DIBERA
Ronono na herotra ahontsankontsana ka lasa zavatra matavy mivaingana. Tsy mafimafy toy ny ankehitriny ny dibera fahiny, fa nandranodranoka. (Jb 20:17) Dibera mamy malemy vao avy natao ilay hoe hemʼah (heb.), hoy i Koehler sy Baumgartner. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 308) “Ronono mandry, habobo” kosa izy io, hoy i Franciscus Zorell. (Lexicon Hebraicum et Aramaicum Veteris Testamenti, Roma, 1968, p. 248) Nadika hoe “habobo” ny hoe hemʼah ao amin’ny Mpitsara 5:25.
“Manome dibera ny ronono rehefa ahontsankontsana [a.b.t.: terena].” (Oh 30:33) Natao tao anaty siny hoditra ilay ronono, nopolipolesina, nahetsiketsika teo ambony lohalika, na nahantona teo anelanelan’ny tsato-kazo ary nakipilipily mafy mandra-pivadik’ilay izy ho toy ny dibera.
Efa nisy tamin’ny andron’ny loham-pianakaviana fahiny ny dibera, na dia tsy fihinana isan’andro aza. Nisy dibera ny sakafo nomen’i Abrahama an’ireo anjely nitsidika azy (Ge 18:8), ary nitondran’ny namany dibera sy sakafo i Davida.—2Sa 17:29.
Toy ny “dibera” ny teny mahafinaritra sy malefaka ary mandambolambo ataon’ny mpamadika.—Sl 55:21.