ARON’AKANJO
Ilazana zavatra isikinana sy anakonana saingy tsy mihodidina tanteraka amin’ny vatana ilay hoe simikintiôn (gr.). (As 19:12) Toa nafatotra teo amin’ny andilana izy io ka nanakonana ny teo ambanin’ny andilana, angamba mba hiarovana ny akanjo. Nanao azy io, ohatra, ny mpanjono, mpanefy tanimanga, mpantsaka, mpivarotra, mpanao mofo, ary mpandrafitra. Hafa kosa ny efodan’ny mpisorona, na dia toy ny aron’akanjo aza, satria nisy aloha sy aoriana ary nidina avy teo amin’ny soroka.—Ek 28:6-8; jereo MPISORONABE.
Midika ara-bakiteny hoe “misikina” ny hoe perizônnymai (gr.) nadika hoe ‘manao aron’akanjo.’—Lk 17:8; ampit. Ef 6:14.