LESONA 46
Fantatra hoe Iza no Tena Andriamanitra
Nisy mpanjaka ratsy fanahy be dia be tany amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely. Anisan’ny ratsy indrindra i Ahaba. Nanambady vehivavy ratsy toetra be sady mpivavaka tamin’i Bala mantsy izy. Jezebela no anarany. Nampirisihin’izy mivady hanompo an’i Bala daholo ny olona, ary novonoiny ny mpaminanin’i Jehovah. Dia inona no nataon’i Jehovah? Naniraka an’i Elia mpaminany izy mba hiresaka amin’i Ahaba.
Dia hoy i Elia tamin’i Ahaba: ‘Tsy ho avy mihitsy ny orana eran’i Israely satria ratsy toetra loatra ianao.’ Tsy nisy vokatra àry nandritra ny telo taona mahery, dia tsy nanana sakafo ny olona. Nasain’i Jehovah nankany amin’i Ahaba indray i Elia. Dia hoy i Ahaba: ‘Ianao ihany izao no nahatonga an’izao!’ Hoy i Elia: ‘An an an! Ianao ilay mivavaka amin’i Bala no nahatonga an’izao. Vorio eo an-tampon’ny Tendrombohitra Karmela ny vahoaka sy ny mpaminanin’i Bala, dia ho hitantsika eo hoe iza no tena Andriamanitra.’
Dia nivory teo amin’ilay tendrombohitra ny vahoaka. Hoy i Elia: ‘Tapaho ny hevitrareo. Raha i Jehovah no tena Andriamanitra dia mivavaha aminy, fa raha i Bala kosa dia mivavaha aminy. Asaivo manao fanatitra ireo mpaminanin’i Bala 450 ireo, dia asaivo miantso an’i Bala. Izaho koa hanao fanatitra dia hiantso an’i Jehovah. Dia izay mamaly ka mandatsaka afo no tena Andriamanitra.’ Nanaiky àry ny vahoaka.
Nanao an’ilay fanatitra ny mpaminanin’i Bala. Dia niantsoantso ny andriamaniny ry zareo tontolo andro hoe: ‘Mba valio re izahay ry Bala ô!’ Tsy namaly mihitsy anefa i Bala ka nihomehezan’i Elia, sady hoy izy: ‘Antsoy mafy be mihitsy izy e! Mbola matory angamba izy dia mila fohazina.’ Efa ho alina ny andro nefa mbola tsy namaly an-dry zareo ihany i Bala.
Nanao fanatitra amin’izay i Elia. Nataony teo ambonin’ny alitara ilay izy, dia notondrahany rano be. Dia nivavaka izy hoe: ‘Jehovah ô, ataovy fantatr’ireto vahoaka ireto hoe ianao no tena Andriamanitra.’ Tonga dia nandefa afo avy any an-danitra i Jehovah ka levona ilay fanatitra. Dia hoy ny olona: ‘I Jehovah no tena Andriamanitra!’ Hoy i Elia: ‘Aza avela mandositra ny mpaminanin’i Bala!’ Dia novonoina daholo ny mpaminanin’i Bala tamin’iny andro iny.
Nisy rahona kely teo ambony ranomasina, dia hoy i Elia tamin’i Ahaba: ‘Ho avy be ny orana, fa taingeno ny kalesinao dia mandehana mody.’ Lasa feno rahona mainty be avy eo ny lanitra sady nifofofofo be ny rivotra, dia nanomboka avy be ny orana. Ela ny ela ka avy ihany ny orana! Nentin’i Ahaba mafy be mihitsy ny kalesiny. Nampian’i Jehovah anefa i Elia, dia izy indray no nahery nandeha be noho ilay kalesy! Hilamina amin’izay ve izao ny fiainany?
“Enga anie ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, ilay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra manerana ny tany manontolo!”—Salamo 83:18