LESONA 53
Tsy Natahotahotra i Joiada
Nanan-janakavavy atao hoe Atalia i Jezebela. Ratsy toetra be hoatran’ny reniny ihany i Atalia. Lasa vadin’ny mpanjakan’ny Joda izy. Rehefa maty ny vadiny, dia ny zanany lahy no lasa mpanjaka. Maty koa anefa io zanany io tatỳ aoriana, dia i Atalia no tonga dia nanjaka. Notadiaviny hovonoina daholo avy eo ny zanaky ny mpanjaka sy ny olona rehetra mety ho lasa mpanjaka, hatramin’ny zafikeliny. Dia natahotra be an’i Atalia daholo ny olona.
Fantatr’i Joiada Mpisoronabe sy Joseba vadiny hoe tena ratsy ny nataon’i Atalia. Nafenin-dry zareo àry i Joasy zafikelin’i Atalia, na dia mety ho novonoina aza ry zareo raha tratra. Tao amin’ny tempoly izy mivady no nitaiza an’ilay zazakely.
Rehefa fito taona i Joasy, dia nantsoin’i Joiada daholo ny mpiadidy sy ny Levita. Dia hoy izy: ‘Ambeno ny varavaran’ny tempoly, ary aza avela hisy hiditra eo.’ Nataon’i Joiada lasa mpanjakan’ny Joda i Joasy avy eo, dia nasiany satroboninahitra ny lohany. Dia hoy ny vahoaka: “Ho ela velona anie ny mpanjaka!”
Henon’i Atalia nihorakoraka be ny vahoaka, dia lasa haingana izy nankany amin’ny tempoly. Rehefa hitany ilay mpanjaka vaovao, dia niantsoantso izy hoe: “Fikomiana! Fikomiana!” Nosamborin’ny mpiadidy io mpanjakavavy ratsy fanahy io, dia nentin-dry zareo tany ivelany ary novonoiny ho faty. Efa nisy vokany ratsy be tamin’ilay firenena anefa ny zavatra nataony. Dia ahoana izany?
Nasain’i Joiada nivoady tamin’i Jehovah ny vahoaka hoe izy irery ihany no hivavahan-dry zareo. Nasain’i Joiada noravan-dry zareo koa ny tempolin’i Bala, ary nasainy nopotipotehina ny sampy. Nanendry mpisorona sy Levita izy mba hiasa ao amin’ny tempoly, amin’izay ny olona afaka mivavaka ao indray. Nasiany mpiambina koa teo amin’ny varavaran’ny tempoly mba tsy hisy olona maloto ho tafiditra ao. Dia nentin’i Joiada sy ny mpiadidy tany an-dapa i Joasy, ary napetrany teo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka. Faly be mihitsy ny olona tany Joda. Afaka nivavaka tamin’i Jehovah indray mantsy ry zareo, satria tsy teo intsony i Atalia ary foana ny fivavahana tamin’i Bala. Tsy hitanao avy amin’izany ve fa be dia be no nandray soa rehefa tsy natahotahotra i Joiada?
“Aza matahotra an’izay mahavita mamono anareo ho faty, nefa tsy mahasakana anareo tsy hahazo ny fiainana. Matahora kosa an’ilay mahavita mandringana anareo ao amin’ny Gehena.”—Matio 10:28