FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Amasay”
  • Amasay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Amasay
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Elkana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mahata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Jisia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Jerohama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Amasay”

AMASAY

(Amasày).

[1-4: Fanafohezana ny hoe Amasia].

1. Levita anisan’ny fianakavian’i Kehata. Zanakalahin’i Elkana i Amasay, sady razamben’i Samoela mpaminany sy Hemana mpihira tao amin’ny tempoly tamin’ny andron’i Davida.​—1Ta 6:25, 33, 35.

2. Lehiben’ireo 30 lahy avy amin’ny fokon’i Joda sy Benjamina, izay tonga tany amin’i Davida tany Ziklaga. Natahotra i Davida sao hamadika azy izy ireo. ‘Tonga tamin’i Amasay ny fanahin’Andriamanitra’ ary nampanantena an’i Davida i Amasay fa hanohana tanteraka azy, satria niaiky izy fa i Jehovah no nanampy an’i Davida.​—1Ta 12:16-18.

3. Anisan’ireo mpisorona fito “nitsoka mafy ny trompetra teo anoloan’ny Vata masin’Andriamanitra”, rehefa nampanalain’i Davida ho any Jerosalema ilay Vata.​—1Ta 15:24.

4. Levita anisan’ny fianakavian’i Kehata, ary rain’i Mahata. Anisan’ireo nanadio sy nanamasina ny tempoly i Mahata, tamin’ny andron’i Hezekia.​—2Ta 29:12-18.

5. Zanakalahin’i Azarela, ary anisan’ireo mpisorona nonina tao Jerosalema tamin’ny andron’i Nehemia.​—Ne 11:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara