LESONA 97
Nahazo Fanahy Masina i Kornelio
Manamboninahitra romanina tao Kaisaria ny lehilahy atao hoe Kornelio. Nanaja azy ny Jiosy, na dia tsy Jiosy aza izy. Tena tia nanampy ny mahantra sy ny sahirana izy. Nino an’i Jehovah koa izy, sady nivavaka taminy foana. Indray andro, dia nisy anjely niresaka taminy hoe: ‘Henon’Andriamanitra ny vavaka nataonao. Maniraha olona hankany Jopa, any amin’i Petera, dia asaivo mankatỳ aminao izy.’ Tonga dia naniraka lehilahy anankitelo hankany Jopa i Kornelio. Tany amin’ny 50 kilaometatra teo ho eo tany atsimo i Jopa.
Nahazo fahitana i Petera tamin’io fotoana io. Nahita biby tsy azon’ny Jiosy nohanina izy, nefa nisy feo niteny taminy hoe hano ilay izy. Tsy nety i Petera fa hoy izy: ‘Mbola tsy nihinana biby maloto izany mihitsy aho.’ Dia hoy indray ilay feo: ‘Aza atao hoe maloto ireo biby ireo, fa efa nataon’Andriamanitra madio.’ Niteny taminy koa ilay feo hoe: ‘Misy telo lahy ao am-baravaranao ao. Mandehana miaraka amin-dry zareo.’ Nankany am-baravarana àry i Petera, dia nanontany an-dry zareo hoe: ‘Fa maninona atỳ ianareo?’ Dia hoy ry zareo: ‘Misy manamboninahitra romanina atao hoe Kornelio naniraka anay haka anao ho any an-tranony, any Kaisaria.’ Nasain’i Petera natory tao aminy izy telo lahy ny alin’iny, dia nanaraka an-dry zareo nankany Kaisaria izy ny ampitso. Nisy Kristianina vitsivitsy avy ao Jopa koa niaraka taminy.
Vao nahita an’i Petera i Kornelio dia nandohalika teo alohany. Hoy anefa i Petera: ‘Mitsangàna fa izaho ange olona hoatr’anao ihany e! Nasain’Andriamanitra nankatỳ aminao aho dia nankatỳ, na dia tsy tokony hiditra ao an-tranon’olona tsy Jiosy aza izahay Jiosy. Fa inona no antony nanirahanao olona haka an’ahy?’
Dia hoy i Kornelio tamin’i Petera: ‘Nivavaka tamin’Andriamanitra aho, efatra andro lasa izay, dia nisy anjely niteny an’ahy hoe maniraha olona haka anao ho atỳ amiko. Eo izahay mba ampianaro ny tenin’i Jehovah.’ Dia hoy i Petera: ‘Izao vao fantatro hoe tsy manavakavaka Andriamanitra. Tiany daholo izay te hanompo azy.’ Nampianarin’i Petera zavatra be dia be momba an’i Jesosy i Kornelio sy ny olona tao aminy. Nahazo fanahy masina avy eo ry zareo, dia natao batisa daholo.
“Izay olona matahotra [an’Andriamanitra] sy manao ny tsara no ankasitrahany, na inona na inona fireneny.”—Asan’ny Apostoly 10:35