FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 101 p. 234
  • Nalefa Tany Roma i Paoly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nalefa Tany Roma i Paoly
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahereza fa i Jehovah no Mpanampy Anao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • “Tsy Hisy Hamoy ny Ainareo Ianareo”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Ambarao amim-pahasahiana ny Fanjakan’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • ‘Nitory Tamin’ny Fomba Feno’ Izy
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 101 p. 234
Paoly sy olona hafa, milomano na mitazona amin’ny potik’ilay sambo rendrika teny akaikin’ny nosy Malta

LESONA 101

Nalefa Tany Roma i Paoly

I Jerosalema no tanàna farany nandehanan’i Paoly, tamin’izy nanao dia fanintelony hitoriana tany amin’ny faritra maromaro. Nosamborina izy tany ary nogadraina. Indray alina, dia nahita an’i Jesosy tao amin’ny fahitana izy. Hoy i Jesosy taminy: ‘Handeha ho any Roma ianao, ary hitory any.’ Nafindra tany Kaisaria i Paoly tatỳ aoriana, dia nigadra tany roa taona. Rehefa notsaraina teo anatrehan’i Festosy Governora izy, dia niteny hoe: ‘Aleo izaho hotsarain’i Kaisara any Roma.’ Dia hoy i Festosy: ‘Eny àry! Hotsarain’i Kaisara izany ianao!’ Dia nalefa sambo nankany Roma izy, ary niaraka taminy i Lioka sy Aristarko.

Nisy rivo-mahery anefa teny afovoan-dranomasina. Naharitra andro maromaro ilay izy, ka tsy nieritreritra ny ho velona intsony ny olona tao amin’ilay sambo. Hoy anefa i Paoly: ‘Nisy anjely niresaka tamiko tao amin’ny nofy hoe: “Aza matahotra ry Paoly! Ho tonga any Roma ianao, ary tsy hisy ho faty ny olona ato anaty sambo.” Dia aza kivikivy izany fa tsy ho faty isika.’

Naharitra 14 andro ilay rivo-mahery. Nahatazana nosy ihany ry zareo tamin’ny farany! Ny nosy Malta ilay izy. Nidona tamin’ny dongom-pasika anefa ilay sambo ka potika. Ireo olona 276 tao anatiny kosa tody soa aman-tsara teny an-tanety. Ny sasany nilomano, ary ny sasany nitazona tamin’ny potik’ilay sambo. Dia nikarakara an-dry zareo ny olona tao Malta, ary nandrehitra afo mba hanafana an-dry zareo.

Nentin’ny miaramila tamin’ny sambo hafa nankany Roma i Paoly, telo volana taorian’izay. Nitsena azy ny mpiara-manompo rehefa tonga tany izy. Nisaotra an’i Jehovah izy rehefa nahita an-dry zareo, ary lasa natanja-tsaina. Navela hanofa trano i Paoly, nefa nisy miaramila niambina azy ihany satria mbola gadra izy. Roa taona izy no nijanona tao. Niresahany momba an’i Jesosy sy ny Fanjakan’Andriamanitra izay olona tonga nitsidika azy. Nanoratra taratasy ho an’ny fiangonana tany Azia Minora sy Jodia koa izy. Tena nampiasain’i Jehovah hitory ny vaovao tsara tamin’ny firenena be dia be marina i Paoly!

“Amin’ny zava-drehetra ... dia asehonay hoe mpanompon’Andriamanitra izahay, satria niaritra fitsapana be dia be, niaritra fahoriana sy tsy fisiana ary zava-tsarotra.”​—2 Korintianina 6:4

Fanontaniana: Nahoana i Festosy no nandefa an’i Paoly tany Roma? Inona no nitranga tamin’i Paoly teny an-dalana ho any Roma?

Asan’ny Apostoly 21:30; 23:11; 25:8-12; 27:1–28:31; Romanina 15:25, 26

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara