FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 41 p. 100-p. 101 feh. 2
  • Davida sy Saoly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Davida sy Saoly
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana i Davida no Tsy Maintsy Nandositra
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Natao Mpanjaka i Davida
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Saoly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Ny Mankatò no Tsara Kokoa Noho ny Sorona”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 41 p. 100-p. 101 feh. 2
Davida, eny an-tendrombohitra, miantsoantso an-dry Saoly erỳ ambany erỳ

LESONA 41

Davida sy Saoly

Nataon’i Saoly Mpanjaka lehiben’ny miaramilany i Davida, rehefa avy namono an’i Goliata. Nandresy imbetsaka i Davida, ka lasa tian’ny vahoaka. Isaky ny avy niady izy, dia nitsena azy ny vehivavy, ary nandihy sady nihira hoe: ‘I Saoly nahafaty an’arivoarivony, fa i Davida kosa nahafaty an’alinaliny.’ Lasa nialona an’i Davida àry i Saoly, ka te hamono azy.

Tena nahay nitendry harpa i Davida. Rehefa nitendry harpa ho an’i Saoly izy indray andro, dia notorahan’i Saoly lefona. Nahay niala anefa izy, ka ny rindrina no voa. Imbetsaka i Saoly taorian’izay no niezaka namono an’i Davida. Voatery nitsoaka àry i Davida tamin’ny farany, dia niafina tany an-tany efitra.

Mbola matory i Saoly dia maka ny lefony i Davida

Nitondra miaramila 3000 i Saoly, dia lasa nitady an’i Davida. Niditra tao amin’izay lava-bato izay izy, indray andro, nefa i Davida sy ny namany efa niafina tao. Dia hoy ny naman’i Davida: ‘Izao ianao no afaka mamono an’i Saoly.’ Nijaikojaiko nankeo amin’i Saoly àry i Davida, dia nanapahany kely ny sisin’akanjony, nefa tsy tsikaritr’i Saoly akory. Nanenina be anefa i Davida avy eo hoe tsy nanaja ny mpanjaka voahosotr’i Jehovah. Tsy navelany hamono an’i Saoly koa ny namany. Niteny tamin’i Saoly avy teny lavidavitra mihitsy aza izy avy eo hoe: ‘Ianao ange teo azoko novonoina fa tsy novonoiko e!’ Dia tsy nitady hamono an’i Davida intsony ve i Saoly taorian’izay?

Mbola nitady an’i Davida ihany i Saoly sy ny miaramilany. Indray alina anefa, dia iny i Davida sy Abisay zanak’anabaviny fa nijaikojaiko nankany amin’ny tobin’i Saoly. Natory tamin’io fotoana io na i Abnera mpiambina an’i Saoly aza. Dia hoy i Abisay: ‘Tsy hahita hoatr’izao intsony isika! Ao hovonoiko i Saoly.’ Hoy anefa i Davida: ‘An an an! Aleo i Jehovah ihany no hanasazy azy. Alaivo fotsiny ny lefony sy ilay fasiany rano, dia andao handeha.’

Niakatra teo amin’ny tendrombohitra nahatazana ny tobin’i Saoly i Davida avy eo, dia niantsoantso hoe: ‘Abnera a! Fa naninona ianao no tsy niambina ny mpanjaka? Aiza izao ilay fasiany rano sy ny lefony?’ Fantatr’i Saoly ny feon’i Davida, dia hoy izy: ‘Afaka namono an’ahy mihitsy ianao, nefa tsy namono. Fantatro fa ianao no ho mpanjakan’ny Israely manaraka eo.’ Lasa nody i Saoly avy eo. Fa hainao ve hoe nisy tia an’i Davida ihany ny havan’i Saoly?

“Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. Aza mamaly faty, ry malala, fa avelao Andriamanitra no hampiseho ny hatezerany.”​—Romanina 12:18, 19

Fanontaniana: Fa maninona i Saoly no te hamono an’i Davida? Fa maninona i Davida no tsy nety namono an’i Saoly?

1 Samoela 16:14-23; 18:5-16; 19:9-12; 23:19-29; 24:1-15; 26:1-25

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara