ASTARTA-KARNAIMA
(Astàrta-karnàima).
Toerana nandresen’i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama an’ireo Refaima. (Ge 14:5) Misy milaza fa anarana fenon’i Astarta ny hoe Astarta-karnaima, ka ilay fanampiny hoe “karnaima” (tandroka) dia entina hilazana an’ireo tendrony roa amin’ny volan-tsinana izay marika famantarana an’i Astarta andriamanibavy. Mety hilazana an’ireo tendron-kavoana roa mitovy be tsy lavitra an’ilay tanàna koa anefa ilay hoe “karnaima.” Misy kosa milaza fa “Astarta Akaikin’i Karnaima” no dikan’io anarana io. Ilazana ny tanànan’i Astarta àry, hono, izy io fa voatonona koa i Karnaima satria tanàna nifanila taminy. Heverina fa tao Sheikh Saʽad no nisy an’i Karnaima, tsy lavitra an’ilay tanàna izay eken’ny maro fa nisy an’i Astarta (Tell ʽAshtarah). Jereo ASTARTA.