FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Ejipta, Lohasaha Falehan-driakan’i”
  • Ejipta, Lohasaha Falehan-driakan’i

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ejipta, Lohasaha Falehan-driakan’i
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Reniranon’i Ejipta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sihora
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Aravaha, Lohasaha Falehan-driaka Misy Hazo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Zareda, Lohasaha Falehan-driakan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Ejipta, Lohasaha Falehan-driakan’i”

EJIPTA, LOHASAHA FALEHAN-DRIAKAN’I

Lohasaha falehan-driaka (na hadilanana) lava be, izay nolazain’Andriamanitra fa ilany atsimoandrefana amin’ny sisin-tanin’ny Tany Nampanantenaina na “ny tany Kanana.” (No 34:2, 5; 1Mp 8:65; Is 27:12) Tsy tany Ejipta no nisy an’io lohasaha falehan-driaka io, nefa azo inoana fa tonga hatrany amin’izy io ny faritra nanjakan’i Ejipta taloha. (2Mp 24:7) Toa io ihany ilay “lohasaha falehan-driaka” voaresaka rehefa nofaritana ny sisin-tanin’ny Israely tao amin’ny fahitana azon’i Ezekiela.​—Ezk 47:19; 48:28.

Maro no mihevitra an’io lohasaha falehan-driakan’i Ejipta io ho ny Lohasaha Falehan-driaka el-ʽArish, izay miainga any akaikin’i Jebel et-Tih, any amin’ny 200 km mahery any afovoan-tanin’ny Saikinosin’i Sinay. Mianavaratra izy io ary mifarana ao amin’ny Ranomasina Mediterane rehefa tonga eo amin’ny tanànan’i el-ʽArish (Rhinocolure), izay 150 km eo ho eo any atsinanan’i Port-Saïd. Maina be izy io amin’ny vanin-taona mafana, fa tondraka kosa amin’ny fotoanan’ny orana satria misy sakelidrano maro be mivarina ao aminy. Mikoriana mafy be ny ranon’izy io ka mahavita manongotra sy mipaoka hazo. Mety ho izany no niantsoana azy io hoe “reniranon’i Ejipta” ao amin’ny lisitry ny sisin-tanin’ny Tany Nampanantenaina ao amin’ny Genesisy 15:18.​—Jereo SIHORA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara