny Amalekita i Saoly tatỳ aoriana. Notenenin’i Samoela izy tamin’izay hoe: ‘Vonoy daholo ry zareo, hatramin’ny biby fiompiny.’ Tsy novonoin’i Saoly anefa i Agaga mpanjakan’ny Amalekita. Dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela: ‘Tsy mankatò an’ahy intsony i Saoly.’ Nalahelo be i Samoela ka hoy izy tamin’i Saoly: ‘Hifidy mpanjaka hafa i Jehovah, satria ianao tsy mankatò an’azy intsony.’ Rehefa handeha i Samoela, dia notazonin’i Saoly ny akanjony ka rovitra. Dia hoy i Samoela: ‘Horovitin’i Jehovah hoatr’izany koa ny fanjakanao, ka homeny olon-kafa tia azy sy mankatò azy.’
“Ny mankatò no tsara kokoa noho ny sorona.”—1 Samoela 15:22