KILIONA
(Kiliôna) [Malemilemy; Tapitra Andro Iainana].
Zanakalahin’i Naomy sy Elimeleka, ary rahalahin’i Malona vadin’i Rota. Niala tany Betlehema, any Joda, ilay fianakaviana ary nifindra tany Moaba, noho ilay mosary tamin’ny andron’ny Mpitsara. Rehefa maty ny rainy, dia nanambady an’i Orpa Moabita izy. Samy maty tsy nanan-janaka tany Moaba izy sy ny rahalahiny.—Rt 1:1-5; 4:9, 10.