EZRA
(Ezrà) [Fanampiana].
1. Anarana hita ao amin’ny lisitry ny taranak’i Joda. Voalaza fa zanany lahy i Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona.—1Ta 4:1, 17.
2. Mpisorona taranak’i Arona avy tamin’i Eleazara sy Finehasa. Manam-pahaizana izy, mpanao dika soratra mahay, mpampianatra Lalàna, ary nahay teny hebreo sy aramianina. Nafana fo tamin’ny fivavahana marina izy, ka ‘nanomana ny fony handinika sy hitandrina ny lalàn’i Jehovah, ary hampianatra ny fitsipika sy ny rariny eo amin’ny Israely.’ (Ezr 7:1-6, 10) Nanoratra ny boky mitondra ny anarany izy, ary angamba ny Tantara Voalohany sy Faharoa. Izy no nanomboka nanambatra sy nandahatra ireo boky anisan’ny Soratra Hebreo, hoy ny lovantsofina jiosy. Nazoto nikaroka koa izy, satria nanonona boky 20 teo ho eo rehefa nanoratra ny Tantara Voalohany sy Faharoa. Niely be ny Jiosy tamin’ny androny, ka maro no nila dika mitovy tamin’ny Soratra Hebreo. Azo inoana fa anisan’ny voalohandohany nanao dika mitovy toy izany izy.
Tsy resahin’ny Baiboly ny fahazazan’i Ezra. Nonina tany Babylona izy, ary avy tamin’ny fianakaviana mpisoronabe, saingy tsy ny fianakaviana niavian’ilay lasa mpisoronabe tamin’ny 537 T.K., raha vao tafody avy tany an-tsesitany ny Jiosy. I Seraia no mpisoronabe farany tamin’ireo razambeny. Mpisoronabe tamin’ny andron’i Zedekia mpanjakan’ny Joda izy io, ary novonoin’i Nebokadnezara rehefa resiny i Jerosalema (607 T.K.). (Ezr 7:1, 6; 2Mp 25:18, 21) Nanaja mpisorona ny Jiosy tany Babylona, ka fantatra foana hoe iza no fianakaviana mpisorona. Mbola voalamina koa ny fiaraha-monina jiosy tany, izay notarihin’ny anti-panahy. (Ezk 20:1) Azo inoana fa tian’ny fianakaviany hahay tsara ny lalàn’Andriamanitra i Ezra, ary tiany rahateo koa izany. Olona nahita fianarana àry izy.
Rehefa 30 taona ny lehilahy vao afaka ny ho mpanoratra, hoy ny manam-pahaizana sasany. Raha izany no izy, dia mety ho 30 taona mahery i Ezra fony izy nankany Jerosalema (468 T.K.). Velona tamin’ny andron’i Ahasoerosy Mpanjaka sy Mordekay ary Estera izy, ka tsy nohadinoiny mihitsy ilay didy hoe haripaka ny Jiosy eran’ny Fanjakana Persianina. Nisy Jiosy maro anefa tany Babylona. Saika nahita loza àry ny fireneny. Nanamafy ny finoany anefa izany hoe miahy sy manafaka ny vahoakany i Jehovah. Nanampy azy hahay hanavaka sy ho afaka hiantsoroka andraikitra mavesatra koa izany.—Es 1:1; 3:7, 12, 13; 8:9; 9:1.
Nankany Jerosalema. Te ho any Jerosalema i Ezra mba hampandroso ny fivavahana marina tany, tamin’ny 468 T.K., 69 taona taorian’ny nodian’i Zerobabela sy ny Jiosy sasany izay babo tany Babylona. Nanome azy “izay rehetra nangatahiny” àry i Artaksersesy Lava Tanana, mpanjaka persianina. Nasaina nody niaraka taminy izay Israelita te handeha, araka ny taratasin’ny mpanjaka.—Ezr 7:1, 6, 12, 13.
Nahoana no nila finoana matanjaka koa ny Jiosy niala tany Babylona, tamin’ny andron’i Ezra?
Jiosy maro no lasa nanan-karena tao Babylona, nefa mety tsy ho toy izany intsony rehefa tany Jerosalema. Vitsy mponina koa tany, ary toa tsy tsara hoatran’ny tamin’ny andron’i Zerobabela ny toe-piainana. Hoy i Dean Stanley, mpivaofy teny: “Vitsy mponina i Jerosalema ary toa tsy nandroso, tsy toy ny rehefa tonga tany ny Jiosy nody voalohany. ... Ny azo antoka dia hoe mbola tsy vita ny mandan’i Jerosalema, tsy fantatra na hoe satria tsy narisika ireo mponina voalohany, na nanakantsakana indray ireo foko nanodidina. Nisy loaka be ny manda satria nisy vavahady may nefa tsy namboarina, ary feno potipotiky ny manda ny tehezan-kavoana. Vita koa ny Tempoly saingy tsy nisy fitaovana sy haingony firy.” (Tamin’ny Andron’i Ezra sy Nehemia, nataon’i George Rawlinson, Londres, 1890, p. 21, 22) Nafoin’izay niverina tany Jerosalema àry ny toerana ambony nananany. Nisaraka tamin’ny havana aman-tsakaiza koa izy, tsy niadana hoatran’ny taloha, ary nanomboka fiainam-baovao tany an-tany lavitra. Sarotra koa ny fiainana tany ary mety ho nampidi-doza. Lavitra ny dia sady nampahatahotra, satria mety ho nifanehatra tamin’ny foko arabo sy fahavalo hafa izy ireo. Nila nafana fo tamin’ny fivavahana marina, nino an’i Jehovah, ary be herim-po àry izay nifindra monina. Lehilahy 1500 teo ho eo monja sy ny fianakaviany no vonona sy afaka nandeha, ka mety ho 6000 teo ho eo ny fitambarany. I Ezra no nitarika azy ireo. Tsy mora ny asany, kanefa efa niatrika zava-tsarotra izy, ary nihanahery satria nomba azy ny tanan’i Jehovah.—Ezr 7:10, 28; 8:1-14.
Nanome izay rehetra nilaina i Jehovah Andriamanitra, satria ratsy ny toe-karena tany Jerosalema ary tsy nanana firy ireo niaraka tamin’i Ezra. Voatosika hanome an-tsitrapo vola hividianana biby hatao sorona, fanatitra varimbazaha, ary fanatitra zava-pisotro, ohatra, i Artaksersesy Mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy fito. Nahazo alalana handray fanomezana hividianana izany tany amin’ny faritanin’i Babylona koa i Ezra. Raha nisy ambim-bola, dia anjaran-dry Ezra ny nanapaka izay fomba tsara indrindra hampiasana azy. Nila naterina tao Jerosalema daholo ny fitaovan’ny tempoly. Azo nakana vola fanampiny tao amin’ny trano fitehirizan-karenan’ny mpanjaka, raha nilaina. Nilazana koa ireo mpitahiry ny harenam-panjakana tany ampitan’ny Renirano fa azon’i Ezra natao ny nangataka volafotsy, varimbazaha, divay, menaka ary sira (ny sira ihany no tsy voafetra), ary tokony homena azy haingana izany. Tsy nampandoavina hetra ny mpisorona sy ny mpiasa tao amin’ny tempoly. Nomena fahefana hanendry mpahay lalàna sy mpitsara koa i Ezra. Hampiharana didim-pitsarana izay tsy nankatò ny lalàn’Andriamanitra sy ny lalàn’ny mpanjaka, ka “hovonoina ho faty na horoahina, na hampandoavina sazy na hogadraina.”—Ezr 7:11-26.
Tsapan’i Ezra fa tari-dalan’i Jehovah izany, ka tonga dia novoriny teo amoron’ny reniranon’i Ahava ny Israelita, ary nodinihiny tsara nandritra ny telo andro. Tsikariny fa vitsivitsy ny mpisorona, saingy tsy nisy mihitsy ny Levita tsy mpisorona izay tena nilaina tao amin’ny tempoly. Hita hoe mpitarika mahay i Ezra satria nandefa iraka avy hatrany nankany amin’ny Jiosy tany Kasifia izy. Nanome Levita 38 sy Netinima 220 niaraka tamin’ny fianakaviany avy ry zareo tany. Lasa 7000 mahery àry ry Ezra.—Ezr 7:27, 28; 8:15-20.
Nanao antso avo i Ezra avy eo hoe hifady hanina ry zareo mba hangataka an’i Jehovah hitarika ny diany. Nitondra zava-tsarobidy maro izy ireo, nefa tsy tian’i Ezra ny hangataka miaramila hiaro azy ireo. Efa niteny tamin’ny mpanjaka mantsy izy hoe natoky tanteraka fa miaro ny mpanompony i Jehovah, ka tsy te hanala baraka Azy izy. Nolanjainy tsara ilay fanomezana (mitentina 43 000 000 dolara mahery), ary nisy 12 lahy anisan’ny lehiben’ny mpisorona nanankinany azy, rehefa avy nitalaho tamin’Andriamanitra izy.—Ezr 8:21-30.
Nomba an-dry Ezra tokoa ny tanan’i Jehovah ka niaro azy tamin’ny “fahavalo teny an-dalana.” Tonga soa aman-tsara tany Jerosalema àry izy ireo. (Ezr 8:22) Natolotr’i Ezra an’ireo mpisorona sy Levita tao an-tempoly ny zava-tsarobidy nentiny, ary izy ireo rahateo koa tonga dia nanaiky ny fahefany.—Ezr 8:31-34.
Nasainy noroahina ireo vehivavy hafa firenena. Nilazan’ny andriana i Ezra rehefa avy nanao sorona tao an-tempoly, fa naka vady vehivavy hafa firenena ny olona maro sy ny mpisorona ary ny Levita tao amin’ilay tany. Avy hatrany dia nandrovitra ny akanjony anatiny sy ivelany izy, nanongotra ny volon-dohany sy volombavany, ary nipetraka ankona teo hatramin’ny fotoanan’ny fanatitra varimbazaha amin’ny takariva. Nandohalika izy avy eo, namelatra ny tanany ho amin’i Jehovah, ary niaiky teo imason’izay tafavory teo ny fahotan’ny Israely nanomboka tamin’ny andron’ny razambeny.—Ezr 8:35–10:1.
Nisolo vava ny olona i Sekania taorian’izay, ka nilaza fa hanao fifanekena amin’i Jehovah izy ireo hoe handroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany. Hoy izy tamin’i Ezra: “Mitsangàna fa napetraka ho adidinao izao raharaha izao, ary manohana anao izahay. Mahereza ary manaova zavatra.” Nasain’i Ezra nianiana àry izy ireo, ary nomena telo andro izay rehetra avy tany an-tsesitany mba hivory tao Jerosalema ka handamina ilay raharaha. Izay tafavory dia nasainy nibaboka tamin’i Jehovah sy nisaraka tamin’ny vadiny hafa firenena. Be loatra anefa ireo nandika lalàna, ka afaka telo volana teo ho eo vao voalamina ilay izy.—Ezr 10:2-17.
Niaraka tamin’i Nehemia. Tsy fantatra raha nijanona tao Jerosalema i Ezra na nody tany Babylona. Mety ho nody anefa izy, matoa tsy voamboatra ilay tanàna ary nisy mpisorona nanao ny tsy mety. Mety ho nasain’i Nehemia niverina izy, rehefa voaorina indray ny manda. Tonga tao indray àry i Ezra, ary namaky sy nampianatra ny Lalàna tamin’ny vahoaka tafavory izy. Nanao fivoriana manokana izy sy ny lohandohany teo amin’ny vahoaka ny andro faharoa tamin’ilay fivoriambe, satria te hahazo ny hevitry ny Lalàna izy ireo. Faly ny olona nankalaza ny Fetin’ny Trano Rantsankazo nandritra ny valo andro. Nifady hanina sy niaiky heloka ary nivavaka kosa izy ireo ny 24 Tisry. Nanao “fianianana” an-tsoratra mihitsy aza izy ireo, ary nasian’ny andriana sy Levita ary mpisorona tombo-kase ilay izy. Hita àry hoe to teny i Ezra sy Nehemia izay nitarika azy ireo.—Ne 8:1-9, 13-18; toko 9.
Asa sorany. Tena tia nikarokaroka i Ezra ka nahay nifidy izay dika soratra nisy ny Lalàna tokony hampiasaina, rehefa jerena ireo bokin’ny Tantara sy ny boky mitondra ny anarany. Nazoto nikaroka tao amin’ny antontan-taratasim-panjakana koa izy, ka marina tsara ireo bokin’ny Tantara voaraintsika. Ny fanahin’Andriamanitra koa anefa no nitarika azy hanoratra ny ampahany lehibe tamin’ny tantaran’ny Israely, mba handraisantsika soa.
Nafana fo niaro ny fahamarinana i Ezra, niantehitra tamin’i Jehovah tamim-bavaka, nampianatra foana ny lalàn’Andriamanitra, ary nampandroso ny fivavahana marina. Anisan’ny “vavolombelona maro be toy ny rahona” izy, ka mendrika hotahafina.—He 12:1.
3. Mpisorona niaraka tamin’i Zerobabela avy tany Babylona nankany Jerosalema (537 T.K.).—Ne 12:1, 13.