LESONA 86
Nanangana An’i Lazarosy i Jesosy
Nipetraka tany Betania i Lazarosy sy Maria ary Marta anabaviny, ary mpinamana be tamin’i Jesosy ry zareo. Indray mandeha, tamin’i Jesosy mbola tany ampitan’ny Reniranon’i Jordana, dia nandefa hafatra ho azy i Marta sy Maria hoe: ‘Mba tongava haingana atỳ fa marary be i Lazarosy!’ Tsy tonga dia nandeha anefa i Jesosy. Mbola niandry roa andro izy vao niteny tamin’ny mpianany hoe: ‘Andao ho any Betania fa matory i Lazarosy, dia andeha hofohaziko.’ Dia hoy ry zareo: ‘Raha matory izy dia mety mbola ho sitrana ange e!’ Notsorin’i Jesosy àry hoe maty i Lazarosy.
Efa voalevina efatra andro i Lazarosy vao tonga tany Betania i Jesosy. Be dia be ny olona namangy an’i Marta sy Maria. Rehefa henon’i Marta hoe tamy any i Jesosy, dia nihazakazaka nitsena azy izy. Hoy izy: ‘Tompo ô, raha mba tatỳ ianao izao dia tsy maty ny anadahiko.’ Hoy i Jesosy: ‘Ao fa ho velona indray ny anadahinao. Mino an’izany ve ianao ry Marta?’ Dia hoy i Marta: ‘Mino aho hoe hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty.’ Hoy i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.”
Nankany amin’i Maria i Marta avy eo dia niteny hoe: ‘Tonga ao i Jesosy.’ Nihazakazaka nankany amin’i Jesosy i Maria, ary nanaraka azy ny olona. Dia nitomany be teo an-tongony izy, sady niteny hoe: ‘Tompo ô, raha mba tatỳ ianao izao dia tsy maty ny anadahinay.’ Hitan’i Jesosy hoe tena nalahelo be i Maria, dia latsaka koa ny ranomasony. Dia hoy ny olona rehefa nahita an’i Jesosy nitomany: ‘Tena tiany marina i Lazarosy.’ Nisy kosa niteny hoe: ‘Maninona àry no tsy mba nampiany io namany io?’ Fa andao ange hojerentsika izay nataon’i Jesosy taorian’izay e!
Nankany amin’ilay fasana i Jesosy. Vato be ny varavaran’ilay izy. Hoy i Jesosy: ‘Esory io vato io.’ Hoy anefa i Marta: ‘Efa efatra andro ange izy izay no tao e! Maimbo be izy izao.’ Nesorina ihany anefa ilay vato, dia nivavaka i Jesosy hoe: ‘Ray ô, misaotra anao mihaino an’ahy. Fantatro fa mihaino an’ahy foana ianao. Tiako ho fantatr’ireto olona ireto anefa hoe ianao no naniraka an’ahy.’ Dia niantsoantso mafy izy avy eo hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Dia iny tokoa fa nivoaka i Lazarosy ary mbola nifono lambam-paty. Hoy i Jesosy: “Vahao izy, dia avelao handeha.”
Be dia be no lasa nino an’i Jesosy rehefa nahita an’izany. Nisy kosa lasa nitantara tany amin’ny Fariseo. Te hamono an’i Jesosy sy Lazarosy àry ny Fariseo. Nandeha mangingina tany amin’ny Fariseo koa i Jodasy Iskariota, anisan’ny apostoly 12, dia niteny hoe: ‘Homenareo ohatrinona aho raha hampiako hahita an’i Jesosy ianareo?’ Nanaiky hanome azy volafotsy 30 sekely ry zareo. Nanomboka teo àry dia nitady hevitra i Jodasy mba hanampiana ny Fariseo hisambotra an’i Jesosy.
“Ilay tena Andriamanitra no Andriamanitra mamonjy antsika; ary i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony, no manafaka amin’ny fahafatesana.”—Salamo 68:20