LESONA 40
Davida sy Goliata
Hoy i Jehovah tamin’i Samoela: ‘Mandehana any amin’i Jese, fa ny iray amin’ny zanany lahy no ho mpanjakan’ny Israely manaraka.’ Dia nankany amin-dry Jese i Samoela. Vao nahita an’ilay lahimatoa izy, dia nieritreritra hoe: ‘Ity angamba ilay nofidin’i Jehovah.’ Hoy anefa i Jehovah: ‘Tsy izy io. Hitako koa mantsy ny ao am-pon’ny olona iray, fa tsy ny etỳ ivelany fotsiny.’
Nasehon’i Jese avy eo ny zanany lahy enina hafa. Hoy anefa i Samoela: ‘Tsisy nofidin’i Jehovah ireo. Izay ihany ’ngaha ny zanakao?’ Hoy i Jese: ‘Mbola misy an’ilay faralahy ka! Fa mbola lasa niandry ondry izy. Davida no anarany.’ Rehefa tonga i Davida, dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela: ‘Io ilay nofidiko.’ Nohosoran’i Samoela menaka àry ny lohan’i Davida mba ho lasa mpanjakan’ny Israely izy.
Niady tamin’ny Israelita ny Filistinina tatỳ aoriana. Nanana miaramila ngezabe iray atao hoe Goliata ry zareo. Nanambanimbany ny Israelita foana izy isan’andro, sady niantsoantso hoe: ‘Mifidiana iray aminareo hiady amiko. Raha resiny aho, dia ho lasa mpiasanareo izahay. Fa raha resiko kosa izy, dia ianareo indray no ho mpiasanay.’
Miaramila ny zokin’i Davida. Nankany amin’ny tobin’ny miaramila israelita i Davida, indray mandeha, mba hanatitra sakafo ho an’ny zokiny. Rehefa naheno ny tenin’i Goliata izy, dia niteny hoe: ‘Aleo ’zaho no hiady amin’io.’ Hoy i Saoly Mpanjaka: ‘Ianao ange mbola kely e!’ Hoy anefa i Davida: ‘Hampian’i Jehovah aho ka!’
Nomen’i Saoly an’i Davida ny akanjo fitondrany miady, nefa hoy i Davida: ‘Tsy mahay mandeha amin’ity aho.’ Nanana pilotra izy, dia iny no nentiny. Nankeny amin’ny renirano iray izy taorian’izay mba hitsimpona vato malamalama dimy, dia nataony tao anaty kitapo kely ilay izy. Nihazakazaka nanatona an’i Goliata izy avy eo. Hoy i Goliata: ‘Ialahy zazakely io ve leisy! Avia ialahy hataoko sakafon’ny vorona sy ny bibidia.’ Tsy natahotra anefa i Davida, fa hoy izy: ‘Ianao mitondra sabatra sy lefona, fa izaho kosa mitondra ny anaran’i Jehovah. Tsy izahay ange no iadivanareo fa i Jehovah e! Ho hitanareo fa mahery be i Jehovah, dia tsisy dikany aminy ny sabatra sy lefona. Hataony resinay daholo ianareo.’
Naka vato anankiray i Davida, dia nalefany mafy be tamin’ny pilotra ilay izy. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia nilentika teo amin’ny handrin’i Goliata ilay vato. Maty izy, dia nidaraboka tamin’ny tany. Nitsoaka daholo àry ny Filistinina. Ianao koa ve matoky an’i Jehovah hoatran’i Davida?
“Tsy hain’olombelona izany, fa hain’Andriamanitra. Hain’Andriamanitra mantsy ny zava-drehetra.”—Marka 10:27