DIBRY
(Dibrỳ) [mety hidika hoe Teny Maro Loatra].
Israelita avy amin’ny fokon’i Dana. Nanan-janakavavy atao hoe Selomita i Dibry, ary nanambady Ejipsianina i Selomita. Tsy ela taorian’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta, dia notoraham-bato ho faty ny zanakalahin’i Selomita sy ilay Ejipsianina, satria niteny ratsy ny anaran’i Jehovah.—Le 24:10-16, 23.