LESONA 91
Natsangana Tamin’ny Maty i Jesosy
Nisy lehilahy mpanankarena atao hoe Josefa, niera tamin’i Pilato hoe haka ny fatin’i Jesosy avy eo amin’ilay tsato-kazo. Nofonosiny lamba rongony tsara be niaraka tamin’ny zavamanitra ilay faty, dia naleviny tao amin’ny fasana vaovao. Nanakodia vato be nankeo am-baravaran’ilay fasana izy avy eo. Hoy anefa ny lehiben’ny mpisorona tamin’i Pilato: ‘Matahotra izahay sao halain’ny mpianatr’iny Jesosy iny ny fatiny, dia mody lazain-dry zareo hoe nitsangana izy.’ Hoy àry i Pilato: ‘Asio tombo-kase ilay fasana dia asio mpiambina e!’
Telo andro taorian’izay, dia nisy vehivavy maromaro nandeha vao maraina be nankany amin’ilay fasana. Hitan-dry zareo anefa hoe efa nisy nanakodia ilay vato be. Nisy anjely tao amin’ilay fasana tamin’izay. Hoy izy: ‘Aza matahotra fa efa natsangana i Jesosy. Mandehana teneno ny mpianany hoe jereo any Galilia izy.’
I Maria Magdalena kosa tamin’izay efa nandeha haingana nitady an’i Petera sy Jaona. Hoy izy tamin-dry zareo: ‘Nisy naka ny fatin’i Jesosy!’ Nihazakazaka nankany amin’ilay fasana àry izy mirahalahy, dia io tokoa fa tsy tao ilay faty. Dia lasa nody ry zareo.
Rehefa niverina tany amin’ilay fasana i Maria, dia nahita anjely anankiroa tao. Hoy izy tamin-dry zareo: ‘Tsy haiko hoe nataon’olona aiza ny Tompoko.’ Nahita lehilahy anankiray izy avy eo. Noheveriny fa mpanao zaridaina ilay olona ka hoy izy: ‘Mba teneno an’ahy re, tompoko, hoe nataonao aiza izy e!’ Dia niteny ilay lehilahy hoe: ‘Maria!’ Tonga dia fantany àry hoe i Jesosy io, ka hoy izy: “Mpampianatra!” Dia nitazona an’i Jesosy izy, nefa hoy i Jesosy: ‘Mandehana teneno ny rahalahiko hoe nahita an’ahy ianao.’ Tonga dia lasa nihazakazaka nankany amin’ny mpianatra i Maria, dia niteny an’izany tamin-dry zareo.
Nisy mpianatra roa niainga avy any Jerosalema taorian’izay, tamin’iny andro iny ihany. Ho any Emaosy ry zareo. Nisy lehilahy tafaraka tamin-dry zareo teny an-dalana, dia nanontany hoe inona no resahin-dry zareo. Dia hoy ry zareo: ‘Tsy henonao angaha ny vaovao? Nasain’ny lehiben’ny mpisorona novonoina i Jesosy, telo andro lasa izay. Misy vehivavy milaza anefa hoe velona indray izy.’ Dia hoy ilay lehilahy: ‘Ianareo angaha tsy mino ny tenin’ny mpaminany hoe ho faty i Kristy, dia avy eo hatsangana?’ Dia nohazavainy tamin-dry zareo ny Soratra Masina. Nasain’izy roa lahy nankao an-trano ilay lehilahy rehefa tonga tao Emaosy ry zareo. Rehefa avy nanao vavaka talohan’ny sakafo izy vao fantatry ry zareo hoe hay i Jesosy. Nanjavona izy avy eo.
Dia nandeha haingana nankany amin’ny trano nivorian’ny apostoly tany Jerosalema ireo mpianatra roa lahy ireo, ka nitantara an’izany tamin-dry zareo. Niseho tamin’izy rehetra anefa i Jesosy, tamin-dry zareo tao amin’ilay trano. Tsy nino ny apostoly tamin’ny voalohany hoe i Jesosy io. Dia hoy i Jesosy: ‘Jereo ny tanako dia kasiho. Efa voalaza mialoha ange fa hitsangana amin’ny maty i Kristy e!’
“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”—Jaona 14:6