FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kaisaria-Filipo”
  • Kaisaria-Filipo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kaisaria-Filipo
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Kaisaria
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Kaisaria sy ny kristiana voalohany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Heroda
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • “Aoka ny Sitrapon’i Jehovah no Hatao”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kaisaria-Filipo”

KAISARIA-FILIPO

(Kaisarìa-Filìpo) [Kaisaria any Filipy].

Tanàna tany amin’ireo loharanon’ny Reniranon’i Jordana. Tanàna kelin’i Banyas izy io ankehitriny, ary 350 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina. Tsara tarehy be ilay toerana: Voahodidina tendrombohitra ny lafiny telo aminy. Eo avaratratsinanany no mijoalajoala ny Tendrombohitra Hermona, izay rakotra lanezy ny tendrony. Maitso mavana erỳ ilay tany lemaka eo andrefany, satria tondrahan’ny iray amin’ireo loharanon’i Jordana, izay mipoitra avy ao anaty lava-bato eo akaiky eo.

Tao amin’io tanàna io no resin’i Antiokosa III (Lehibe) ny Ejipsianina (t. 200 T.K.). Nantsoina hoe Paneasy ilay tanàna tamin’izay ho fanomezam-boninahitra an’i Pan, andriamanitry ny fahavokarana, izay nivavahan’ny olona tao. Tamin’ny taona 20 T.K., dia nomen’i Aogosto Kaisara an’i Heroda Lehibe i Paneasy. Tao i Heroda no nanorina tempoly vita tamin’ny marbra fotsy ho an’i Aogosto. Nohalehibeazin’i Filipo lehibem-paritra, zanak’i Heroda, ilay tanàna sady vao mainka nataony tsara tarehy, ho fanomezam-boninahitra an’i Tiberio Kaisara. Lasa nantsoina hoe Kaisaria izy io tamin’izay, ary nantsoina hoe Kaisaria-Filipo mba hanavahana azy tamin’ilay Kaisaria nisy seranana. Nohalehibeazin’i Heroda Agripa II indray ilay tanàna sady vao mainka nataony tsara tarehy, ary nomeny anarana hoe Neroniasy. Vetivety anefa dia tsy nampiasaina intsony io anarana io rehefa maty i Néron. Nilaza i Josèphe fa rehefa rava i Jerosalema tamin’ny taona 70, dia nanangana adin’ny gladiatera tany Kaisaria-Filipo ny Jeneraly Titus, ka ny jiosy babo no nataony nahita faisana tamin’izany. (Ny Adin’ny Jiosy, VII, 23, 24 [ii, 1]) Tatỳ aoriana ilay tanàna dia nantsoina indray hoe Paneasy, fa Banyas kosa amin’ny teny arabo (izay tsy manana litera “p”).

Teny an-dalana nankany amin’ireo “tanàna any Kaisaria-Filipo” i Jesosy no nanontany ny mpianany hoe: “Lazain’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?” Izany no nitarika ho amin’ilay resaka momba ny vatolampy hanorenana ny fiangonana kristianina, sy ireo lakilen’ny Fanjakan’ny lanitra.​—Mr 8:27; Mt 16:13-20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara